Nokianin'ny praiminisitra ao Vanuatu ho ‘fitongilanan'ny media vahiny’ ny fanadihadiana iray

Mpisaona tao anatin'ny fahasimbana nateraky ny horohorontany tao an-drenivohitr'i Vanuatu taorian'ny horohorontany volana Desambra 2024. Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana YouTube an'ny ABC. Fampiasana ara-drariny.

Naneho fahasorenana tamin'ny fanadihadiana Aostraliana iray niresaka momba ireo tranobe novatsian'ny Sinoa vola izay simba nandritra ny horohorontany tamin'ny Desambra 2024 ny praiminisitr'i Vanuatu, Jotham Napat. Nokianin'ny praiminisitra ny “fitongilanan'ny mpanao gazety”, saingy nampitandrina ny kiadin'ny haino aman-jery maneran-tany fa mety hanohintohina ny tatitra manakiana izany fanamarihan'ny mpitondra izany.

Firenena nosy Pasifika atsimo ahitana mponina maherin'ny 300.000 i Vanuatu. Nahafatesana olona 14 farafahakeliny, naratra 265, olona 1.092 nafindra toerana, ary trano rava 570 nihatra tamin'ny  olona2.850 ny horohorontany tamin'ny 17 Desambra. Namela fahasimbana fotodrafitrasa goavana teto an-drenivohitra ihany koa ny horohorontany.

Namoaka tatitra momba ny toe-draharaha taorian'ny horohorontany tao Port Vila renivohitr'i Vanuatu ny Australian Broadcasting Corporation (ABC) tamin'ny 21 Martsa, ary nampifandray ny fahasimban‘ny trano sasany tamin'ny toromarika momba ny lalànan'ny fanorenana efa lany andro sy ny fomba fanamboarana (efa lany andro koa). Nampitondraina ny lohateny hoe “Paradisa ambava loza”, nilaza ny tatitra fa anisan’ireo trano simba ilay lapan’ny filoham-pirenena vaovao naorina sy nomen’ny fanjakana shinoa. Ny tatitra, izay nosoratan'ny mpanao gazety iray teo an-toerana, dia nahitana resadresaka an-dahatsary niarahana tamin'ny praiminisitra Vanuatu, Jotham Napat.

Saingy tezitra tamin'ny fandrafetana ny tatitra sy ilay antsoina ho fanitrikitrihana an'i Shina i Napat. Namoaka fanambaràna ny biraony tamin'ny 27 martsa milazalaza ny tatitry ny ABC ho ohatra amin'ny “fitongilanana avy any ivelany”.

There were other lines in the intro that were clearly meant to cast doubt and shame a long-standing partner of Vanuatu, which we will not accept. We deserve an apology for this blunder.

The last thing we want to see is foreign media coming in and questioning our intelligence or sovereign decisions.

Nisy andalana hafa teo amin'ny fampidirana izay midika mazava fa natao hampisalasala sy hanala baraka ny mpiara-miasa efa ela amin'i Vanuatu, izay tsy ho ekenay. Mendrika omena fialan-tsiny izahay noho izany fahadisoana izany.

Ny zavatra farany tianay ho hita dia ny fidiran'ny fampitam-baovao vahiny manontany ny firaisanay tsikimbakomba na ny fanapahan-kevitra miandriana firenena noraisinay.

Nitarika firaisan'ny antoko i Napat fony izy nandray ny fahefana tamin'ny volana Febroary. Nilaza izy fa hampifandanja ny firenena rehetra ao anatin'ny fitomboan'ny fifandrafiana amin'ireo firenena matanjaka erantany any Pasifika i Vanuatu, dia i Aostralia, Shina ary Etazonia.

Tamin'ny hevitra iray navoakan'ny Daily Post tamin'ny 2 Aprily, nanasongadina ny fomba nampiroboroboan'ny tatitra ny fomba fijery Aostraliana ihany koa ilay mpanoratra Mavuku Tokona.

The truth is there are a lot of damage on buildings that were on the fault line, if you’re going to cherry-pick the Chinese projects only, that would be pandering to a western narrative that we shouldn’t have any business getting involved with.

Sadly, the tip of the spear of media was used as an instrument to promote what the Australians wanted to say.

Ny marina dia betsaka ny fahasimbàna amin'ireo tranobe tandrifin'ny tsipiky ny fihovitrovitra, fa raha ny tetikasa shinoa ihany no nahitrikitrikareo dia miverina amin'ny fomba fitantarana tandrefana izay tsy tokony hisy idiranay.

Indrisy anefa fa natao fitaovana ny fampahalalam-baovao mba hampiroboroboana izay tian'ny Aostraliana holazaina.

Namaly ny ABC ny ampitson'iny, niaro ny tantara navoakany.

We stand by our reporting and the questions it raises around whether Chinese-gifted buildings were built to code, which came from multiple sources. Our reporting would have been the same if Australian-funded projects were under scrutiny.

Ijoroanay ny tatitra nataonay sy ny fanontaniana naterak'izany manao hoe manaraka ny fenitra ve ireo tranobe nomen'ny Sinoa, izay azonay tamin'ny loharanombaovao marobe. Mitovy ihany ny tatitra nataonay raha tetikasa novatsian'ny Aostraliana vola no narahi-maso akaiky.

Nampian'ny fanambaràn'ny ABC fa niresaka lafiny maro tamin'ny ezaka fanarenan'ny firenena ny tatitra fa tsy nifantoka fotsiny tamin'ny tranobe novatsian'i Shina ao an-drenivohitra fotsiny.

Nampahatsiahivin'ny kiadin'ny fampahalalam-baovao Federasionan'ny mpanao Gazety Iraisampirenena (IFJ) fa azo adika ho fikasana hamily ny tatitry ny media ny fanambaran'ny praiminisitra.

The IFJ reminded that just because a government is uncomfortable with a report does not mean it equates to journalistic bias. Any attempts to control or stifle the media narrative in the island nation could easily be interpreted as an act of censorship and a warning to others working in the media to not report on so-called sensitive issues in the eyes of the government.

Nampahatsiahivin'ny IFJ fa tsy midika ho fitongilanan'ny asa fanaovan-gazety raha tsy mahazo aina amin'ny tatitra ny governemanta. Izay fikasana rehetra hifehy na hanakantsakana ny fitantaran'ny haino aman-jery ao amin'ny firenena-nosy dia azo adika mora ho hetsika fanivanana sy fampitandremana ho an'ny hafa miasa amin'ny haino aman-jery mba tsy hitatitra ireo lazaina ho olana saropady eo imason'ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.