Manangana môdely mateza ho an'ny rafi-pampianarana ao Ogandà

Ankizy mpianatra any Ogandà miomana hilahatra. Sary avy amin'i NSAMBA HERMAN ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0 Deed)

Latsa-paka ao amin'ny tontolom-pampianarana ao Ogandà ireo fanamby mbola manakana ny firenena tsy hihazo ny fampandrosoana. Manjaka ny olana toy ny fanabeazana tsy manara-penitra, ny trano malemy, ny tsy fahampian'ny mpampianatra ary ny olana ara-bola. Fa na eo aza ireo fanamby ireo, dia misy ireo môdely hita fa nahomby tao amin'ny firenena ahitana mponina efa ho 48 tapitrisa, ary nahavita dingana goavana tamin'ny fampidirana olona maro hahazo fanabeazana.

Ato amin'ity lahatsoratra ity isika mandinika ny tokotanin-tsehatra manavaka ny rafi-panabeazana ao Ogandà sy mihevitra ny fomba ataon'ireo môdely sy toeram-pampianarana vaovao handrosoana, manangana faharetana sy mandrisika fampivelarana.

Ireo fanamby manjaka

Iray amin'ireo sakana ara-panabeazana ao Ogandà ny hantsana fahazoana fampianarana manerana ny fiarahamonina. Manana taha ambony indrindra manerantany amin'ny fanilihana an-tsekoly i Ogandà. Manodidina ny 20 isanjaton'ny ankizy tokony hianatra fanabeazana fototra no tsy tafiditra an-tsekoly, ary tsy mianatra ny 12,5 isan-jaton'ireo izay nisoratra anarana. Anisan'ny mahatonga ireo sakana ireo ny saram-pianarana, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa ary ny elanelan-tsaranga ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Olana iray hafa ny an'ireo mianatra any an-tsekoly, ratsy ny kalitaon'ny fampianarana amin'ny ankapobeny. Tompon'andraikitra amin'ny vokatra ratsy amin'ny fianarana ny fandaharam-pianarana efa lany andro, ny tsy fisian'ny fitaovana enti-mampianatra, ary ny mpampianatra tsy voaofana. Miharihary kokoa izany any ambanivohitra, vao mainka mampitombo ny hantsana eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra izany.

Farany, sakana lehibe ny famerana ara-bola sy ny saram-pianarana ka manakana ny ankizy tsy hahazo fanabeazana. Miatrika ny fiakaran'ny saram-pianarana tsy ampoizina ny ankamaroan'ny tokantrano, izay mahatonga ny mpianatra hiala an-daharana an-tsekoly.

Môdelin'ny faharetana sy fitomboana

Na dia eo aza ireo olana rehetra ireo, môdely maromaro no napetraka hampiroboroboana ny faharetana sy ny fitombona izay hita fa nahomby teo amin'ny tontolon'ny fanabeazana ao Ogandà:

Fomba fiasa UniHouse feno: orinasa iraisampirenena naorina tamin'ny taona 1999 momba ny fanabeazana, ny fanofanana, ary ny tolotra fampandrosoana arakasa ny UniHouse. Miara-miasa amin'ny governemanta sy fikambanana izy hanolorana karazam-pandaharana eo amin'ny sehatra ara-toekarena sy ara-kolontsaina isankarazany, manome hery ny tsirairay sy ireo orinasa.

BRAC Uganda: Niditra an-tsehatra ara-panabeazana eo amin'ireo ankizy voahilikilika, indrindra fa ny zazavavy ny BRAC, avy amin'ireo sekolim-piarahamonina sy ny fitarihan-dalana. Azo refesina amin'ny (taham-pahafahana) ireo Foibem-Pampivelarana Kilonga (Early Childhood Development) sy foibem-panohanana ireo tanora zazavavy.

Educate!: Manome hery ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ao Ogandà hanana hakingana ara-pandraharahana sy fitarihana amin'ny alàlan'ny fanabeazana ara-panandramana ity orinasa sosialy ity. Mampiditra fahaizana ara-pihariana azo ampiharina ao amin'ny fandaharam-pianarana, mandravona ny elanelana misy eo amin’ny fanabeazana sy ny asa ny Educate!

School for Life Foundation: Manasongadina ny vondrom-piarahamonina tantsaha sy mahantra, tsara ny kalitaon'ny fanabeazana fototra ao amin'ny School for Life manasongadina tsikelikely ny fandraisan'ny vondrom-piarahamonina anjara, ny fanofanana mpampianatra ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa.

War Child Holland: Miorina anaty faritra miady ao Ogandà ny War Child, mitantana fandaharam-pianarana tselatra sy fanohanana ara-tsaina ho an'ny ankizy any ivelan'ny sekoly na tsy nianatra nandritra ny herintaona noho ny ratra ara-tsaina na ny fifindra-monina.

STiR Education: Miara-miasa amin'ny ministeran'ny fampianarana, manohana ny  fahazotoana sy ny fanaovana zava-baovao avy amin'ny mpampianatra ny STiR. Mitantana tambajotra fampandrosoana arak'asa ifampitarihin'ireo mitovy karazan'asa izay mandrisika ny fomba fanao mampisaintsainana sy ny fanatsarana tsy tapaka eo amin'ny mpanabe any Ogandà izy.

Servisy tolo-kevitra stratejika

Zava-dehibe ny tolotra ara-kevitra stratejika amin'ny famahana ny olan'ny fanabeazana ao Ogandà sy hanamoràna ny fampandrosoana lovainjafy.

Tsy maintsy manana paikady amin'ny famolavolana sy ny fampiharana ny politika ireo manam-pahefana, satria ny politika mahomby no andry hanatsarana ny rafi-panabeazana ao Ogandà. Tafiditra ao anatin'izany ny fanavaozana ny politika fanofanana sy fandraisana mpampianatra, ny fandaharam-pianarana iombonana izay saro-pady amin'ny toe-javatra sy fiteny eo an-toerana, ary ny fanafoanana ireo saram-pianarana nafenina izay manakivy fahazotoa-mianatra.

Fomba iray hafa mety hanatsarana ny sehatry ny fampianarana ao Ogandà ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tsy miankina. Afaka miara-miasa amin'ny fampihenana ny tsy fitoviana eo amin'ny fitaovana, indrindra amin'ny trano fianarana, ny fianarana an-tserasera ary ny fiofanana arak'asa ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina. Afaka manamora ny fananganana fandaharam-pianarana mifanaraka amin'ny filàn'ny tsenan'asa ihany koa ny fiaraha-miasa, ary manatsara ny fahafahan'ny tanora miasa sy manome azy ireo ny fahaiza-manao mifanaraka amin'ny filan'ny tsena.

Farany, tokony hampiasa vola amin'ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manao i Ogandà. Ilaina ny fivelaran-tolo-panofanana matihanina ho an'ny mpampianatra sy ny mpitantana ny sekoly. Mety hanatsara ny fitarihana ara-pampianarana ny fitantanan-tsekoly sy ny tontolon'ny fianarana.

Goavana ireo fanambin'ny rafi-panabeazana ao Ogandà, fa maro ihany koa ny lalana irosoana. Manome môdely azo ivoarana amin'ny fanamafisana ny rafi-pampianarana ny orinasa sy fikambanana toy ny UniHouse sy Shimizu Corporation ary ireo programa eny ifotony toy ny BRAC Uganda, Educate!, ary ny STiR Education. Amin'ny fananana  politikam-panavaozana stratejika, fandrindrana sehatra vitsivitsy miaraka, ary ny fampiasam-bola amin'ny fampivelarana fahaiza-manao i Ogandà no afa-manangana rafi-panabeazana mateza sy ara-drariny kokoa. Io indray avy eo no mametraka fototra mafy orina amin'ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena mivelatra kokoa sy ny fampandrosoana maharitra ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.