Ny fitantaran'angon-drakitra Civic Media Observatory: Tatitra Isam-pirenena

Sary nomen'i Giovana Fleck, nahazoana alalana.

Tamin'ny herintaona ny Civic Media Observatory — tamin'ny alàlan'ny tetikasany Data Narratives — nanao fikarohana tany Brezila, El Salvador, India, Torkia, ary Sodàna momba ny lahateny ahatafidirana fitantanana angondrakitra any amin'ireo firenena ireo.

For the purpose of this research project, we employed a definition of data governance from Tim Davies’ literature review on the topic:

Ho tanjon'ity tetikasa fikarohana ity, nampiasanay ny famaritana ny fitantanana angondrakitra avy amin'i Tim Davies momba ilay lohahevitra:

Data governance concerns the rules, processes and behaviours related to the collection, management, analysis, use, sharing and disposal of data – personal and/or non-personal. Good data governance should both promote benefits and minimise harms at each stage of relevant data cycles.

Ny fitantanana angon-drakitra dia mikasika ny fitsipika, ny dingana ary ny fihetsika mifandraika amin'ny fanangonana, fitantanana, famakafakana, fampiasana, fizarana ary ny fihazonana angona – an'olona iray na tsia. Sady tokony hampiroborobo ny tombotsoa no mampihena ny fanimbàna isaky ny ambaratonga tsirairay amin'ny tsingerin'angona manan-danja ny fahaizana mitantana angon-drakitra.

Nodinihan'ny tatitra ny fahasarotan'ny tontolom-pitantanana angon-drakitra manerana ireo firenena dimy ireo avy amin'ny fijery fitantarana sy tohitra-fitantarana izay mamolavola resaka isaky ny firenena. Nifantohan'ny famotorana ireo tranga fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra, ny fanodinkodinam-baovao, ary ny antony ara-politika isan-karazany ao ambadiky ny fanangonana sy fizarana angon-drakitra. Navoakan'ny famakafakana ireo lohahevitra fitantarana iraisan'ny firenena amin'ny fitantanana angon-drakitra, ahitana ireto manaraka ireto:

  • Ny tsy fisian'ny mangaraharan'ny governemanta momba ny angondraki-panjakana
  • Ny tsi-fiatrehana sy ny tsi-filazana ireo olana ara-piarovana
  • Ny fikirakirana ireo politikam-panjanahantany vaovao hanararaotana ny harem-pirenena
  • Ny fanehoana diso momba ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina ho mahasoa ny firenena ho amin'ny tombontsoan'ny vondron'orinasa.
  • Ny fampiasana ny tsirefesimandidy nomerika hifehezana ny fitantarana manodidina ny politika sy ireo tetika ara-politika hafa

Vakio bebe kokoa: Récits sur l'intelligence artificielle : un rapport réalisé par Global Voices [fr]

Fehin'ny tsikaritray fa mametraka olana tsimanampaharoa ho an'ireo firenena narahi-maso ny lalàna sy ny teknolojia vao misandratra toy ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA) sy ny cryptomonnaies. Samy namaha ireo olana ireo tamin'ny fomba samihafa ny firenena tsirairay nodinihina. Saingy nanimba kokoa ireo resaka momba ny fitantanana ny angon-drakitra sy ny lalàna avy amin'izany fa tsy manohana ny tombontsoan'ny olom-pirenena. Nanjary lohahevitra hita hatrany amin'ireo tatitra ny fampiasana ny fahefana nomerika tsirefesimandidy mba hifehezana ny fitantarana fitantanana angondrakitra, izay nanasongadina ihany koa ny filana mangarahara kokoa, ny fanatsarana ny fiarovana angondrakitra, ary ny fiheverana bebe kokoa ny fiantraikan'ny teknolojia vaovao sy vao misondrotra eo amin'ny fiarahamonim-pirenena.

Jereo ny tatitra momba ireo firenena:

Brezila

El Salvador 

India

Tiorkia

Sodana

Namoahanay famintinana ny tatitray ho rakitra iray pejy ihany koa izahay. Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ny Data Narratives Civic Media Observatory eto. Raha liana amin'ny fomba nanaovanay ity fikarohana ity ianao sy te-hamantatra bebe kokoa momba ny nangoninay dia midira amin'ny angona ho an'ny daholobe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.