
Mpiasa an-tsitrapo ao Osh, Kirgizistàna, mitafy akanjo lava misy ny sarin'i Hamza, zazalahy kely iray voatily hoe tratry ny aretina “amyotrophie spinale“. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “ХАМЗА / ОШ ШААРЫНДА АКЧА ЧОГУТУЛДУ” tao amin'ny fantsona Youtube-n'ny adil tv.. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Ho an'ny vahoaka ao Kirgizistàna, voamariky ny ezaka niraisana nampitolagaga ny Martsa 2025 mba hanavotana ireo ankizy tratry ny amyotrophie spinale (SMA), aretina tarazo iray mamely ny foibe fibaikoana ao amin'ny atidoha ary afaka mitondra mankany amin'ny fahasimban'ny hozatra na ny fahafatesana mihitsy raha tsy voatsabo. Ilàna vola an-tapitrisa dolàra ny fitsaboana io aretina tarazo tsy fahita firy io. Fatra iray fotsiny amin'ny Zolgensma, fanafody fitsaboana aretina tarazo, izay ampy hitsaboana ilay aretina, no mety ho vidiana 2 tapitrisa dôlara amerikàna.
Tsy ampy roa herinandro akory, nihetsika sy nahangona mihoatra ny 510 tapitrisa KGS (manodidina ny 5,9 tapitrsa dôlara amerikàna) ilay firenena, nampiseho firaisankina sy fahalalahan-tànana tsy mbola nisy toa azy.
Indro ny lahatsary iray tao amin'ny YouTube iresahan'ireo mpikarakara ny momba ilay fanentanana fanangonana vola.
Io vola io dia ho ampiasaina hitsaboana zazalahy kely telo, Hamza, Aslan, ary Bayhan, izay samy voatily hoe tratry ny SMA. Ny tsirairay avy dia nila 170 tapitrisa KGS (1,97 tapitrisa dôlara amerikàna) nividianana Zolgensma sy niatrehana fotoana iray fitsaboana tarazo, volabe tsy hita avanavana tokoa ho an'ireo ankohonana salantsalany ao Kirgizistàna.
Noho ny tsy fisian'ny fanampiana avy amin'ny fanjakàna ho an'ireo marary tahaka izany, ary ny fahafohezan'ny fotoana, nitady fanampiana avy amin'ny daholobe ny fianakavian-dry zareo, nanamarika araka izany ny fiantombohan'ilay fanentanana nidadasika indrindra sy haingana indrindra teo amin'ny tantaran'i Kirgizistàna.
Ny niantombohan'izany rehetra izany dia fanampiana ho an'i Hamza, izay tamin'ny Novambra 2024, nanomboka fanangonana vola ny ray aman-dreniny saingy tsy nahavita nahangona vola firy talohan'ny Martsa. Tamin'ny 12 Martsa, vondrona iray ahitàna bilaogera malaza no nanomboka nilaza ny tantarany tany amin'ny kaonty Instagram-ndry zareo sy nandrisika ny olona hanampy hamonjena ny ainy.
Ny tena nalaza indrindra tamin-dry zareo dia i Atakul Zhalilov, mpanorina ilay masoivoho mpanao dokambarotra antsoina hoe Tez Kabar, sy i Askarbek Saparbek uulu, mpandraharaha iray miasa amin'ny indostrian'ny fanafarana sy famarotana fiara.
Tao anatin'ny andro telo, nihoatra ny 202 tapitrisa KGS (2,3 tapitrisa dôlara amerikàna) no voaangona ho an'i Hamza. Ny vola amboniny dia nakisaka ho amin'ny tranga mahazo an'i Aslan.
Indro ny ranty iray tao amin'ny Instagram niaraka tamin'ny fanambaràna hoe nahangona ny vola sahaza ho an'i Hamza ireo mpikarakara.
Ny 20 Martsa, tafakatra ho 420 tapitrsa KGS io antontam-bola io (4,9 tapitrisa dôlara amerikàna), izay nidika fa voaangona ihany koa ny vola sahaza ho an'i Aslan. Ny vola amboniny, 80 tapitrsa KGS (925.000 dôlara amerikàna), dia nafindra ho an'ny fanentanana fanangonana vola ho an'i Bayhan.
Indro ny ranty iray tao amin'ny Instagram manasongadina ireo olona mifaly taorian'ny nahangonana ny vola sahaza ho an'i Aslan.
Ny 23 Martsa, nambara fa natolotra ho an'i Bayhan ihany koa ny vola sahaza, izay namarana zavabita iray manan-tantara.
Ny nahafahana nanao izany dia ny asa nahomby nataon'ireo mpiasa an-tsitrapo, ny fandrakofana natao tamin'ny fampahalalambaovao, ary ny fandaminana ny fotoana, izay nifanojo tamin'ny volana masin'ny Ramadàny, vanimpotoana iray mifandray amin'ny fanaovana asa soa sy fiantràna.
Na izany aza, singa iray nanandanja ny fahavitrihan'ny fiarahamonina sivily, izay io angamba no matanjaka indrindra ao Azia Afovoany. Voarakitra tsara sy tena hita tanteraka nandritra ny krizin'ny COVID-19 tamin'ny 2020 ary ny fifandonana ara-tafika tamin'i Tajikistàna tamin'ny 2022 ny fahafahana tokamiavaka nananan'ireo vahoaka tao Kirgizistàna hifamory sy hiaraka hirona tao anaty fotoanan'ny krizy sy ny filàna.
Ny fanentanana fanangonana vola tamin'ny Martsa 2025 no ohatra iray tamin'izany. Nampiray an'ireo vahoaka Kirgizistàney avy amin'ny sokajin-taona, finoana, foko, faritra ary sokajin'asa rehetra izy iny. Tsy hoe vola ihany no nomen'ny olona, fa tao ihany koa ny ondry, soavaly, fiara, fiara fitaterana, firavaka, ary izay rehetra afaka amidy ho fandraisana anjara amin'ilay hetsika.
Indro ny ranty iray tao amin'ny Instagram momba ny fanomezana rameva sy ondry roa.
Indro ny ranty iray tao amin'ny Instagram momba ny fanolorana fiara.
Nihoatra lavitra noho ny tanjona napetraka ny fiantraikan'ilay fanentanana ho famonjena ankizy telo. Niteraka fifanakalozankevitra nanerana ny firenena ilay izy, momba ny fisian'ny fitsaboana hiadiana amin'ireo aretina tsy fahita firy sy ny hisorohana azy ireny. Ny ministeran'ny fahasalamàna dia efa nanambara sahady fa manomboka izao ny Tahirimbola Nasiônaly natokana ho an'ireo ankizy tratry ny homamiadana dia ho afindra hitondràna fanampiana ho an'ireo ankizy tratry ny aretina tsy fahita firy.
Notsipihan'ilay fanentanana ihany koa ny tsy fisian'ireo manampahaizana manokana sy ny fotodrafitrasa azo ampiasaina hitiliana sy hisorohana ireo aretina tarazo ary, ho fandrindràna fiainam-pianakaviana, ny filàna manaitra ireo ray aman-dreny mba hanao fitiliana tarazo.
Ny fanantenana izany izao dia ny hoe mba ho afaka hiaraka hiasa ny fanjakana sy ny fiarahamonina sivily ary hamorona rafitra fandraisana tolo-tànana manara-drafitra mba hanampiana bebe kokoa ireo ankizy mila tohana avy hatrany.