
Hoy ny ery aoriana, “Firenena reny matanjaka ity.” Ny sary dia nopihana nandritra ny lanonana fanokafana ny andiany faha-10 amin'ny Androm-Pirenena ho an'ny Fanabeazana momba ny Fiarovana, tamin'ny 1 Aprily 2025. Saripika: Kyle Lam/HKFP. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Kelly Ho no nanoratra ity tatitra ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 15 Aprily 2025. Ny dika nasiana fanovàna eto ambany dia navoaka ho ampahany anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
Nolazain'ny Ministeran'ny Fampianarana ao Hong Kong fa ireo sekoly no erỳ amin'ny “lohalaharana” amin'ny fisorohana ny fielezan'ny “fanoherana malefaka” satria noho ny tsaho an-tserasera dia mety hanefy soatoavina “mihoa-pefy sy mitanila” ireo mpianatra.
Tokony hamboly fitiavan-tanindrazana eny amin'ireo mpianatra ny sekoly ao Hong Kong ary hiroso amin'ny fanofanana ireo mpampianatra mba hisorohana ny “fidiran'ireo hery mpankahala tsy ho tafiditra any an-tsekoly” hoy ny sekretera misahana ny fanabeazana, Christine Choi, tamin'ny 15 Aprily, raha nanamarika ny andiany faha-10 amin'ny Androm-Pirenena ho an'ny fanabeazana momba ny fiarovana ny tao an-tanàna — andro iray manokana notondroin'ny National People Congress tamin'ny 1 Jolay 2015, mba hanairana ny sain'ny daholobe momba ny fiarovam-pirenena.
Ny “endrika mampididoza” an'ny fanoherana malefaka no nampitandreman'i Choi, tamin'ny filazàna azy io ho “mora miditra am-po sy ao an-tsaina.”
Notanisainy ny ohatra iray avy amin'ilay bokin-tsary navoakan'ilay sendikan'ireo ôrtôfônista, efa rava ankehitriny ary nolazainy fa ireo tantara, nambara ho nampisara-bazana tamin'ny 2022, dia nampiroborobo ny “toepo manohitra ny governemanta” teny anivon'ireo mpianatra izay “tsy mbola matotra ara-tsaina”.
Tonga hatrany amin'ny filazàna ireo tsaho an-tserasera ilay minisitra, tsaho izay nilaza “ireo hetsika fianarana ara-dalàna” ho toy ny “fanerena” ireo mpianatra hitsidika ny tanibe Sina sy “fanasàna atidoha” azy ireo. Amin'ny fiteny kantôney, hoy i Choi :
Mihinana am-bolony fotsiny ireny hafatra ireny ireo mpianatra, mamorona soatoavina mihoa-pefy, mitanila, na diso mihitsy aza.
Azo fitapitahina sy entanina ry zareo hanao zavatra tsy araka ny lalàna, hanelingelina ny filaminana sôsialy sy hanozongozona ny fiarovam-pirenena. Tena henjana be ny fiantraikany.
Vao haingana ny sekretera misahana ny fiarovana no nilaza hoe misy olona mampiasa olana tsy misy ifandraisany amin'ny fiarovam-pirenena mba “hampisaraham-bazana ny fiarahamonina” sy hiantsiana “fankahalàna ny governemanta SAR sy ny governemanta foibe”
Avy eo izy niampanga tomponandraikitra iray fahiny niandraikitra ny fanadinana ho nanely tsaho tamin'ny alàlan'ny media sôsialy ‘Edu Lancet’ momba ny fahafatesan'ny mpianatra iray taminà lisea nandritra ny fitsidihana naraham-panovozam-pahalalàna tany amin'ny tanibe Sina. Ilay tale fahiny nisahana ny taranja tao amin'ny Hong Kong Examinations and Assessment Authority (HKEAA), Hans Yeung no mitantana io famoaham-baovao io ao amin'ny Facebook, Instagram, ary ny Threads. Nokianin'i Tang mafy mihitsy ilay famoaham-baovao tamin'ny filazàna fa hoe noho ny “fanerena” ireo mpianatra handray anjara taminà fitsangantsanganana fifanakalozana niampita ny sisintany no niteraka ilay zava-nitranga.
Nilaza i Choi fa namoaka fandaharanasa fiofànana isankarazany ny Biraon'ny Fanabeazana mba hanatsaran'ireo mpampianatra ny fahafahan-dry zareo mitily ny “fanoherana malefaka”.
Takiana amin'ireo sekoly ny hanatsofohana fanabeazana nasiônaly ho ao anatin'ny fampianaran-dry zareo isanandro mba hanamafisana ny “fahatokiana ara-kolontsaina, ny maripamantanana nasiônaly, ary ny fahatsiarovantenan'ireo mpianatra mba hitandremana ny fiarovam-pirenena.”
“Ny andian-taranaka tanora no hoavintsika, ary ireo sekoly no ery amin'ny lohalaharana amin'ny fisorohana ny fanoherana malefaka,” hoy ny notsindrian'ilay minisitra.
Nanomboka tamin'ny 2021, ireo manampahefana ao ao amin'ny governemanta dia nitanisa ny “fanoherana malefaka” ho toy ny loza iray mitatao ho an'ny fiarovam-pirenena, nefa tsy nomen-dry zareo ny famaritana mazava ilay teny.
Ankoatra ireo boky ho an'ny ankizy nitarika fampidirana am-ponja 19 volana an'ireo ôrtôfônista dimy tamin'ny 2022, ohatra iray hafa amin'ny resaka “fanoherana malefaka” notanisain'ireo manampahefana ao an-tanàna ny andiana fahadisoana tamin'ny hiram-pirenena tamin'ireo hetsika lalao iraisam-pirenena.
Tamin'ireny tranga ireny, diso ireo mpikarakara tany ivelany tamin'ny fandefasana ny hiran'ny fanoherana tamin'ny 2019 “Voninahitra ho an'i Hong Kong,” fa tsy ny hiram-pirenena'i Sina — izay an'i Hong Kong rahateo ihany koa — “Matson'ireo mpirotsaka an-tsitrapo.”