
“Pikantsary” vehivavy antitra iray tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Dadaab, avy ao amin'ny fanadihadiana an'ny Radio Dadaab nataon'ny Fitsarana ny tontolo iainana (EJF), fampiasàna nahazoana alalana.
Ao amin'ilay fanadihadiana an'ny Radio Dadaab, novokarin'ny Fitsarana ny Tontolo Iainana (EJF), nanamarika i FardowSa Sirat Gele hoe: “Tamin'ny taona 1991, ireo olona ireo dia nandositra nandritra ny ady an-trano tao Sômalia. Fa tamin'ity in-dray mandeha ity, olona maro kokoa no hitantsika mandositra an'i Somalia noho ny haintany. “
Sirat, 25 taona, mpanao gazety mpitsoa-ponenana avy any amin'ny tobin'i Dadaab, ilay toby any Kenya lehibe indrindra manerantany ho an'ny mpitsoa-ponenana any akaikin'ny sisintanin'i Sômalia, no manome fahatakarana ny fanamby atrehan'ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny toby. Ilay horonantsary fanadihadiana, izay novokarina nandritra ny fitsidihan'ny EJF tany amin'ilay toby, dia nitantara zavatra maromaro niainan'ireo mpitsoa-ponenana ary mampiseho ny fomba nahatonga ireo trangana toetrandro mahery vaika, vao mainka nohamafisin'ny fiovan'ny toetrandro, nitarika ny fitomboana niezinezina tamin'ny fifindramonina sy ny fifindràna toerana. Ambaran'ilay fanadihadiana ihany koa ireo rohy misy amin'ny fihafanan'ny tany manerantany sy ireo andian-taranaka maro nifindra monina.
Tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Dadaab

Ankizy ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Dadaab. Saripika an'ny EJF, fampiasàna nahazoana alàlana.
Ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Dadaab any Kenya dia fonenan'ny mpitsoa-ponenana maherin'ny 300.000, indrindra fa avy any Somalia, ary koa avy any amin'ny faritra hafa any Afrika. Na afaka mahazo ireo filàna fototra toy ny sakafo, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny varotra ary ny fialamboly aza ireo olona mipetraka ao amin'ilay toby, ny fivezivezen-dry zareo kosa dia voafetra ho ao anatin'ny 50 kilometatra (tokony ho 31 kilaometatra) ao amin'ny toby. Tsy avela hanorina toeram-ponenana maharitra ireo mpitsoa-ponenana, ary ny olona toa an'i Serat, izay teraka sy nobeazina tao an-toby, dia miatrika fanamby lalina momba ny maha-izy azy. Tsy mamoaka taratasy fanamarinam-pahaterahana ho an'ireny olona ireny ny governemanta keniàna, ary noho ny ady maharitra sy ny fifandirana tao Somalia, izay nirehitra am-polony taona maro, dia tsy safidy ny fiverenana any amin'ny firenena niaviany mba hahazoana antontan-taratasy.
Nandritra izany fotoana izany, tamin'ny 2022 ; nandàny ny Lalàna 2021 momba ireo mpitsoa-ponenana ny governemanta keniàna, izay milaza fa ilay tobin'ny mpitsoa-ponenana dia havadika ho toeram-ponenana tsy misaraka, ka araka izany dia miteraka hirika hampidirana ireo mpitsoa-ponenana ho ao anatin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano azy. Ilay Lalàna dia manome ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny fahalalahana mivezivezy, ny zo hiasa ary ny fahafahana mahazo ireo tolotra ara-bola, ankoatra ireo zo hafa.

Fomba fijery an'habakabaka ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Dadaab. Saripikan'ny EJF, fampiasàna nahazoana alalana.
Fiantraikan'ny krizy ara-toetrandro
Mitombo ny isan'ny olona nafindra monina tao anatin'ny fireneny. Teo anelanelan'ny 2013 sy 2023, ny toetrandro nahery vaika dia nahatonga famindràna toerana isan-taona olona 23.6 tapitrisa eo ho eo eran'izao tontolo izao ao anatin'ny firenen'izy ireo ihany; nahatratra 32.6 tapitrisa tamin'ny 2022 ny famindràna anatiny fotsiny. Asehon'ilay tatitra ny fiantraikan'ireo trangan-javatra mahatsiravina ireo, ary koa ny tantaram-piainan'ireo andian-taranaka mpitsoa-ponenana noho ny toetrandro, ary amin'ny teniny manokana, matetika no vao sambany ny maro amin'ireny.
Tena tsapa mafy tao amin'ny faritry ny tandrok'i Afrika ny vokatry ny fiakaran'ny hafanana maneran-tany, izay ireo Sômaliàna mpitsoa-ponenana no lohalaharana miatrika ny krizin'ny toetrandro, na tsy dia mandray anjara amin'ny famoahana entona karbônina manakorontana ny toetrandro aza ry zareo. Tamin'ny taona 2019, zara raha iray ampahadimin'ny an'ny Vondrona Eorôpeana ny taha karbônina isam-batan'olona nananan'i Somalia ary ny kaontinanta afrikàna manontolo dia tsy mamokatra afa-tsy manodidina ny 3.8% ny famoahana entona miteraka hafanàna manerantany. Mandritra izany fotoana izany, navoitran'ny lasitra momba ny toetrandro fa araka ny tombana antonontonony kokoa, noho ny fiovan'ny toetrandro ateraky ny ataon'ny olombelona, ireo tranga toy ny haintany izay namely ny tandrok'i Afrika dia in-100 mahery ny vintana mety hisiany.
Ny vokadratsy mandravarava naterak'ity toe-javatra ity teo amin'ny fiainan'ny olona dia porofoin'ireo mponina ao amin'ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana ao Dadaab, izay nohosorana ho “fonja mitafo lanitra”, hoy ny tati-baovaon'ny EJF. Tany am-boalohany dia natao mba handraisana olona 90.000 ilay toby, indrindra fa ireo Sômaliàna mpitsoa-ponenana nandositra ny ady an-trano tao Sômalia tamin'ny taona 1991.
Na izany aza, araka ny tatitr'ilay ONG, dia nitombo avo telo heny sy sasany ny isan'ny mponina hatramin'izay. Teo anelanelan'ny 2022 sy 2023, i Dadaab dia niaina fitomboan'ny isan'ireo mpitsoa-ponenana noho ny tondradrano sy ny fifandirana, izay nahatonga ny isan'ny mponina tao amin'ny toby nisy 234.000 tamin'ny Jolay 2022 ho tafakatra 320000 ny Martsa 2023.
Tamin'ny 2024, ny tondradrano nahery vaika tao Afrika Atsinanana dia namindra Sômaliàna marobe mpitsoa-ponenana, nanery azy ireo hiaritra zava-tsarotra mitovy amin'izany tao amin'ilay toby keniàna ho an'ny mpitsoa-ponenana. Araka ny tatitra farany indrindra avy amin'ny EJF, mety hampitombo ny hamafin'ny krizy ireny raha tsy misy ny firotsahana an-tsehatra haingana sy fanohanana maharitra avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena.
Tamin'ny Septambra 2022, nitsidika ny toby Dadaab ny ekipa EJF, taorian'ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana noho ny toetrandro, ny betsaka indrindra tao anatin'ny am-polon-taona. Araka ny voaporofo ao anatin'ilay fanadihadiana, nandritra ity dia ity, nambaran'ireo mponina tao Dadaab tamin'ny EJF ny fomba namonoan'ny haintany ny biby fiompiny sy nanimbàny ny voly, ary nanereny azy ireo handao ny tranony sy hitady fialofana.
Halima Hassan Ibrahim, renim-pianakaviana iray mananontena, izay manana kilema, manana zanaka fito, sy mipetraka ao Dadaab, no nilaza tamin'ilay ONG hoe : “Nanana ombivavy folo sy osy dimampolo izahay. Maty daholo ireo ombivavy sy ireo osy ary rava avokoa ny zavatra rehetra. Ho an'ireo zanako, sady ray aho no reny, ary tsy manana na inona na inona ho azy ireo aho.”
Araka ny filazan'ny EJF, niharatsy ny toe-javatra nanomboka teo, izay ahitana olona maherin'ny 23,5 tapitrisa mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin'ilay faritra nandritra ny naha-henjana ny haintany tamin'ny May 2023. Olona 8,25 tapitrisa tao Sômalia – saika ny antsasaky ny mponina ao amin'ny firenena – no mila fanampiana ho tafavoaka velona, ary olona 43.000 no maty, ka ankizy latsaky ny 5 taona ny antsasak'ireo maty.
Iarahana miatrika ity krizy ity
Mba hamahàna ny haintany, ny governemanta federaly ao Sômalia dia nanangana andiana hetsika ara-bola hatramin'ny 420 tapitrisa dôlara amerikàna, famatsiambola omen'ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin'izany ny tetikasa Fiatrehana an-tanàndehibe ao Sômalia (Nagaad), izay nanomezana fanampiana vonjimaika sy fanampiana vola ho an'ny olona 40.000 mahery izay nafindra toerana anatiny ka tonga tany amin'ireo toby an-tanàn-dehibe izay efa tototra tafahoatra toa an'i Mogadishu, Baidasa ary Garowe.
Steve Trent, filoha tale jeneraly sady mpanorina ny Orina Rariny Ara-Tontolo Iainana, no namarika tamin'ny imailaka ho an'i Global Voices fa :
Ireo famoizana aina marobe, ireo famindràna an-tery sy ireo fijaliana midadasika vokatry ny olan'ny toetrandro, navoitran'ny tatitra nataonay, dia safidy. Mavitrika misafidy io làlana io ireo Filoha Tale Jeneralin'ireo orinasa mamokatra solika fôsily, izay manome lanja kokoa ny tombony raha miohatra amin'ny olona, sy ireo mpitarika eran'izao tontolo izao izay tsy nahavita nanatanteraka ny fanovàna maika ilaintsika. Fotoana izao mba hanoritana iray hafa, ary hanaovan'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena hetsika haingana sy hentitra. Angatahanay ny fenitra iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ireo mpitsoa-ponenana mba hampiditra sy hiaro ireo mpitsoa-ponenana vokatry ny toetrandro. Tsy manam-potoana ho ariana isika rehefa mikasika ny fanenàna ny entona karbônina maneran-tany, sy ny fanalefahana ny fiakaran'ny hafanana ary ny fanajàna ireo zo fototr'ireo olona tena voakasiky ny olan'ny toetrandro.
Fardowsa Sirat Gele, mpanao gazety ho an'ny Radio Gourgaar, no namarana hoe:
Manaitra mafy ny tsy rariny: ireo izay namokatra ny kely indrindra amin'ny famoahana entona eran-tany no voalohany mizaka ny tsy eran'ny aina. Tsy manao afa-tsy ny vao mainka mampitombo ny hantsana eo amin'ny firenena manankerena sy ny mahantra ny tsy firaharahana io antso maika io, nefa koa vao mainka hampitombo ny fifandirana, ny fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana maneran-tany. Trosantsika amin'ireo tena marefo indrindra – ary amin'ny taranaka ho avy – ny hiatrehantsika ity krizy ity amim-pahasahiana sy ny fangorahana. Tena ilaina ny valinteny iraisan'ny manerantany – tsy ho fanalefahana ny fahavoazana amin'ny ho avy ihany fa hiarovana ihany koa ny rariny sy ny fangorahana manoloana ity fanamby maika ity. Andao hiaro ireo tena marefo sy hiantoka tontolo iray ahafahan'ny rehetra miroborobo.