
Takelaka famantaran-dalana eo amin'ny fidirana mankany Khanibodom. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Канибадам мой город часть 1” avy amin'ny fantsona YouTube You Frame. Fampiasana ara-drariny.
Tamin'ny taona 2024, niaina tao anatin'ny tahotra lalandava ny hovonoina ao an-tranony ny mponina ao Khanibodom, tanàna kely ao amin'ny faritanin'i Sughd avaratr'i Tajikistan. Tranga fito no niseho nandritra ny taona raha nisy andian-jiolahy namono sy nandroba fianakaviana iray manontolo ary niezaka naneho azy ireo ho adim-pianakaviana.
Tamin'ny 21 Desambra, fotoana fohy taorian'ny tranga roa vaovao, nanambara ny manampahefana fa nisambotra olona efatra voarohirohy, saingy tsy mbola nionona ny mponina. Efa nisambotra olona roa hafa voarohirohy ny polisy teo aloha ary nanasazy ny iray higadra 20 taona ary ny iray migadra mandra-pahafatiny, saingy mbola nitohy ihany ny famonoana, ka nanimba ny fahatokisan’ny vahoaka ny fampiharana ny lalàna.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny fisamborana ireo voarohirohy farany.
Tamin'ny faran'ny taona 2024, olona 23 avy amin'ny fianakaviana fito, anisan'izany ankizy valo no maty. Ny 28 ka hatramin'ny 29 martsa no nitrangan'ny heloka bevava voalohany tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Komil Yermatov akaikin'i Khanibodom.
Hita nihantona tao an-tranony kosa i Mukhiddin Sharifov, 65 taona. Hita faty ihany koa ny vadiny sy ny vinantovaviny ary ny zafikeliny roa lahy rehefa nokendaina. Ny petrakevitra tany am-boalohany dia hoe i Sharifov no tompon'andraikitra, saingy nolavina haingana izany rehefa hitan'ny manampahefana fa nangalarina avokoa ny vola sy ny volamena tao an-trano.
Nofy ratsy nandritra ny sivy volana ho an'ny mponina ao Khanibodom sy ny manodidina azy ny taorian'izay. Taorian'ny vono olona faharoa ny volana Aprily, izay nahitàna ny fahafatesan'i Muzaffar Urmonov, 70 taona sy ny vadiny Inoyat, nosamborin'ny polisy ny rahalahin'i Urmonov, Sharifjon Ashurov, 66 taona. Voaheloka higadra 20 taona an-tranomaizina izy tamin'ny 12 Desambra na dia nitalaho ho tsy manan-tsiny aza. Tsy nampitsahatra ny famonoana anefa ny fisamborana an'i Ashurov.
Ny alin'ny 28 mankamin'ny 29 May, fianakaviana roa samy hafa tao amin'ny tanàna Zhahonzeb sy Sanzhidzor mifanolo-bodirindrina akaikin'i Khanibodom no novonoina ka ankizy telo tao Sanzhidzor no hany afa-nandositra izany zava-nitranga izany. Voaheloka tamin'izany heloka bevava izany i Marat Satorov, mpiambina tao amin'ny sekoly iray teo an-toerana. Nomelohin’ny fitsarana izy ny volana novambra ka voaheloka higadra mandra-pahafatiny. Tsy nampitsahatra ny famonoana ihany koa ny fisamborana an'i Satorov, ary fianakaviana roa hafa indray no nisy namono tamin'ny volana Desambra tamin'ny fomba mitovy amin'ireo tranga teo aloha, ka niteraka fisalasalana raha tena voasambotra tokoa ireo tena mpamono olona tsy an-kiato.
Manampy trotraka ny hatezerana sy ny tahotra ny fomba nitantanan'ny tompon’andraikitra ny sehatry ny serasera tamin’ny famotorana. Tamin'ny volana Aogositra vao nivoaka ny fanambaràna an-gazety ofisialy voalohany avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany momba ireo raharaha vono olona ary tsy nanao zavatra firy mba hanamaivanana ny ahiahy sy hampisy fitokisana amin'ny fahafahan'ny polisy miantoka ny filaminana. Nambaran'ny Minisitry ny Atitany Abdurahman Alamshozoda fa “mahazatra” ireo raharaha vono olona ireo, fa tsy “mampihetsi-po”, ary raha kely indrindra dia adim-pianakaviana ny vono olona roa.
Nivoaka tamin'ny 18 Desambra ny fanambarana ofisialy faharoa avy amin'ny manampahefana, rehefa nihaona tamin'ny vahoaka ny governoran'i Sughd, Rajabboy Ahmadzoda mba hanome toky fa “miara-miasa akaiky ireo manam-pahaizana sy ny mpanao fanadihadiana avy amin'ny sampana isan-karazany mba hamaha olan'ny heloka bevava sy hanasazy ireo mpanao heloka bevava haingana araka izay tratra.”
Telo andro taty aoriana, ny 21 Desambra, nizara ny Biraon'ny Fampanoavana fa olona efatra voarohirohy, samy mponina ao Khanibodom sy tanàna manodidina rehetra, no nosamborina, ka nanambara ny anaran'izy ireo sy ny taonan'izy ireo. Voalaza fa efa nigadra ny telo tamin’izy ireo, na dia tsy fantatra mazava aza izay heloka bevava nanamelohana azy ireo. Nandà ny fiampangana ny fianakaviana sy ny mpiara-monina amin’ireo voarohirohy, ka mametraka fisalasalana amin’ny fahombiazan’ny fanadihadiana.
Ity misy lahatsary YouTube miaraka amin'ny havan'ireo voarohirohy mandà ny fiampangana.
Tsy nisy vokany ny fisamborana roa teo aloha. Mbola miely patrana ao Tajikistan ny fampijaliana ataon'ny sampan-draharahan'ny fampiharana ny lalàna, araka ny voalazan'ny Amnesty International. Araka izany, manoloana ny fitomboan'ny fitakian’ny besinimaro, mety misy ny fampijaliana ireo roa teo aloha sy ireo efatra voarohirohy mba hiaiky heloka.
Mandritra izany, miatrika izany amin'ny fialàna vonjimaika ny tanàna hiara-mipetraka amin'ny havana any amin'ny faritra hafa na amin'ny fananganana vondrona fisafoana mba hiarovana ny tenan'izy ireo ny mponin'i Khanibodom. Ny fanantenan'izy ireo amin'izao fotoana izao dia ny manantena fa tena tratran'ny polisy Tajik ireo nampihorohoro azy ireo nandritra ny folo volana farany.