Satria mihamaro ny governemanta erantany — isan'izany i Etazonia — tsy mitsahatra ny mampitombo ny fitondrana jadona, angatahanay ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamoninay izay nisedra fiainana tanaty famoretana mba hizara ny “feon-dry zareo avy amin'ny hoavy”. Anatin'ity fizaràna ataon'ny Global Voices Insights ity, hozarain'ireo mpandray fitenenana avy any Hong Kong, Azerbaijàna, Venezoelà ary Okraina ny niainan-dry zareo ireo dona sy zavamisy mihoatra ny mahazatra momba ny jadona, ary koa ireo tantaram-panoherana, hanolorany fatran-javamisy sy firaisankina tena anatin'ny fotoanany.
Araho izahay ao amin'ny YouTube Live amin'ny 16 Aprily 2025, amin'ny 10 ora maraina EDT/3 tolakandro GMT/4 tolakandro CET mandritra ny resadresaka iray hanasongadinana an'i :
Tanya Lokot, profesora mpiaramiasa ao amin'ny Digital Media and Society ao amin'ny Sekoly ambony fianarana momba ny fifandraisana ao amin'ny Oniversiten'ny Tanànan'i Dublin.
Samanta Azpurua, manampahaizana manokana amin'ny fifandraisana sady toniandahatsoratra mpandrindra ny ekipa Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices ary ny fikarohana sy fanofanana.
Lokman Tsui, mpikaroka mpiaramiasa ao amin'ny Citizen Lab an'ny Munk School of Global Affairs and Public Policy – Oniversiten'i Toronto, sady profesora mpanampy tao amin'ny Sekoly Fianarana Asan-gazety sy Fifandraisana ao amin'ny Oniversite Sinoa ao Hong Kong nanomboka ny 2014 ka hatramin'ny 2021.
Arzu Geybullayeva, mpanao gazety sady toniandahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Kaokazy Atsimo sy Tiorkia.
Tsy andrinay ny hahita anareo ho namanay amin'ny Alarobia 16 Aprily, amin'ny 10 ora maraina EDT/3 tolakandro GMT/4 tolakandro CET (potsiro eto hahitanao ny ora any amin'ny faritra misy anao).