
Vehivavy Nizeriana any Bida, Fanjakana Niger, Nizeria. Sary avy amin'ny Gates Foundation. Nahazoana alalana.
Mandrafitra ny antsasaky ny mponina 237,5 tapitrisa ny vehivavy ao Nizeria, tombanana ho 23 tapitrisa ny vehivavy mpandraharaha ao anatin'ny 41 isanjaton'ny orinasa madinika ao amin'ny firenena. Mametraka ny firenena Afrikana Andrefana ho anisan'ireo firenena ahitana taha ambony indrindra amin'ny vehivavy mpandraharaha manerantany izany. Mandray anjara amin'ny 37 isanjaton'ny harin-karena faobe ao amin'ny firenena ny orinasan'ny vehivavy, manasongadina ny andraikitra lehibe sahanin'ny ny vehivavy amin'ny fampivoarana ny toekaren'i Nizeria.
Na dia eo aza ny anjara asa lehibe sy mavitrika sahanin'ny vehivavy mpandraharaha amin'ny fampivoarana ny toekarena manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara, mampiseho ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisampirenena fa tsy dia mahomby ny orinasan'ny vehivavy raha oharina amin'ny orinasan'ny lehilahy noho ny sakana manokana amin'ny maha lahy na vavy.
Mahazo famatsiam-bola kely kokoa noho ny lehilahy namany ny vehivavy mpandraharaha. Milaza ny fikarohana fa tsy nahazo afa-tsy 14,5 isanjaton'ny renivola erantany tamin'ny taona 2021 ny startup notarihin'ny vehivavy, ary 85,5 isanjato ho an'ny ekipa tarihin'ny lehilahy. Vao mainka miharihary kokoa ao anatin'ny tsena vao misondrotra ity tsy fitoviana ity, izay tsy ahazoan'ny startup tarihin'ny vehivavy afa-tsy 7 isanjaton'ny renivola .
Fanamby atrehin'ireo vehivavy mpandraharaha Nizeriana
Hitan'ny fanadihadiana notontosain'ny Gates Foundation natao tamin'ireo vehivavy 100.000 tany Nizeria ny tsy fahampian'ny renivola ho an'ny startup na fitaovana fanombohana ho antony voalohany manakana ny 62 isanjaton'ny vehivavy tsy hahatratra ny hambony ara-toekarena .
Araka ny tatitra nataon'ny orinasa teknolojia ara-bola Nizeriana (fintech) Moniepoint, 16,7 isanjaton'ny vehivavy ihany no miezaka hahazo fampindramam-bola avy amin'ny orinasa ara-bola, na dia eo aza ny angon-drakitra fampindramam-bola mampiseho fa latsaka 2,5 noho ny an'ny lehilahy ny fampindramam-bolan'ny vehivavy. Nasongadin'ny tatitra ny olana toy ny fitongilanana tsy takatry ny amparahatoka, ny teritery ara-tsosialy sy ny fahazarana ara-bola, ary ny tsy fahampian'ny fanentanana ho toy ny fanamby lehibe amin'ny famatsiam-bola atrehin'ny orinasam-behivavy.
Matetika ny maro amin'ireo banky Nizeriana no mitaky tany na fananana ho antoka, saingy ny fenitra ara-pandovàna avy amin'ny ray mankany amin'ny zanakalahy no midìka fa zara raha ary fananana ny vehivavy. 37 isanjaton'ny vehivavy any Afrika atsimon'i Sahara ihany no manana kaonty any amin'ny banky, mainka moa fa ny fananana mifaka, izay mametra ny fahazoany mindram-bola.
Matetika tsy voasoratra anarana ara-dalàna na manana fintanana an-tsoratra ara-bola ny vehivavy mpandraharaha, indrindra any ambanivohitra, izay fepetra fototry ny fampindramam-bolan'ny banky. Manasongadina ny tatitra nataon'ny Businessday fa tsy tafiditra amin'ny tsenan'ny findramam-bola ara-dalàna ny 98 isanjaton'ny vehivavy Nizeriana, amin'ny ampahany noho ny tsy fahaizana mitantam-bola sy ny fahasarotan'ny fangatahana izay manome vahana ny lehilahy ara-paika.
Nahoana no zava-dehibe ny mameno ny banga amin'ny fampiasam-bola
Zava-dehibe ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy mpandraharaha any Nizeria mitovy amin'ny lehilahy noho ny antony ara-toekarena, sosialy ary fampandrosoana. Manasongadina ny fikarohana nataon'ny Gates Foundation fa mampiasa indray ny vola miditra aminy amin'ny fahasalaman'ny fianakaviana sy ny fanabeazana ny vehivavy, ka miteraka vokatra maharitra mampihena ny fahantrana amin'ny lafiny maro. Mampitombo ny fahafahany miasa sy ny fahefana mandray fanapahan-kevitra ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy. Ahafahan'ny vehivavy mahazo fahaleovantena ara-bola, manabe ny zanany, ary mahaika ny fenitry ny fanjakazakan-dehilahy izany, ho tombotsoan'ny fiarahamonina. Mety hampitombo 6 000 miliara dolara amin'ny harin-karena manerantany ny famenoana ny banga amin'ny famatsiam-bola 1.7 miliara dolara ho an'ny vehivavy.
Raha olana maneran-tany ny fanamby amin'ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola amin'ny orinasa tarihin'ny vehivavy, dia miezaka manatsara ny fanohanany ireo vehivavy mpandraharaha any Nizeria ny vondrom-piarovana.
Nanamarika i Fifehan Osikanlu, tamin'ny lahateniny tao amin'ny webinar iray mitondra ny lohateny hoe “Fanomezan-kery ara-toekarena ho an'ny vehivavy” nokarakarain'ny Gatefield, mpandraharaha Nizeriana sady mpiaro ny fampiroboroboana ny toekarena ho an'ny vehivavy hoe.
While access to financial and digital resources is essential, it is not enough — true empowerment requires financial literacy, digital skills, and policies that meet women where they are. We must move beyond inclusion to ownership, investment, and leadership, ensuring women not only participate in economies but also drive and shape them. This is about power, autonomy, and legacy — transforming families, communities, mindsets, and economies.
Raha ilaina ny fidirana amin'ny loharanon-karena ara-bola sy nomerika, dia tsy ampy izany — mila fahaizana mitantam-bola, fahaizana nomerika ary politika mifanaraka amin'ny toerana misy azy ireo ny tena fanomezan-danja ny vehivavy. Tsy maintsy mandroso mihoatra ny fampidirana isika ary mampiditra ny fananana, ny fampiasam-bola ary ny fitarihana, ka miantoka fa tsy mandray anjara amin'ny toekarena fotsiny ny vehivavy fa mitarika sy mamolavola izany koa. Mikasika ny fahefana, ny fizakan-tena ary ny famindrana lova izany — manova ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny toe-tsaina ary ny toe-karena.
Na dia nanao dingana aza ny governemanta Nizeriana tamin'ny alalan'ny famatsiam-bola voakendry, ny fiaraha-miasa ary ny fanohanana ara-politika mba hanatsarana ny fidiram-bolan'ny vehivavy mpandraharaha, mbola zava-dehibe ny fampitomboana ireo ezaka ireo sy ny famahana ireo sakana mahazatra mba hampitombo ny tanjak'izy ireo ara-toekarena.