Fanontaniana sy valiny: Fantaro i Musah Fuseini, mpikatroka ho an'ny fiteny Dagbani

Saripikan'i Musah Fuseini, natolotr'i Musah Fuseini. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Asongadin'ity andian-dahatsoratra ity ny dia manokana ataon'ireo Wikimediana sady mpikatroka ho an'ny fiteny ihany koa, mitrandraka ny fomba ataon-dry zareo hitahirizana, hampiroboroboana, ary hanomezana aina vao ny fitenin-dry zareo amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia, amin'ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika hanatratrarany ireo tanjony midadasika kokoa. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, Subhashish Panigrahi dia nitafa tamin'ilay Ganeana, Musah Fuseini, izay mandray anjara amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Ny Dagbani dia ifampitenenan'ireo olona mihoatra ny iray tapitrisa ao Ganà sy any avaratr'i Togo. Nasiam-panovàna ilay tafatafa mba ho fohy sy hazava kokoa.

Rising Voices (RV): Azafady, mba lazao anay ny mombamomba anao.

Musah Fuseini (MF): Musah Fuseini no anarako, mpampianatra ny fiteny Dagbani, Wikimediana, mpankafy ny Open Educational Resources (OER), ary indizeny mpikatroka ho an'ny fiteny. Nandritra ny 17 taona, nampianatra tao anatin'ny rafi-panabeazana ganeana aho. Ankoatra ny fampianarana ny fiteny Dagbani, dia tale lefitra ao amin'ny sekoly ampianarako ihany koa aho. Ampiasaiko ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani hikarohana antontan-kevitra fakàna hevitra rehefa manomana ireo lesona Dagbani aho. Tarihako ihany koa ireo mpianatro ho any amin'ny Wikipedia mba ho afa-miditra amin'ireo loharanon-kevitra rehefa mamita ireo asa anendrena an-dry zareo.

RV: Ahoana ny sata amin'izao fotoana ananan'ny fiteninareo eny an-tambajotra sy ivelan'ny aterineto?

MF: Tsy dia hita loatra anaty tambajotra ny fiteny Dagbani. Tranonkala vitsivitsy monja, toy ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani no manana votoaty amin'ilay fiteny. Tsy dia betsaka ihany koa ireo mpitsidika hitantsika satria ny ankamaroan'ireo mpiteny Dagbani dia tsy ampy fahafehezana ny fiteny Dagbani. Vitsy ireo tranonkala mamoaka votoaty amin'ny fiteny Dagbani ary maro no efa nanjavona. Ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani no heveriko ho tranonkala manokan-tena sy mavitrika indrindra manao votoaty amin'ny fiteninay. Izahay rehetra, mpamoaka lahatsoratra miasa an-tsitrapo, dia mamoaka daholo ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Na izany aza, ny olana dia mitoetra amin'ny tsy fahampian'ny mpitsidika satria ny ankamaroan'ireo mpiteny ny Dagbani dia tsy ampy traikefa amin'ilay fiteny. Io olana io no nanosika ahy hisoratra anarana tamin'ny fandaharanasa Open Education for a Better World (OE4BW) mba hamorona OER (Open Educational Resources) ary hanampy ny hafa hamaky sy hanoratra amin'ny fiteny Dagbani.

RV: Inona no tena manosika anao manokana hirotsaka an-tsehatra amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteninao?

MF: Ireharehàko ny fananako hirika mandray anjara amin'ny sehatra nomerika toy ny Wikipedia mba hampiroboroboana sy hitahirizana ny fiteniko ety an-tambajotra ho an'ireo taranaka hoavy. Amin'ny maha-mpampianatra ny fiteny Dagbani ahy, tsikaritro fa, tety anaty tambajotra, tsy nisy loharanom-pampianarana sy fianarana sahaza ho an'ireo hafa mpampianatra sy mpianatra ny fiteny Dagbani. Araka izany, rehefa tafiditra tao amin'ny Wikipedia aho, tsapako fa azoko atao ho fanoitra ilay izy mba hamenoana io banga io.

Ny nahalalàko ny momba ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani dia tamin'ny alàlan'i Sadik Shahadu, tale mpanatanteraka amin'izao fotoana izao ao amin'ny Vondron'ireo Wikimediana mpampiasa ny fiteny Dagbani. Tamin'izany izy dia nizara tao amin'ny Facebook momba ny fitadiavana mpirotsaka an-tsitrapo ho mpamoaka lahatsotra ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani. Nifandray taminy aho, naneho ny fahalianako ary nandray ahy sy ireo mpiara-miasa amiko izy tamin'ny alàlan'ireo andiana fiofanana. Ny tetikasanay voalohany dia ny fandikana ireo hafatra sasany tao amin'ny Translatewiki.Net. Nanofanana anay ny fomba fanovàna ao amin'ny Wikipedia sy famoronana lahatsoratra bebe kokoa ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani, ary avy eo tao anaty fikotrehana. Tanaty fotoana tena fohy no nanaovanay izany, ka nahafahanay niala ny tetezamita avy any amin'ny fikotrehana ary nankany amin'ny Wikimedia mivantana sy feno. Araka izany dia nanam-bintana aho ho iray amin'ireo mpikambana nanorina ilay Vondron'ny Mpampiasa izay nandray anjara ihany koa nametraka votoaty ho an'ny Fikotrehana ny Wikipedia amin'ny fiteny Dagbani, tamin'ny fanampiana azy hisondrotra ho Wikipedia an-tambajotra. Ireharehàko ny maha-mpamoaka lahatsoratra ahy ao amin'ny Vondronay Mpampiasa ary ny nahatratrarana fanovàna niisa 1.000 tao amin'ny Wikipedia.

RV: Afaka soritanao amin'ny antsipirihany ve ny fikatrohanao an-tambajotra ho an'ny fiteny, isan'izany ny fomba andraisan'ireo tetikasa Wikimedia anjara anatin'ireo ezaka ataonao?

MF: Ankoatra ny fandraisako anjara amin'ny Wikipedia sy ireo tetikasa hafan'ny Wikimedia amin'ny fiteny Dagbani, izay tena ankafiziko tokoa, dia manoratra ihany koa ao amin'ny tambajotra sôsialy aho amin'ny/momba ny fiteniko. Antenaiko ny hamoaka tranonkala iray vaovao amin'ny fiteny Dagbani manontolo mba hisian'ny votoaty amin'ny fiteny Dagbani bebe kokoa ety anaty tambajotra. Nanomboka tamin'ny 2022, fandaharanasa telo nisesy an'ny Open Education for a Better World (OE4BW) no nandraisako anjara, izay nandrafetako Open Educational Resources (OERs) amin'ny fiteny Dagbani. Nanao ihany koa aho ny asa maha-mpitarika tetikasa tamin'ny Vondrompiarahamonina Wikimedia amin'ny fiteny Kusaal, manome tohana ara-teknika amin'ny fananganana Wikipedia amin'ny fiteny Kusaal ety an-tambajotra. Ny Kusaal dia afaka ampifanarahana tsara amin'ny Dagbani ary ampahany amin'ny vondron'ny fiteny Gur/Mabia ifampiresahan'olona 121.000, indrindra fa ao avaratr'i Ganà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.