
Sary an'i Arzu Geybullayeva noforoninia tamin'ny Canva Pro
Ny vaovao momba ilay ankizivavy kely niteraka tao an-tanànan'i Aghjabedi any Azerbaijàna no ohatra akaiky indrindra tena nandrotika fo momba ny tsy fahampian'ny rafitra fiarovana an'ireo tsy ampy taona sy ny tsy firaharahana raiki-tampisaka ataon'ireo manampahefana manoloana ny olan'ny fanambadiana aloha loatra sy ny fiterahana aloha loatra. Tamin'ity indray mandeha ity dia ankizivavy kely 15 taona no tao anivon'ilay tantara izay niteraka onjam-pahatairana nameno ny fiarahamonina, ary afaka madiodio tamin'ny resaka fanolanana ilay “vadiny” nanolana azy fony izy vao 13 taona monja. Na dia 18 taona aza no taona hanambadiana noferan'ny lalàna ao Azerbaijàna, nikarakara “fampakarambady” kely ny fiankavian-drazazavavy sy ny an'ilay nanolana, niarahana tamin'ireo havana akaiky, fotoana fohy monja taorian'ny nahafantarana fa nitondra vohoka ilay zazavavy. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny pôlisy no nahitàna fa efa niteraka sy niara-nonina tamin'ny fianakavian'ilay tovolahy ilay ankizivavy, ary noho ny fiheverana izany ho toejavatra afaka manamaivana ny vesatra, dia nomena sazy mihantona ilay tovolahy 24 taona nahavita ny heloka.
Ilay mpanao gazety, Ulviyya Ali, no voalohany nitatitra ny tantara, ary ny lahatsorany tao amin'ny Facebook no nampiseho ny fomba nahafantarany ilay raharaham-pitsaràna, efa tamin'ny 12 Martsa tamin'ity taona ity, nahakasika lehilahy iray teraka tamin'ny 2001 nanararaotra ara-nofo zazavavy iray tsy ampy taona teraka tamin'ny 2010 tao Agjabadi. Ny Novambra 2024 no voasambotra tamin'ny fomba ôfisialy ilay lehilahy. Araka ireo antontan-taratasin'ny fitsaràna, nosoratan'i Ali fa efa hatramin'ny May 2024 ilay lehilahy no niaraka tamin'ilay zaza. Nomen'i Ali antsipirihany ihany koa ny fomba nanilihan'ilay lehilahy, nandritra ny fakàna ambavany azy, ny rihitra rehetra ho any amin'ilay zazavavy.
Ny Aprily 2024 ireo mpivady no niroso tamin'ny fifamofoana ôfisialy iray natao tany an-tokantrano. Ary nilazàna izy ireo fa vantany vao fenon'ilay zazavavy ny taona noferan'ny lalàna momba ny fanorenan-tokantrano, dia afaka manao sonia amin'ny fomba ôfisialy ny antontan-taratasim-panambadiana ry zareo. Na izany aza, araka ny fijoroana vavolombelona nataon-dralehilahy teo anoloan'ny fitsaràna, ilay zazavavy no nisisika hanorina ankohonana miaraka aminy, sy nanery azy ho amin'izany, ary tsy nahafantatra izy hoe voararan'ny lalàna ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'olona latsaky ny 16 taona.
16 taona ny zazavavy sy zazalahy ao Azerbaijàna no atao hoe matotra ara-tsaina ka afaka manaiky, raha 18 taona kosa ny taonan'ny fanorenan-tokantrano ara-dalàna; io no zavanisy hatramin'ny 2011. Talohan'ny 2011, 17 taona ny taona ara-dalàna hahafahan'ny tovovavy miditra ny tokantrano ; taorian'izay, nakarina ho 18 (saingy nisy ny fanavahana nampiharina). Niaraka tamin'ireo fanavaozana vaovao, nesorina ireny fanavahana ireny, araka izany dia tsy maintsy feno 18 taona ny andaniny sy ny ankilany. Kanefa, ao Azerbaijàna ihany, vao 13-14 taona ireo ankizivavy dia efa miditra amin'ny fifamofoana, ary avy eo manambady tsy ara-dalàna eo amin'ny faha-15-16 taonany.
Amin'ity tranga ity, nitondra vohoka ilay zazavavy, ary taorian'ny nahafantaran'ny fianakaviana ny fitondràny vohoka, dia nampivadiany mangingiana izy roa ary nalefany ny zanany vavy hiara-hipetraka amin'ny fianakavian-dralehilahy. Taorian'ny fizahàna ara-pahasalamana fotsiny ihany, rehefa feno dimy volana ny kibon-drazazavavy, vao nampahafantatra ny pôlisy ireo dokotera rehefa nahalàla fa tsy ampy taona ary nitondra vohoka razazavavy.
Valinkafatra sy kiana
Tanaty antsafa iray nifanaovana tamin'ny OC Media, nilaza ilay mpisolovava mpiaro zon'olombelona, Fariz Namazli, fa tsy voamarina ny fiheverana ny vohok'ilay zazavavy ho toejavatra afaka manamaivana ny sazy. Ny mifanohitra amin'izay, nilaza i Namazli fa “tokony noraisina ho mampitombo vesatra ilay izy satria miteraka ambana goavana,” nampiany hoe, “‘ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'ny latsaky ny 16 taona, tsy nahazoana ny fanekeny, dia efa fandikàna lalàna,” araka ny lalàna Azerbaijaney.
Nolazain'i Namazli fa izay olona manao firaisana ara-nofo amin'ny tsy ampy taona (eo anelanelan'ny 12-14 taona) dia afaka ampidirina am-ponja 15 hatramin'ny 20 taona. Ary, anatin'ireo tranga hoe nisy ny fanekena, mety ho telo hatramin'ny enina taona ny fampidirana am-ponja, satria mbola miteraka andraikitra momba ny heloka bevava ihany ilay izy. Amin'ireo tranga roa ireo, ilay olona nahavita ny heloka dia afaka saziana ihany koa amin'ny “fandraràna azy tsy hitàna toerana sasantsasany na hanao asa sasantsasany ao anatin'ny telo taona.”
Mety nanaiky am-bava ilay tsy ampy taona, saingy mety tsy mahatakatra ny tena atin'ilay fanapahankevitra, hoy ny nampian'ilay mpisolovava.
Ilay feminista mpikatroka, Gulnara Mehdiyeva, izay mazàna no maharay fitarainana avy amin'ireo vegivavy manerana ny firenena momba ireo fanitsakitsahana henjana ny zo, sy ireo trangam-panararaotana an-tokantrano dia nilaza tamin'i Jam News fa tena voahitsakitsaka faran'izay henjana ny zon'ireo ankizy, saingy tsy vao izay no voalohany na ho farany, satria mila apetraka ny fanovàna ara-drafitra. “Tsy tranga maningana io, fa olana ara-drafitra. Mila mandeha lavitra ny fanjakàna, mihoatra noho ny fanasaziana sy mametraka fandaharanasa mikendry ny hanabe ireo tsy ampy taona ary mampivelatra ny fomba fijerin-dry zareo,” hoy i Mehtiyeva tamin'ny JamNews.
Ny talen'ny sekoly nianaran'ilay ankizivavy no hany olona tena tànana ho tomponandraikitra, hoy ny nosoratan'i Mehdiyeva tao amin'ny Facebook. Kamala Aghazade, filohan'ny fikambanan'ny Ankizy ao Azerbaijàna, no olona nitatitra tao anaty ranty iray tao amin'ny Facebook hoe nesorina tamin'ny andraikiny ilay talen-tsekoly noho ny “antsirambina” nataony tamin'ity raharaha ity. Nampametra-panontaniana an'i Mehdiyeva koa hoe nisy sa tsia tohana ara-tsaina nomena ilay zazavavy. “Na izany na tsy izany, mijanona ho tsy ampy taona foana ilay zazavavy ary afaka niteraka zaza iray hafa avy amin'io lehilahy io ihany,” hoy ilay mpikatroka nanamarika.
Tao anaty antsafa iray, i Samed Rahimli, mpisolovava, nilaza tamin'ny JAMnews fa ny ray aman-dreny koa tokony tànana ho tomponandraikitra araka ny lalàna mifehy ny ankohonana. Ny ray aman-drenin'ilay zazavavy “dia namela ny zanak'izy ireo hiharana heloka bevava iray,” ary noho izay dia tokony hotànana ho tomponandraikitra ihany koa ry zareo, hoy i Rahimli nanamarika.
Ny taona 18 noferan'ny lalàna ho afaka hanorenan-tokantrano dia vao haingana koa no natsofoka ho toy ny Lalàna ao amin'ny Repoblikan'i Azerbaijàna, laharana faha-1198-VIQD tamin'ny 28 Jona 2024, ary hanomboka hanan-kery amin'ny 1 Jolay amin'ity taona ity.
Misy tatitra iray vao haingana avy amin'ny Equality Now mametraka an'i Azerbaijàna ho isan'ireo firenena telo voalohany amin'ireo firenena ao Eorazia ahitàna “fa mbola mitoetra ho olana miparitaka sy tsy dia raharahaina loatra ny fampanambadiana ankizy, aloha loatra sy an-tery – Child, Early, and Forced Marriages (CEFM) “. Dinihan'ilay tatitra ny amin'i Armenia, Azerbaijàna, Zeôrzia, Kirgizistàna, Rosia, Tajikistàna, ary Ozbekistàna. “Manodidina ny 11 isanjato amin'ireo vehivavy eo anelanelan'ny 20-24 taona no nanambady alohan'ny faha-18 taonany,” hoy ny marihan'ilay tatitra, raha ny momba an'i Azerbaijàna.
Araka ny lazain'ny Vaomieran'ny Antontanisam-Panjakana ao Azerbaijàna dia 1.700 no fitambaran'ireo zazavavy teo anelanelan'ny 15–17 taona no niteraka tamin'ny taona 2023. Sambany vao niteraka ny 1.600 amin'izy ireo.