
Sary an'i Arzu Geybullayeva noforonina tamin'ny Canva Pro
Tamin'ny 25 Martsa, Rümeysa Öztürk, teratany Tiorka mpianatra 30 taona ary manomana Ph.D. ao amin'ny Oniversite Tufts ao Massachusetts, dia nosamborin'ny mpiasan'ny Immigration and Customs Enforcement (ICE) ao Etazonia teny akaikin'ny toerana fonenany ao Somerville. Nitranga ilay fisamborana raha iny i Öztürk teny an-dàlana handeha hihaona amin'ny namany sy hamarana ny fifadiankanina tamin'ny Ramadàny iny.
Nosamborina tsy nisy fampandrenesana mialoha nalefa tamin'ireo tomponandraikitry ny Oniversite Tufts i Öztürk. Na nisy aza didy navoakan'ny mpitsara federaly iray mitaky ny fandefasana fampilazana 48 ora mialoha ny hamoahana an'i Öztürk ivelan'i Massachusetts, dia nafindra ihany ho any amin'ny Central Louisiana ICE Processing Center ilay mpianatra. Araka ny nambaran'ny CNN, “Ny Zoma, [28 Martsa] namoaka didy ny mpitsara iray tao Boston tsy handroahana an'i Öztürk raha tsy efa afaka mamaritra izy hoe mahefa sa tsia hitsara ny maha-ara-dalàna ilay fitànana an'i Öztürk ny fitsaràna ao Boston — fanapahankevitra noderain'ireo mpisolovava an'i Öztürk.”
Öncü Keçeli, mpitondratenin'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany ao Tiorkia, dia nanamafy ireo ezaka ataon'ny governemanta tiorka hiantohana ny hamotsorana an'ilay mpianatra, isan'izany ny fanohanana araka ny lalàna sy avy amin'ny kaonsily. Araka ny tatitry ny CNN International, “Öztürk dia iray amin'ireo marobe mpianatra iraisampirenena eny amin'ny anjerimanontolo miatrika fandroahana taorian'ny didy navoakan'ny fitantanan'i Trump hamoritra ireo fihetsiketsehana mpomba ny Palestiniàna teny amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra.”
Ny fisamborana an'i Öztürk dia toa hoe misy nifandraisany tamina taratasy misokatra niarahany nanoratra tamin'ny taona lasa tao anatin'ny gazetin'ny mpianatra ao Tufts. Nangatahan'ireo mpanoratra “ny haneken'ilay oniversite ny fisian'ny fandripahana Palestiniàna, ny hanaovana fialantsiny noho ireo fanambaràn’ny filohan'ilay oniversite, Sunil Kumar, hamoahany ireo fampiasambolany [ny oniversite] ary ny hialàny tsy hampiasa vola amin'ireo orinasa manana fifandraisana mivantana na ankolaka amin'i Israely.”
Ho setrin'ny fisamborana an'i Öztürk, ny sekreteram-panjakana, Marco Rubio, dia nanosoka ny hoe nanao fitondrantena manakorontana izy. “Raha nangataka vizà hiditra an'i Etazonia ianao amin'ny maha-mpianatra, ary miteny aminay ianao fa ny antony hankanesanao aty Etazonia dia tsy ny faniriana hanoratra taratasy misokatra fotsiny, fa noho ianao maniry handray anjara amina fihetsiketsehana toy ny fanimbàna ny oniversite, ny filàna vaniny amin'ireo mpianatra, ny fibodoana ireo tranobe sy ny fanakorontanana, tsy hanome vizà anao izahay,” izany no toa hoe nolazain'i Rubio. I Tricia McLaughlin, mpitondratenin'ny Department of Homeland Security (DHS) dia niampanga an'i Öztürk ho “midera sy manohana mpampihorohoro.” Nisy ireo namana nilaza fa ankoatra ny niarahany nanoratra ilay taratasy misokatra, tsy nandray anjara tamina fihetsiketsehana mpomba ny Palestiniàna i Öztürk.
Ny 31 Martsa, namoaka fanambaràna iray ny Student Press Law Center ary fikambanana hafa 13 mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovana gazety, nanamelohan-dry zareo ny zava-manjo an'i Öztürk, tamin'ny fanoratana fa ny fototra itazonana azy dia “tsy firaharahàna miharihary ny fotokevitry ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety voalazan'ny Fanitsiana Voalohany.”
Nandritra izany fotoana izany, tao Tiorkia, Özgür Özel, mpitarika ny antoko lehibe mpanohitra, ny Antokom-Bahoaka Repoblikàna (CHP), dia nanameloka tamin'ny teny mahery ny fitazonana an'i Öztürk. Nisy ihany koa ireo pôlitisiàna hafa nanameloka ilay fitazonana, isan'ireny ny mpitarika ny antoko DEVA, Ali Babacan, izay nilaza fa “tsy heloka bevava ny nanohanana an'i Palestina fa fandraisana andraikitra manaraka ny feon'ny fieritreretana.” Nandritra ny fivoriana iray, Yılmaz Tunç, minisitry ny fitsaràna ao Tiorkia dia nanameloka ihany koa ny fitazonana an'i Öztürk, tamin'ny filazàna ilay fihetsika ho porofo fa “tsy misy ny fahalalahana misaina, ary tsy voahaja ny zon'olombelona any amin'ireo firenena lazaina fa demaokratika.”
Tamin'ny 3 Aprily, tao anaty antontan-taratasim-pitsaràna napetrany tamin'ny anaran'ilay mpianatra, ny filohan'ny oniverstie, Sunil Kumar, dia niaro an'i Öztürk. “Na iray aza, tsy ananan'ny oniversite ny vaovao hahafahana manohana ireo honohono momba ny maha-voarohirohy azy amina fihetsiketsehana ato amin'ny Tufts sy hanamarinana ny fisamborana ary fitazonana azy,” hoy ny nosoratan'i Kumar, araka ireo tatitra an-gazety.