
Sary namboarin'i Arzu Geybullayeva ho an'ny Global Voices tamin'ny Canva Pro.
Nanomboka tamin'ny 19 martsa, andro nitazonana ny ben'ny tanànan'i Istanbul Ekrem İmamoğlu, ny ankivy notarihan'ny mpanohitra tao Torkia. Nilaza tamin'ireo vahoaka nivory teo ivelan'ny foiben'ny kaominina Istanbul i Özgür Özel, mpitarika ny Antokom-Bahoaka Repoblikana voalohany amin'ny fanoherana, mba hanao ankivy ireo fantsona fampahalalam-baovao mpomba ny governemanta sy ny lisitr'ireo orinasa mifandray amin'ny governemanta noho ny antony tsy nandefasan'ireo fantsom-pahitalavitra ireo ny vaovaon'ny fihetsiketsehana goavana.
Satria mbola nanohy nivory teo an-kianja ihany ny olona ny andro manaraka, nanamafy ny antso i Özel, nampiditra orinasa sy marika maro fanampiny izay nanohy nanao dokambarotra tamin'ny fantsona mpomba ny governemanta ary mangataka ny olona hanao ankivy ny vokatra. Nanangana tranonkala mihitsy aza ny antoko mpanohitra, izay voasakana andro vitsivitsy taty aoriana noho ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao heloka bevava momba ny fandriampahalemana.
Avy eo tamin'ny 1 aprily, nanampy ny antson'ny mpianatra manerana an'i Torkia i Özel niantso ny vahoaka rehetra hanao ankivy ara-toekarena mandritra ny tontolo andro. “Atsaharo ny fiantsenana rehetra! Tranombarotra, fivarotana anjotra, trano fisakafoana, lasantsy, kafe, aza mividy na inona na inona, ” hoy i Özel tamin'ny 1 aprily. Betsaka ny orinasa – kely na lehibe – manerana ny firenena no nanambara fa hanidy ny fivarotana sy tranokala e-varotra ho firaisankina. Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny Biraon'ny Fampanoavana ao Istanbul tamin'ny fanambarana tamin'ny 1 Aprily fa manomboka famotorana izy ireo, satria hoe “miteraka ‘fankahalana sy fanavakavahana’ sy ‘fandrisihana mampisara-bazana’ amin'ny fampitam-baovao mahazatra sy sosialy mikendry ny hanakantsakanana ny asa ara-toekarena” araka ny tatitry ny fampitam-baovao ao an-toerana ny natao, araka ny tati-baovao.
Ankoatra izany, nilaza ilay Norveziana mpihira sy mpamoron-kira Ane Brun fa nofoanany ny fampisehoana tokony ho ataony any Istanbul amin'ny Oktobra 2025. Tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Instagram, nilaza i Brun fa “tsy fotoana mety izao.” Araka ny tatitry ny Bianet, fiangavian'ny mpankafy ny hanafoana ny fampisehoana noho ny fitazonana sy ny fisamborana tany Tiorkia ka nahatonga azy handray andraikitra.
Nokarakarain'ny DBL Entertainment izay i Abdülkadir Özkan no tompony, ny fampisehoan'i Brun. Ny fanamarihana mampiady hevitra nataon'i Özkan tao amin'ny media sosialy momba ny antso hanaovana ankivy ho “famadihana” no nahatonga ny ankivy. Nilaza i Özkan taty aoriana fa, vokatry ny fanankianana nateraky ny lahatsorany, niala tamin'ny tetikasa rehetra ny orinasa.
Manindry mafy ny Torka mpankafy hanafoana ihany koa ny fampisehoan'i Muse, izay karakarain’io orinasa io ihany koa ary kasaina hatao amin’ny volana jona izao. Anisan’ireo mpanakanto hafa nasain'ny mpankafy hanatevin-daharana ny ankivy i Robbie Williams.
Nofoanana ihany koa ny fampisehoan'ilay Afrikana Tatsimo mpanao hatsikana, Trevor Noah, izay nokasaina ho atao amin'ny 23 aprily, na dia mbola tsy fantatra mazava na mifandraika amin'ny ankivy na tsia ny fanapahan-keviny.
Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny Minisitry ny Varotra ao Torkia, Ömer Bolat, fa mety hametraka “fitoriana fitakiana onitra” ireo orinasa iharan'ny ankivy, mandray ny antso hanaovana ankivy ho “fikasana tsy misy dikany”, ary mandrisika ny vahoaka hanao ny fiantsenàny efa nomanina mandritra ny andro manaraka, indrindra ny 2 Aprily.
A receipt that says “We are not buying or selling anything on April 2, 2025.” The rest of the receipt reads: “Justice — not found; Empathy — does not exist in the system; Conscience — removed from stock; Tears — on sale; Hope — stocks upgraded; Rights — being searched for; Mercy — based on product; Anger — lots in stock; Youth — sold.”
Rosia milaza hoe “Tsy mividy na mivarotra na inona na inona izahay ny 2 aprily 2025.” Mivaky toy izao ny rosia ambiny: “Ny rariny — tsy hita; Ny fangorahana — tsy misy ao amin’ny rafitra; Ny feon’ny fieritreretana — nesorina tamin’ny tahiry; Ranomaso — amidy; Fanantenana — tahiry nohavaozina; Zo — andalam-pikarohana; Famindrampo — mifototra amin’ny vokatra; Fahatezerana — be dia be; Tanora — namidy.”
Mandritra izany, hita any amin'ny media sosialy ny sary toy ny etsy ambony. Santionany vitsy monja amin'ireo korontana taratry ny kabarin'ny mpanohitra ara-politika sy ireo mpanao fihetsiketsehana ireo zavatra voatanisa ao amin'ny rosia. Iray amin'ireo teny filamatra nalaza nandritra ny fihetsiketsehana ny hoe, “Hak, Hukuk, Adalet” (Zo, Lalàna, Rariny). Ny teny hoe Famindrampo dia manondro ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena vao haingana hanitsy ny sazy an-tranomaizina ho an'olona 10 ahitana lehilahy roa voaheloka tamin'ny raharaha malaza mifandraika amin'ny Hizbullah, raha notazonina kosa ireo olona 1000 mahery notànana sy nosamborina taorian'ny fanombohan'ny fihetsiketsehana tamin'ny 19 martsa, anisan'izany ireo mpianatra 300 teo ho eo.
Ho setrin'ny antso ankivy, nilaza i Mehmet Uçum, mpanolotsaina ambony ny filoha fa “hetsika nokarakarain'ny imperialista” ireo antso ireo. Nodian'ny mpanolotsaina fanina tanteraka ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan vao haingana tamin'ny Janoary 2025, nandritra ny filankevitry ny governemanta hoe: “Iray amin'ny fomba mahomby hampandohalika ireo mivarotra entana lafo vidy ny fanaovana ankivy. Tombony tsara indrindra ho antsika hanoherana ireo mpanararaotra ireo ny fampiasana ny fahalalahantsika tsy hividy.” Niparitaka be tao amin'ny media sosialy ny rakitsarin'izany fanambaràna izany sy ny fanehoan-kevitra fa rehefa ny filoha no miteny dia ekena, fa rehefa ny vahoaka kosa dia tsy raharahiana.