
Ny mpanoratra, Jamaikàna mpiaro tontolo iainana sady mpanoratra tantara foronina, Diana McCaulay, fony mbola zaza nitsangantsangana teny amin'ilay faritra lavalava kely ao Palisadoes, Jamaika. Sary natolotra am-pitiavana avy amin'ny mpanoratra, fampiasàna nahazoana alàlana.
Nosoratan'i Diana McCaulay
Fanamarihan'ny mpamoaka lahasoratra: Tamin'ny 7 Martsa 2025 ity lahatsoratra ity no navoaka voalohany tao amin'ny Substack-n'ny mpanoratra; dika nasiana fanovàna ary nahazoana alàlana no averina avoaka etsy ambany.
Ity sary m njavozavo ity no entiko manomboka mba hanehoana fa mahakasika ahy manokana ny lanjan'io toerana io. Misy ireo hanaratsy izany, hilaza azy ho “fihetsehampo”, saingy fomba ahoana no hipoiran'ny fitiavan'ny olona iray sy ny fanajàny toerana? Io aho fony teo amin'ny roa taona tany ho any, teo amin'ilay faritra lavalava kely ao Palisadeos, niaraka tamin'ny nenitoa lehibe iray. Ho an'ireo tsy Jamaikàna saingy mamaky ity, ny Palisadoes tombolo dia faritra tany lava, kazarana saikinosy, izay niavian'ny seranana Kingston.
Fony mbola zaza, entin'ireo ray aman-dreny, raibe sy renibe ary nenito mankey amin'io torapasika io izaho sy ireo rahavaviko. Notorahanay vato ireo onja nanenjika anay, nandraoka akorandriaka izahay ary nihazakazaka teny rehetra teny. Tamin'izany andro izany, azonao natao ny mandeha an-tongotra tsotra fotsiny na mitingina fiara amin'ireo elanelana kely eny amin'ireo dongona, dia teo ho anay rehetra ny faratazan'ny morontsiraka sy ny masoandro mody.
Hetsika iray nandrisika ny fikatrohako ho an'ny tontol iainana ihanty koa ny torapasik'i Palisadoes rehefa hitako fa io torapasika io ihany koa no lasa toerana fanariana fako – tsy ireo potika fako no resahako, fa fako entina amin'ireo kamiao. Tokony hisy olona handray andraikitra, hoy aho, nijoro teo. Taty aoriana kely, rehefa lasa ho izaho io olona io, nanomboka hetsika fanadiovana torapasika tao Palisadoes ny Jamaica Environment Trust (JET) , ary rehefa lasa niha-natetika be ireny hetsika ireny ho an'ny faritra azo niasàna, dia nafindranay nankany amin'ny toerana iray antsoina hoe Fort Rocky, somary lavidavitra an'ilay faritra lavalava, iray kilaometatra sy sasany eo ho eo miala an'ilay tanàna manan-tantara Port Royal.
Fort Rocky dia toerana iray misoratra anaty lisitry ny tanonkala Jamaica National Heritage Trust. Tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 izy no noforonina ary nohatsaraina ntaonjato faha-20 lasa iny mba hanakanana ny fidiran'ireo sambo mpiady tsy hoe eo amin'ny seranana Kingston. Rehefa nifarana ny Ady Lehibe Faharoa dia nesorina ireo tafondro.
Tamin'izany fotoana izany, nambara ho Faritra Arovana ao Palisadoes/Port Royal eo ambanin'ny lalàna jamaikàna io faritra io, ary koa Faritra Mando Manandanja Erantany eo ambanin'ny Fifanarahana Ramsar an'ny Firenena Mikambana. Na misy aza ny fiarovana araka ny lalàna, nitohy ny fahasimbàna — fanamafisana ny morontsiraka eo anelanelan'i Harbour Head sy Gunboat Beach, ny fandripahana ireo honko noho ny antony isankarazany, ny fako avy amin'ireo lakandrano mivarina ao amin'ny seranana Kingston. Manao dian-tsokatra ny drafitra fitantanana.

Ny fahitàna an'i Lime Cay nopihana avy eo amin'ny torapasik'i Ft. Rocky. Saripika an'i Diana McCaulay, nahazoana alàlana.
Tamin'ny faran'ilay hetsika isantaona fanadiovana torapasika fanaon'ny JET, reraka sy main'ny masoandro, dia nihanika ilay manda fahiny aho, ary teo no nahita ny famirapiratan'ilay orontsiraka, Lime Cay ery an-dranomasina ery, sy ny Blue Mountains mijoalajoala teo aoriako. Ary azo an-tsaina ilay hoe Fort Rocky toy ny toerana iray ahafahan'ny rehetra tonga fotsiny hijery ranomasina, horotsirotsiany, hitety toerana tranainy iray ka hisaina izay nitranga taloha, angamba handehandeha hamakivaky ireo zavamaniry sy dongona, na mety hividy voanio amina mpivarotra iray.
Tamin'ny Ôktôbra 2017 izy no nambaran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Miralenta, Fialamboly ary Fanatanjahantena ao Jamaika ho faritra iray fialamboly. Tsy natao mihitsy ho hikarakaràna hetsika goavana fanao amin'ny alina ilay izy — faritra voafetra no ho an'ny fametrahana fiara, morontsiraka, ala honko matevina eny amin'ny sisin-dranomasina, sy zavamaniry hafa, izay misy ty fahita raha tsy ao an-toerana, ary torapasika fanatodizan'ireo sokatra. Na teo aza ireo fanoherana tamin'izany fotoana izany, dia nitohy natao ihany ilay tetikasa niaraka tamin'ny fanohanan'ny Masoivoho Nasiônaly ao Jamaika misahana ny tontolo Iainana sy ny Fitantanana ireo faritra arovana, ny National Environment and Planning Agency (NEPA). Nilamindamina ny zavatra rehetra nandritra ny fotoana fohy ary azo natao ny nanantena hoe mety ho hevitra iray goavana tsy hahita masoandro akory io.

Doka iray ho an'ny fety nokarakaraina tao Fort Rocky. Saripika an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.
Fa tsia. Tany am-piandohan'ity volana ity, tonga ireo bulldozers ary nitrongy ireo dongona, honko sy zavamaniry hafa, na teo aza ireo fitakian'ny drafitra ho fitantanana izay nahemotra lava, niaraka tamin'ny tsodranon'ny Ministeran'ny Kolontsaina, mba hanaovana fety iray antsoina hoe “Good Times” (Fotoana Mamy), voalahatra hatao ny 15 Martsa.
Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, tsy nisy na iray aza tamin'ireo masoivohom-panjakana voakasik'izany mba nitondra valinteny ôfisialy, fa ny honohono no mandeha hoe nisy didy fampiatoana navoakan'ny NEPA, izay, raha ny fenitra ho an'ireo rantsana mpandrindra ny tontolo iainana eto aminay, nalefa TAORIAN'NY efa nitrangàn'ireo fahavoazana.
Ny zavatra iray tsapako nandritra ny 28 taona nitarihako ny Jamaica Environment Trust dia ity: izay rehetra hetsika, na ratsy toa inona aza, na hatraiza ny ho famotehana sy ny ho fahatakaran'ny saina, dia afaka, sy ho arovana. Araka izany, efa reko sahady ireo fialantsiny, fanazavàna, familiviliana, ny fifanondrontondroana, ary ireo fampanantenana famerenana amin'ny laoniny sy ny tamberinandraikitra, izay tsy hisy ho tanteraka na iray aza. Niroso hatrany ilay fety. Ho asian'ireo mpiady “ho an'ny fampandrosoana” kazarana habaka handraraka ny solika sy ny fako ho any an-dranomasina. Angamba mety hisy honko vitsivitsy averina hovolena, ary hisy takela-pahatsiarovana. Kanefa, tsy azo ialàna fa, dia voahitsakitsaka indray ireo lalàna momba ny tontolo iainana, ary tsy hisy hiraharahaizany – ah tsia tsiiiaa.
Faly aho afaka niaraka niaina tamin'ireo Palisadoes, fony zaza, olondehibe ary amin'ny maha-mpikatroka. Atsy ho atsy, raha toa ireo masoivohom-panjakana eto amintsika tonga amin'izay nokasainy, dia angamba hijanona ho anaty saripika sy fahatsiarovana sisa ireo zavatra efa nisy teo taloha sy mendrika ny ho narovana araka ny lalàna.