
Sary namboarina tamin'ny fampiasana singa Canva Pro
Andro iraisampirenena ho an'ny vehivavy (IWD) ny 8 martsa, “Accelerate Action (Hafaingano ny Hetsika)” no lohahevitra tamin'ity taona 2025 ity. Araka ny Tatitra momba ny Hantsana eo amin'ny Lahy sy Vavy Manerantany (Global Gender Gap) nandritra ny Fifanakalozan-kevitra Ara-toekarena Manerantany taona 2024, haharitra hatramin'ny taona 2158 ny hahatongavana amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy raha jerena ny taham-pandrosoana efa misy. Ao anatin'izany toe-javatra izany, mifantoka amin'ny filàna maika “dingana haingana sy mafonja mba hanatrarana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy” ny IWD, sy ny “fampitomboana ny fotoana sy ny fahamehana amin'ny famahana ny sakana sy ny fitongilanana miverimberina atrehan'ny vehivavy, na eo amin'ny sehatra manokana na arakasa.”
Maro ny fomba hanaovana izany, mazava ho azy — ny fanomezan-danja ara-toekarena, ny fahazoa-miditra amin'ny sehatry ny fanabeazana, ny zavakanto sy ny fanatanjahantena, ny fampivelarana ny talenta isan-karazany, ary ny fanohanana ny vehivavy amin'ny sehatra toy ny STEM sy ny fambolena maharitra. Na izany aza, mifantoka amin'ny sehatra iray manokana: ireo sakana ara-drafitra manakana ny fandrosoan'ny vehivavy ao amin'ny faritra ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) Karaiba, Stand Up for Jamaica (SUFJ) – Mijoro ho an'i Jamaika (SUFJ).
Tamin'ny fanambaràna iray nozaraina tao amin'ny Bilaogin'i Petchary, nanazava ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona hoe: “Ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy [dia] fampahatsiahivana fa mbola tsy vita ny ady hitovian'ny lahy sy ny vavy. Avy amin'ny tsy fitovian-karama ka hatramin'ny fanavakavahana eny anivon'ny toeram-piasana sy ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy/vavy, manohy miatrika sakana ara-drafitra ny vehivavy manerana ny tany, ka anisan'izany ny any Jamaika. Tsy tokony ho saimbôlika io andro io; fa tokony ho antso ho amin'ny fanovana tena izy sy maharitra.”
“Niombon-kevitra tamin'ny fony manontolo i Petchary, ka nanampy hoe: “Tsy afaka mandroaka ireo fitsarana an-tendrony fahiny momba ny fanomezan-danja ny vehivavy isan-taona isika. Betsaka ireo vehivavy mamirapiratra sy vonona amin'ny ezaka amin'ny sehatra maro ao Jamaika sy Karaiba, saingy mbola iharan'ny sakana maro sy fanavakavahana amin'ny asa. Mbola tsy maintsy miharitra ny “mansplaining (fanazavan'ny lehilahy)” ny vehivavy marani-tsaina sy tia fandrosoana, ary mangina na tapahan'ny lehilahy ny fandraisam-pitenena mandritra ny fivoriana; tena hain'ny lehilahy Karaiba izany. Mahazatra ny fanjakazan-dehilahy (patriarka) ao Karaiba ary raiki-tapisaka.
Maneran-tany, nanamarika ny SUFJ fa mitohy ny fanavakavahana ny vehivavy amin'ny alalan'ny fandavana ny fanabeazana sy/na ny fahaleovantena ara-toekarena, ny fanambadian'ny ankizy, ny herisetra an-tokantrano, ary ny tsy fisian'ny fiarovana ara-pitsarana.
Matetika zara raha mahazo fitsaboana ny vehivavy, ka mahatonga ny fitomboan'ny taham-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana”, hoy hatrany ny fanambaràna. “Eo amin'ny sehatry ny politika sy ny fitarihana, vitsy dia vitsy hatrany ny fisoloantenan'ny vehivavy, matetika voahilika amin'ny sehatra fandraisana fanapahan-kevitra ny vehivavy. Tandindonin-doza ny zo ara-pananahana any amin'ny faritra maro, mametra ny fizakan-tenan'ny vehivavy amin'ny vatany manokana. Tsy tranga maningana ireo tsy rariny ireo – fa sakana ara-drafitra manaloka hatrany ny fandraisan'ny vehivavy anjara feno eo amin'ny fiarahamonina.
“Mitoetra ho olana hatrany” ihany koa ny tsy fitovian-karama eny anivon'ny toeram-piasana, fa mbola kely karama ny vehivavy raha oharina amin'ny lehilahy mitovy asa aminy. Ho an'i Jamaika manokana, nanamafy ny SUFJ fa mitranga amin'ny sehatra isan-karazany ny tsy fitoviana toy izany: “Miatrika sakana ny vehivavy amin'ny toeran'ny fitarihana, ny fahafahana ara-toekarena ary ny fitoviana eny amin'ny toeram-piasana. Manohy misakana ny fandrosoana mankany amin'ny fitoviana feno ny elanelana ara-karama, ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy, ary ny vesatra tsy mifandanja amin'ny asa tsy omena karama.
Lasa lavitra kokoa ny tenin'ny SUFJ: “Betsaka ny vehivavy Jamaikana, indrindra fa ireo vondrom-piarahamonina kely fidiram-bola, mitolona amin'ny fidirana voafetra amin'ny hirika ara-toekarena, ny rafi-panohanana ary ny fiarovana amin'ny fanavakavahana sy ny herisetra. Indrindra fa any amin'ny faritra ambanivohitra, izy ireo no loha-laharana rehefa miatrika ny fitomboan'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro ny vondrom-piarahamonina.”
Fankatoavana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy ho “antso indray ho amin'ny hetsika”, niantso ny fitambaran'ny “hetsika ifotony, ny firaisankina ary ny fandaminana iombonana” ny SUFJ. Nanazava izy fa “tena ilaina hanoherana ireo sakana mahazatra ny vehivavy sy ny vondrom-piarahamonina [miara] manorina tambajotra fanohanana, fiarovana ary fanomezan-kery [eo] eo amin'ny sehatry ny vondrom-piarahamonina”, ary nihantsy ny governemantam-paritra, ny orinasa sy ny vondrom-piarahamonina mba “hamaha am-pahavitrihana ny tsy fitoviana ary hanangana politika miantoka ny karama ara-drariny, fiarovana amin'ny herisetra, ary fahafahana mitovy ho an'ny vehivavy amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainana.”
Nofintinin'i Petchary tamin'ny fomba toy izao ny toe-javatra: “Mbola misy ny sakana mahazatra. Fantatray fa misy izy ireo, eto amin'ity faritra ity. Ambonin'izany, manodidina antsika rehetra ny aloky ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy vavy. […] Tsy maintsy mijoro anaty firaisankina ny vehivavy, mandray andraikitra ary miady hatrany ho an'ny zony. Tsy safidy izany.”