
Farihy lehibe anatin'ilay valanjavaboary. Sary nalain'ny mpanoratra, RADIFERA Miora Stéphanie. Nahazoana alàlana.
Ny 21 Febroary 2025 lasa teo, kisendrasendra no nahitako ranty iray tao amin'ny Facebook mitady mpirotsaka an-tsitrapo vonona hifarimbona hiara-hiasa hiaro sy hikajy ny valanjavaboarin'olon-tsotra ao Tsarasaotra, fantatra amin'ny anarana hoe Parc Tsarasaotra na koa Parc des oiseaux:

Sarin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sasany namaly ny antso. Sary nalain'i Manoa Faliarivola. Nahazoana alàlana.
Paradisa kely ao afovoan'Antananarivo, Madagasikara, izy io ary nampidirina anatin'ireo toerana Ramsar tamin'ny taona 2005. Tontolo masin'ny vorona ity toerana ity, izay mampiantrano karazam-borona 14 tsy misy afa-tsy ao Madagasikara, araka ny tatitry ny tranonkala ofisialin'ny Ramsar ny taona 2017 izay nohamafisin'ny Office National du Tourisme de Madagascar tamin'ny 2024. Anisan'ireo vorona misy ao, ohatra, ny Canard de Meller, izay hitanay nandritra ny fitsidihana voalohany ilay toerana.

Menasogny, Iray amin'ireo karazam-borona fahita ao amin'ilay valanjavaboary. Sary nalain'ny mpanoratra. Nahazoana alàlana.

Iray amin'ireo karazam-borona fahita ao amin'ny valanjavaboary ihany koa ny Vanofotsy. Sary nalain'ny mpanoratra. Nahazoana alàlana.
Na dia kely ihany aza ny finoan'ilay olona nitarika ity hetsika ity tany am-boalohany ny amin'ny ho fahalianan'ny olona hanao asa an-tsitrapo, dia gaga sady faly izy rehefa nahita fa tsy olona am-polony fotsiny no namaly ny antsony, fa efapolo mahery, ary avy amin'ny sehatra mivelatra be: ao ireo mpikaroka momba ny fahamaroanaina, mpitaridia, mpaka sary, mpandika teny, mpianatry ny oniversite… Na ny ankizy aza liana sy mandray anjara anatin'izany ihany koa! Samy hafa, nefa nampiraisin'ny faniriany sy ny fitiavany hiaro ny tontolo iainana sy hametra ny fandotoan'ny olombelona ny natiora.

Ilay farihy rakotra tsikafonkafona. Sary nalain'i Manoa Faliarivola. Nahazoana alàlana.
Ankehitriny, mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika tsy latsaky ny folo no mandray anjara isaky ny misy hetsika atao: fanongotana ireo bozaka sy ireo zavamaniry mora mirongatra toy ny tsikafonkafona sy ny vahy (liane), fitsimponana ireo fako plastika…

Ny ekipa mifarimbona manala ireo tsikafonkafona manarona ny farihy. Sary nalain'i Mira Andrianarisoa. Nahazoana alàlana.

Ny ekipa mpitsindroka ireo fako plastika. Sary nalain'i Manoa Faliarivola. Nahazoana alàlana.

Ireo mpanala ny bozaka sy zavamaniry mandrakotra sy mamono tsikelikely ireo hazo manodidina. Sary nalain'i Manoa Faliarivola. Nahazoana alàlana.
Tsy miserana fotsiny ihany ireo hetsika ireo, satria anatin'ny tanjon'ny vondrona ny hampaharitra io tetikasa io, sy ny hanitarana ny hetsika ho any aminà faritra hafa ihany koa. Izao hetsika izao no atao dia ny mba hanairana koa ny mpiara-belona amin'ny lanjan'ny firaisankina, sy tsy hiandry lava ny famatsiambola avy aminà fikambanana lehibe vao hihetsika, fa manomboka amin'izay kely ananana. Tsara lavitra ny manao ezaka kely tsy tapaka noho ny tsy manao mihitsy fa mitazana fotsiny ny fahapotehan'ity nosy Madagasikara kantonay ity isan-taona.