Fanambarana nataon’ny Global Voices momba ny fanafihana ONG Serba

Maneho firaisankina amin'ireo ONG notafihan'ny biraon’ny fampanoavana ao Serbia ny Global Voices ary manameloka tanteraka ny bemidina nataon'ny polisy tao amin'ny biraony sy ny fandrahonana sy fampihorohoroana tsy misy fitsaharana. Manohintohina ny fiarahamonim-pirenena ny hetsika toy izany, manimba ny asa lehibe ataon'ireo ONG ireo, ary mampihena ny rafitra fandraisana andraikitra sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity no nanao bemidina tao amin’ny biraon’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena miisa efatra izay fanta-daza manerantany ny manam-pahefana Serba: CRTA (Center for Research, Transparency and Accountability), ny sampan-draharaha Istinomer mpamoaka lahatsoratra manamarina ny zava-misy, media mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices; ny Civic Initiatives; ny Fondation Trag; ary ny Foibe momba ny politika azo ampiharina. Ireo bemidina ireo izay notanterahina noho ny antony tsy marim-pototra dia narahina fampihorohoroana, fanerena ary fandrahonana ara-pitsarana.

Mpiara-miasa amin'ny Global Voices ny CRTA, fikambanana mpomba ny demokrasia malaza tsy ao Serbia ihany, fa ao amin'ny faritra manontolo. Nanomboka tamin'ny  taona 2002 no nanome votoatim-baovao sy fampahalalana ilaina ho an'ny olom-pirenena izy ireo mba handraisana fanapahan-kevitra araka ny tokony ho izy, ao anaty toe-draharaha izay tsy ahazoana fampahalalam-baovao momba ny tombontsoam-bahoaka na tsy hanaovan’ny media mahazatra Serba tatitra. Ampahany amin'ny asan'izy ireo ny fanamarinana ny zava-misy sy ny fanamafisana faharetana amin'ny fandisoam-baovao, raha ampahany lehibe amin'ny fikambanana kosa ny miasa amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana sy ny mangarahara ataon'ny governemanta, ao anatin'izany ny fanaraha-maso akaiky ny asan’ny parlemanta.

Ilay didim-pitondrana amerikana momba ny fanombanana sy fanitsiana ny fanampiana avy any ivelany natao hanamarinana ireo fanafihana ireo dia mampiseho fa ny fomba hampiharana izany araka ny didim-panjakana dia tsy ahitana fotsiny fanevatevana ny fahavoazana tamin’ny fampikatsoana ny fanampiana tampoka sy tsy ara-dalàna izay manimba zavatra, fa miteraka fahavoazana ho azy ihany koa. Fampiasa manerana izao tontolo izao hanafihana ireo ONG sy Fikambanan'ny Fiarahamonim-pirenena avy amin’ny filazana tsy mitombina ny fomba hampiharana ilay didim-panjakana.

Mampiseho ny firaisana tsikombakomba ifanaovan’ny fitondrana jadona manerana izao tontolo izao ihany koa ny fanafihana. Mitaky ny fiaraha-miasan'ireo fikambanana mpiaro ny zo nomerika, ​​ny maha-olona, ​​ary ny hafa voakasiky ny fampiatoana ny famatsiam-bola izany hetsika manapotika izany. Manoloana ny lainga sy ny fanentanana momba ny asa ataonay, dia mila mazava tsara ny maha zava-dehibe ny zavatra ataonay, sy ny fomba mangarahara sy azo ianteherana amin'ny fomba hanaovanay izany.

Tsy misy ny demokrasia raha tsy misy ny media mahaleotena, ary manentana ny governemanta rehetra izahay mba hanaja ny fikambanana media sy ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.