Fanontaniana sy Valiny: Fantaro i Shakuntala Marndi, Wikimediana sady mpikatroka ho an'ny fiteny Santali

Image via Shakuntala Marndi. Used with permission.

Saripika avy amin'i Shakuntala Marndi. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity andian-dahatsoratra ity dia manasongadina ireo dia manokana nataon'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny no sady Wikimediana ihany koa, mitrandraka izay fomba hitahirizan-dry zareo, hampiroboroboany, sy hanomezany aina vao ny fiteniny amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia sy ireo fitaovana nomerika hanohanana ireo tanjony midadasika kokoa. Anatin'ity lahatsoratra ity, Amrit Sufi dia nitafa tamin'i Shakuntala Marndi, Wikipediana iray amin'ny fiteny Santali, momba ireo ezaka ataony ho fampiroboroboana ny Santali ety an-tambajotra, indrindra fa amin'ny alàlan'ny bilaoginy sy ireo tetikasa Wikimedia. Nasiana fanovàna ny antsafa mba ho fohy sy hazava.

Rising Voices (RV): Lazao anay ny momba anao.

Shakuntala Marndi (SM): Mpampianatra tefiendrika aho no sady mpankafy asatanana. Mitantana ihany koa ny marika akanjo iray antsoina hoe Shakuntala Clothing. Mahatsapa ho manam-bintana aho teraka sy lehibe tao Madanmohanpur, vohitra iray ao anatin'ny fanjakàna indiana ao Odisha ao anatina valan-javaboary nasiônaly iray. Ny fihalehibeazana anaty tontolo tahàka izany dia midika ho fiainana lavitry ny herinaratra na ireo tambajotra finday, izay nandrafitra ny fomba fijeriko momba ny akora lovainjafy sy azo averina ampiasaina. Nisy dindony tamin'ny asako io traikefa io, natsofoko tao ireo fomba fanao lovainjafy ary nanaovako adisisika ny ho famerenana mampiasa indray ireo fitaovana amin'ny fiainana andavanandro. Ankoatra izay, mandray anjara amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Santali sy ny Wikimedia Commons aho mba hampiroboroboana ny fahatsiarovantena momba ny fiteny Santali sy ny endri-tsorany, Ol Chiki.

RV: Manao ahoana ny toeran'ny fiteninareo amin'izao fotoana izao, na anaty na ivelan'ny tambajotra?

SM: Ny Santali dia ifampiresahan'ireo mpiteny teratany manerana an'i India, Bangladesh, ary Nepal, mahatonga azy ho iray amin'ireo fiteny vitsy tsy voafetra ho anaty firenena na fanjakana tokana. Hatramin'ny 2003, izy dia iray amin'ireo 22 fiteny ôfisialy nankatoavina araka ny lalàm-panorenana tao India. Mitohy ireo ezaka ho fampiroboroboana ny Santali sy ny Ol Chiki, ilay endri-tsoratra novokarin'i Raghunath Murmu, ilay Indiana mpampianatra tamin'ny 1925.

RV: Inona no manosika anao manokana handray anjara amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteninareo?

SM: Mifamatotra lalina amin'ny maripamantarana ny fanehoana ny tena ary ny maha-izy ny tena ny tenindreny iray. Ao amin'ny vohitra misy ahy, marobe ny olona hitako miady mafy hanoratra ny anarany amin'ny Odia, ilay fitenim-paritra ôfisialy, nefa afaka manoratra tsy misahirana amin'ny Ol Chiki, miaraka amin'ny sora-tànana tsara tarehy. Izany dia satria ny Ol Chiki toa mifanaraka ho azy amin'ny fomba fanonona Santali, mahatonga azy ho mandeha ho azy ho an'ireo mpiteny teratany. Raha ny marina dia izany no nanosika ahy hanapariaka ilay endri-tsoratra sy ilay fiteny amin'ny endriny nomerika.

RV: Afaka manome antsipirihany momba ny fikatrohanao nomerika ho an'ny fiteny ve ianao, isan'izany ny fandraisana anjaran'ireo tetikasa Wikimedia amin'ireo ezaka ataonao?

SM: Manoratra tononkalo amin'ny fiteny Santali ao amin'ny bilaogiko aho ary mandray anjara amin'ny Wikipedia amin'ny fandraketana ireo asatànana avy eo an-toerana, ny akora ampiasain-dry zareo ary ny teknikany. Antenaiko ny fandraisako anjara mba ho afaka hanampy ny andian-taranaka tanora hianatra amin'ny fiteniny manokana momba ny asatànana nentindrazana. Misy voambolana Santali vitsivitsy — indrindra fa ireo mifandraika amin'ny sakafo, ny fahaiza-mivelona, fombam-pivavahana, hira, any ny vavaka — tsy ananana dikanteny amin'ny fiteny hafa. Izany no antony isafidianako hanoratra amin'ny fiteny Santali rehefa miresaka ireny lohahevitra ireny. Sady koa, ao amin'ny vohitra misy ahy, mikarakara fanoratana sombintantàra amin'ny fiteny Santali izahay ary fifaninanana quiz ho fandrisihana ny tanora hirotsaka an-tsehatra sy hianatra ny tenindreniny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.