Mamaritra indray ny maha-izy azy: Avy amin'ny tsy fananana zom-pirenena ho amin'ny hery iombonana

Zavakanton'i Zahra Marwan, mpanakanto Amerikana sady mpanoratra, izay nanoratra ny: ‘Sarin'ny reniko tamin'izy mbola zatovo niaraka tamin'ny mpiara-monina taminy. Indraindray izy nilaza tamiko hoe: ‘Tsy tokony nentiko tany ianareo amin'izay mba teo akaikiko.’ Nahoana izy no tsy maintsy nisafidy ny hanome anay ny zon'olombelona na hamela anay ho fianakaviana tsy misaraka?’ Nahazoana alalana.

Avy amin'i Christy Chitengu

Nanoratra i Ben Okri, mpanoratra Britanika teraka tany Nizeria, indray mandeha hoe: “Ny zavatra tena marina momba antsika dia ny fahafahantsika mamorona, mandresy, miaritra, manova, mitia ary ho lehibe kokoa noho ny fijaliantsika.” Ho antsika nahafantatra ny fahatsapana tsy manana izay hodiana — tsy hita, tsy re ary tsy fantatra — manakoako lalina ireo teny ireo. Miresaka ny hery mangina ilaina mba hiaretana ny zava-misy novolavolain'ny sisintany ara-batana, ny herim-po ilaina mba hitsanganana mihoatra azy ireny, ary ny fanantenana fa azo tanterahina ny fiovana.

Manan-danja noho ny sata ara-pitsarana ny toeram-podiana; zava-niainana norandranina tamin'ny alalan'ny faneken'ny vondrom-piarahamonina misy anao sy ny fankasitrahan'ny governemanta mifehy anao izany. Hita amin'ny hetsika tsotra nefa lalina amin'ny fananganana finamanana, ny fitenenana fiteny eo an-toerana, ary ny fametrahana faka ao amin'ny toerana antsoinao akany izany. Saingy, zara raha mihaona ireo endrika toeram-podiana roa ireo – dia ny tsapa sy ny ara-pitsarana ho an'olona maro dia maro. Matetika izy ireo misara-dalana eo am-piterahana.

Fantatro tsara io fahasamihafana io. Ny niainana fahaterahana ao amin'ny firenena iray, Afrika Atsimo, raha ny momba ahy, sy ny tsy nankatovana ahy ho olom-pirenena — na tao amin'ny toerana nahaterahako izany na tany an-tanindrazan'ny ray aman-dreniko — fa tsy an-kijanona ny fisafotofotoana, ho ahy sy ho an'ny vondrom-piarahamonina misy ahy. Ahoana no hahatonga ahy ho tafiditra tanteraka ao amin'ny toerana iray — miteny ny fiteniny, mandray ny kolontsainy, miaina ny fiainako manontolo ao — nefa mbola tsy hitan'ny fanjakana? Isaky ny tsy maintsy nanazava aho hoe nahoana aho no tsy olom-pirenena ao amin’ilay akany hany fantatro na tany amin’ny tany niavian’ny ray aman-dreniko, dia fanontaniana no betsaka kokoa noho ny valin'izany. Ny fahanginana tamin'ireny fotoana ireny no fampahatsiahivana amin'ny sisintany nosoritana nanelanelana ahy sy ny fahazoako feno momba ny toerana odiako. Fa fiainana iray amin'ireo taranjany maro amin'ny tsi-fizakana zom-pirenena izany. Tarihin'ny tantara sarotra sy arafitry ny fanavakavahana tsy manampaharoa ireo tantara hafa tsy tambo isaina – izay samy voavolavolan'antony tokana tsirairay avy.

Na izany aza, araka ny notsiahivin'i Okri antsika, ny fahafaha-manaontsika lehibe noho ny fijaliantsika no fahamarinana indrindra ho antsika. Niezaka nanoritsoritra ahy amin'izay tsy ananako ny tsi-fizakàna zom-pirenena, saingy tsy ho voahidin'ny tsy fisian'antontan-taratasy momba ny zom-pirenena ny fahafahan'ny fanahin'olombelona miaritra sy mitia ary manova. Io fahamarinana io no nanosika ahy hiresaka ireo rafitra sy politika amin'ireo mahatonga ny tsi-fizakàna zom-pirenena hiaretana. Tsy manakana ny fikirizanao ho afa-mianatra amin'ny fanabeazana fototra, ny fitsaboana, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fahazoana asa ny fahavononana hanangana tontolo ahitana fahaterahana amin'ny faritany iray. Zo ahafahan'ny olona iray miaina amim-pahamendrehana sy amin'ny fizakantena.

Tontolo iray izay tsy hanahian'ny zanako lahy fanilikilihana na oviana na oviana noho ny fiavian'ny reniny na ny rainy — izany ny hoavy itolomako. Eny tokoa,  manevokevoka ara-pihetseham-po ny tolona handravàna ireo rafi-panilikilihana lalim-paka ireo, izay matetika mahatsiaro ho manirery sy tapi-dala-kaleha manoloana tanjaka sy fihenjanan'ny fanjakam-birao.

Nahita hery teo anivon'ny vondrom-piarahamonina aho tao anatin'ireo fanamby ireo. Nanjary sehatry ny firaisankina ny Hetsika Manerantany Iadiana amin'ny Tsi-fizakàna Zom-pirenena, porofon'ny faharetana iombonana. Mamolavola miaraka ny fitantarana izahay, manohitra ny tsi-rariny, ary manaporofo fa tsy voafaritry ny sisintany na ny antontan-taratasy mitady hamafa anay ny lanjanay. Natomboka tamin'ny 27 Febroary 2024 ny Hetsika Maneran-tany Miady amin'ny Tsi-fizakàna Zom-pirenena,  notarihin'ireo voakasiky ny tsi-fananana zom-pirenena, ny fanalàna zom-pirenena na iharan'ny lalàna manavakavaka momba ny zom-pirenena mivantana. Atambatr'ity maodelim-pitarihana ity ny niainana sy ny nianarana mba hampiroboroboana ny fomba fijery iombonana, araka ny hitsiny sy ifarimbonana. Amin'ny fandraisana ireo soatoavina ireo izahay tsy vitan'ny hoe mampandroso ny tolonay fa mihantsy sy manova ireo tsikalakalan-kevitra nentim-paharazana ihany koa. Maneho izany fanoloran-tena izany ny vondronay, anomezana antoka fa manan-danja ny feo rehetra ary ampiharina amim-pitandremana, amim-pandraisana andraikitra ary an-tsitrapo ny fahaiza-mitarika.

Satria mankalaza ny herintaonany ny Hetsika, mandinika ny lalana irosoana ihany koa izahay. Hifandraisana lalina kokoa,  hanamafisana ny traika, ary hanohizana ny fananganana hetsika miorim-paka amin'ny fiarahamonina, ny firaisankina ary ny tanjona iombonana ny taona hoavy. Fotoan-dehibe (t)amin'ity dia ity ny antson'ny vondrom-piarahamonina (t)amin'ny Alarobia 5 martsa 2025, izay nahitana hirika hiaraha-mivory, hisaintsainana amin'ny fivoarana ary hamolavolana miaraka ny lalana irosoana.

Fantaro bebe kokoa momba ny Hetsika Maneran-tany Manohitra ny tsy Fizakàna Zom-pirenena amin'ny alàlan'ny fitsidihana ny tranokala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.