Ny “Tourne-dos”, toerana fisakafoanana ankalamanjàna miasa ho an'ny ankamaroan'ny Afrikàna

Sarin'ny mpanjifa iray eo anoloan'ny toeram-pisakafoanana vonjimaika iray ao Congo Brazzaville ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Vox TV

Ao Afrika atsimon'i Sahara, mitàna anjara asa iray lehibe ny fisakafoanana ankalamanjàna: izy no ahafahan'ireo saranga sôsialy sahirana mba mahazo ny tolotra iray tena ilaina.

Ao amin'ilay tanibe, ny olona misakafo matetika any amin'ireo trano fisakafoanana dia ireo manana faripiainana ambony ary misolo tena ny sangany ara-toekarena. Mandritra izany fotoana izany, ny ampahany betsaka amin'ireo olona miaina ambanin'ny fetran'ny fahantràna ao Afrika atsimon'i Sahara dia latsaky ny 2,15 dôlara amerikàna isanandro no laniany.

Ho an'ireo izay fanamby isanandro ny ho tafavoaka velona, misy safidy iray hisakafoanana ivelan'ny trano, eny amin'ireo mpivarotra izay mahandro sy mivarotra sakafo mafàna eny an'arabe. Any amin'ireo firenena mampiasa sy miteny frantsay, matetika io karazana toerana fisakafoanana io no mitondra ny anarana hoe “tourne-dos”.

Mba hamantaranao momba ny voambolana  “tourne-dos”, vakio : An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #23

Tourne-dos, safidy iray azo ihafiana ho an'ny maro

Karazana toerana fisakafoanana vonjimaika ny “Tourne-dos”, mifanaraka amin'ny toebolan'ny ankamaroan'ny vahoaka. Matetika ambany fitantanan'ny vehivavy, manolotra sakafo in-telo isanandro ireny toerana fisakafoanana ireny mandritra ny tontolo andro, amin'ny vidiny takatry ny ankamaroan'ny mponina.

Ity tatitra an-dahatsary ity, navoakan'ny Media2Africa tao amin'ny pejiny Facebook no mampiseho ny fahombiazana azon'ireny karazana toerana fisakafoanana eny akaikin'ireny toerana be mpandalo ireny, toy ny Anjerimanontolo ao Douala ao Kamerona. Mankafy sy mahita izay tadiaviny eo daholo na mpianatra na ireo mipetraka eo amin'ny manodidina:

Ao anatin'ilay lahatsary, hazavain'i Thierry, olona iray mpampiasa ny “tourne-dos”, ny fahafaham-pony:

Io no mamonjy anay. Tsy afaka mamonjy ireo trano lehibe fisakafoanana aho mba hisakafo. Aiza no hahitako vola. Any, ny sakafo vidiana 2000 FCFA (3 dôlara amerikàna) ary mety hahalany 5000 FCFA (7,9 dôlara amerikàna) mba hiainana isanandro. Ahoana no hahatafavoaka amin'izany? Eny amin'ny sampanan-dàlana tahaka izao no misakafo mba ho tafavoaka.

Vakio : Ny haify tôgôley omem-boninahitra ao Togo sy Afrika [mg.]

Mora ny sakafo any amin'ireo “tourne-dos”: manomboka amin'ny 500 na 600 FCFA (latsaky ny iray dôlara amerikàna). Ao Kamerona, toy ny any an-kafa any Centrafrique, Tchad, RDC, Gabôna, Tôgo, Ghana, Benîno, Côte d'Ivoire, malaza ireny toerana fisakafoanana vonjimaika ireny ary ahafahan'ny rehetra mihinana. Na izany aza, indraindray izany dia atao anatin'ny tsy firaharahiana ny fepetra fitandroana fahadiovana.

Misy ambana vitsivitsy ny fihinanana sakafo mora

Ireo vehivavy mpitantana “tourne-dos” dia tsy ho afaka ny hanaja mandrakariva ireo fepetra momba ny fahadiovana. Sarotra ho azy ireny ny hanana herinaratra sy vata fampangatsiahana, ny sasany eny akaikin'ny toerana maloto no mikarakara ny sakafony, ny hafa mivarotra eny akaikin'ny tatatra midanadàna tsy misarona.

Lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI), no manondro “ireo toerana fisakafoanana vonjimaika ho toy ny loharanon'aretina entin'ny vanintaona maina ao Bangui, ao Centrafrique“. Pélagie, ramatoa iray tompona “tourne-dos”, nitafàna tao anatin'ilay lahatsoratra, no manazava:

Mba hanaovana io varotra io, tsy maintsy matanjaka ianao. Napetrako ito lambam-baravarana ito sy iretsy tapa-damba iretsy mba hanakonana ny kirihitra. Eto aho, mivarotra ravina mahogo, tono akoho, trondro nasaly ary gnetum. Haiko fa toerana tsy madio io, saingy izay aloha no  azo atao.

Ity lahatsary avy amin'ny Afrique Santé ity no manamafy toejavatra mitovitovy amin'izany ao Kamerona:

Mirantiranty ireo sakafo, tsy misy fiarovana amin'ny lalitra na bibikely hafa manimba ary koa ny mikraoba eny amin'ny vovoka.

Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), Yvette Reine Nzaba, mpanao gazetin'ny Agence d'information de l’Afrique centrale (Adiac-Congo) no miampanga ao anaty lahatsoratra iray mitondra lohateny hoe : Fahadiovana : ny tsy fanaronana sakafo, loza mitatao mandrakariva ho an'ireo mpanjifa, fomba fanao mitondra ambana avobe ho an'ny fahasalaman'ireo mpanjifa. Hoy izy manoratra:

Na dia amidy eny akaikin'ireo toerana faran'izay maloto na fanariana fako aza, mahagaga fa ireny sakafo ireny dia mahasarika mpanjifa hitangorona manodidina amin'ireny toerana fivarotana ireny, izay mitangorona manodidina ireo toerana fivarotana, mankafy tsy miraharaha akory izay lalitra na bibikely hafa mifanaretsaka eo amin'ny manodidina. Tsikaritra hafa, mampiteny ny moana ireo fiara natao hitaterana sakafo, toy ny dipaina, sakafo tena fihinana be ao Kôngô.

Mivarotra ny mpivarotra, mividy izao rehetra izao ny mpanjifa, rehefa mbola mahafeno ny kibony sy mahafaka ny hetahetan-dry zareo. Zavamisy iray lasa miparitaka sy mandeha ho azy tsy misy bedy ary fantatra sy iarahan'ny rehetra mahita. Isanandro, fahagagàna raha tsy tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo mpanjifa !

Vakio koa : Fantaro ireo sakafo Malagasy manana ny lazany [mg.]

Manoloana ny tsikaritra mampididoza tahaka izany ho an'ny fahasalaman'olombelona, gaga i Nzaba mahita mpanjifa miaro ireny fomba fanao anaty fahalotoana ireny. Hervé, iray efa zatra ireny toerana ireny, no mamaly azy:

Matetika aho no tonga miantsena eto. Na misy lalitra aza, tsy mbola narary mihitsy aho. Na ahoana na ahoana, mahatohitra mikraoba ny taovan'ny mainty hoditra.

Saingy ireo mpanjifa sasany kosa mahatsapa ny loza mety hahazo. Toy izany no nanjo an'i Jonathan, tratry ny aretina mafy, ary nanapaka hevitra ny tsy hisakafo eny amoron-dàlana intsony. Eo amin'ny fandraisampeon'ny RFI, mijoro ho vavolombelona izy:

Herinandro maro aho no teny amin'ny hôpitaly. Saika naningotra ny aiko ny tazo tefoedra. Manainga vovoka sy mandefa setroka misy poizina ireo fiara mandalo. Na ireo lovia ampiasaina handrosoana sakafo ho an'ny mpihinana aza dia matetika no ratsy sasa. Rehefa sitrana aho, taona roa lasa izao, noraisiko ny fanapahankevitra tsy hihinana intsony eny amin'ireo toerana fisakafoanana tsy mahasalama.

Fandraisana anjara amin'ny toerakaren'ny firenena

Ny toekaren'ireo firenena afrikàna marobe dia miankina betsaka amin'ny sehatra tsy ara-dalàna, araka izany dia mitondra fandraisana anjara goavana eo anelanelan'ny 25% sy 65% amin'ny Harinkarena Faobe anatiny (PIB) ho an'ireny firenena ireny. Raha ny marina, io asa fitantanana “tourne-dos” io, izay loharanom-bola goavana ho ana fianakaviana marobe, dia mandray anjara koa amin'ny toekaren'ny firenen-dry zareo.

Mba hiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka, tokony irotsahan'ireo manampahefana afrikàna bebe kokoa ny fanentanana ireo mpitantana sy mpanjifa eny amin'ireny toerana fisakafoanana ireny momba ny fanajàna ireo fepetram-pahadiovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.