Taranaka iray dia mahafoana ny famoram-behivavy, hoy ny fihevitr'ity Gambiana mpikatroka ity


Fanadihadiana nataon'i Sydney Leigh Smith

Female Genital Mutilation (FGM) na famoràm-behivavy. Mitoetra ho olana goavana mandrakà ankehitriny ao Gambia ny famoram-behivavy, araka ny tatitry ny UNICEF, fa efa ho ny 76% ny vehivavy, manomboka ny 15 ka hatramin'ny 49 taona no efa nihàran'io famoràna vehivavy io. Raha hazavaina tsotsotra ny atao hoe FGM dia fanesorana mety ho amin'ny ampàhany mety ho manontolo ny ivelan'ny taovam-pananahan'ny vehivavy na fandratràna ilay taovam-pananahana tsy misy ifandraisany ara-medikaly mihitsy.

Fihetsika voararàn'ny lalàna tanteraka anefa, fa fanitsakitsahina ny zon'olombelona izany. Sady tsy ahitàna tombony na ara-pahasalamana na ara-batana na ara-tsaina fa misy fiantraikany ratsy tanteraka aza, anisan'izany ny fanaintainana mandrakariva, ny fahasarotana am-piterahana, ary ny fitomboan'ny taham-pahafatesan'ny zaza vao teraka. Zarain'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) ho efatra karazana izany FGM izany, dia ny fanapahana tanteraka ny hodi-doha na ny kitson'ny fivaviana, ny fandidiana na fanesorana amin'ny ampahany ny ny molotra ivelany na ny molotra anaty amin'ny fivaviana.

Ao Gambia, voaràran'ny lalàna io fomba fanao iray io tamin'ny taona 2015 araka ny lalànan'ny vehivavy (fanitsiana) ka mahatonga azy io ho heloka bevava. Na izany aza, saro-toerana tanteraka ity fivoarana ity tamin'ny fandrahonan'ny mpanao lalàna vao haingana.

Tany am-piandohàn'ny taona 2024, ny antenimieram-pirenena Gambiana dia nandinika volavolan-dalàna iray hanafoanana ny fandraràna io fomba io, izay mety hahatonga an'i Gambia ho firenena voalohany hamadika izany fandraràna izany. Niteraka fanamelohana iraisampirenena sy eo an-toerana ny tolo-kevitra, izay nampitandrina fa ny fanafoanana lalàna iray dia ho fihemorana tanteraka amin'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy.

Na izany aza anefa, mbola malemy ny fampihàrana ny lalàna, ka roa ihany ny fanenjehana hatramin'ny nandaniana ny lalàna ary ny fanamelohana voalohany dia tsy nitranga raha tsy tamin'ny taona 2023. Nohamafisin'ireo mpikatroka fa ankoatra ny fepetra araka ny lalàna, dia tsy maintsy miatrika ireo fitsipika ara-kolotsaina sy ara-piarahamonina latsa-paka izay mampiraikitra ny FGM ny manam-pahefana Gambiana, ka hifantoka kokoa amin'ny fanabeazana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina.

Mpikatroky ny ady amin'ny famoràm-behivavy ny Dokotera Fatou Baldeh, MBE, ary hery mpitarika ho amin'ny rariny eo amin'ny lahy sy ny vavy. Teraka tany Gambia izy ary efa natao FGM teo amin'ny faha-valo taonany, zava-niainana tena nisy fiantraikany lalina teo amin'ny fiainany izany. Tsaroan'i “Baldeh” tsara ary tsy afaka an-tsainy hatramin'izao :

I was pinned down and I was cut. We were all kept in this house after the cutting, in a dark room for maybe about two weeks until we healed. Every morning they put warm water with salt and herbs in a pan, and you were forced to sit on it.

“Tsy navela hihetsika aho sady notapahina; taorian'ny famoràna dia nohidina an-trano, tao an'efitra maizina iray izahay nandritra ny tapa-bolana teo ho eo mandra-pahasitrana. Isa-maraina ry zareo mametraka rano matimaty misy sira sy ravinkazo ao anaty vilany iray, ary tereny ianao hipetraka eo ambonin'izany.”

Nijanona tao anatiny ny fahatsiarovana io fombafomba nampahory io, ary tamin'ny farany dia nanentana azy hanova izany fanaintainany manokana izany ho iraka hampitsaharàna io fanao io.

Nitohy hatrany ny dian'i Baldeh mankany amin'ny fikatrohana. Tamin'ny faha-roapolo taonany, fony izy nianatra tany Angletera, no nahatakarany feno ny fiantraikan'ny FGM amin'ny fahasalamany ara-batana sy ara-pihetseham-po.

“As I went on, I came to realize more and more that ending FGM also required ending all forms of injustice against women and girls, she explains.”

“Rehefa nandeha aho dia nanjary tsapako bebe kokoa fa ny famaranana ny FGM dia mitaky ny fampitsaharana ny endrika tsy rariny rehetra atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy, hoy ny fanazavàny.”

Tsapany fa mila miatrika ny tontolo midadasika kokoa amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy sy ny tsy rariny ara-drafitra izay mametra ny fahafahan'ny vehivavy sy ny zon'ny vehivavy ny ezaka hiadiana amin'ny FGM araka ny nomarihiny.

“You couldn’t end FGM if girls were subjected to early marriage. If girls continue to drop out of school because of rape, teenage pregnancies, or forced marriage.”

“Tsy afa-mamarana ny FGM ianao raha mbola tratran'ny fanambadiana aloha loatra ny tovovavy. Raha toa ihany koa ka esorina an-tsekoly noho ny fanolanana, ny fitondrana vohoka, ny fanambadiana aloha loatra ny zazavavy.”

Mihaika fenitra amin'ny alalan'ny fifampiresahana sy fifankahazoana

Tamin'ny taona 2018, nanangana ny Women in Liberation & Leadership (WILL) (na “Vehivavy ao amin'ny fanafahana sy ny fitarihana”)  i Baldeh mba hiadiana amin'ny FGM sy ireo karazana herisetra hafa rehetra mifototra amin'ny mahalahy/vavy amin'ny fampiasàna fomba fiasa mifototra amin'ny fiaraha-monina. Tsy hifanandrina amin'ny olona ao anaty fitsaratsarana ny “WILL” fa hampiasa fomba fiaraha-miasa, hahalalàna ny antony hanohanan'ny vondro-piarahamonina ny FGM. Nanantitrantitra i Baldeh tamin'ny fanazavany fa tsy tokony hahatsapa hotafihana ny vondrom-piarahamonina :

“We want to talk to you, we want to understand why you continue the practice, and why you support it.”

“Te hiresaka aminareo izahay, tianay ny hahalala ny antony hanohizanareo io fomba fanao io, sy ny antony hanohananareo azy.”

Kinendrin'ny asan'ny WILL avokoa ny mpikambana rehetra ao amin'ny vondrom-piarahamonina, indrindra ny lehilahy, satria fantatra fa fehezin-dehilahy ny tokantrano Gambiana maro ary kitro ifaharana ny fandraisan'ny lehilahy anjara amin'ny fampitsaharana ny FGM.

Tafiditra amin'ny fomba fiasan'i Baldeh ny hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra tsy manavaka eo amin'ny taranaka mifandimby sy amin'ny mpitondra fivavahana mba hiatrehana ireo fandisoan-kevitra mampifandray ny FGM amin'ny adidy ara-kolotsaina na ara-pivavahana. Mikarakara fifanakalozan-kevitra eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka aman-jafy izy hampifandanjàna ny fanajàna kolontsaina sy ny filàna  fanovàna, niteny hoe :

“I love being a Gambian, a Black Gambian woman who is proud of my culture. I’m just saying that the part of my culture that harms me and other girls, I am rejecting that.”

“Tiako ny maha-Gambiana ahy, vehivavy Gambiana mainty afa-kenatra amin'ny kolontsaiko. Milaza fotsiny aho fa misy ampahany amin'ny kolontsaiko manimba ahy sy ny ankizivavy hafa ary tsipahiko izany.”

Miara-miasa amin'ny mpitondra fivavahana ihany koa ny WILL hanoherana ny angano manodidina ny FGM sy hampiroborobo ny hafatry ny fiovàna miabo sy voazàva ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Gambiana.

Tsy azo dinganina ny lehilahy sy ny tanora raha hamarana ny FGM

Asongadin'i Baldeh manokana ny firotsahan'ny lehilahy amin'ny asam-pikatrohany, amin'ny fampiasana ny “Ataya chats” — fivoriam-be nentim-paharazana hiresahan'ny lehilahy ny olan'ny fiarahamonina — mba hanabeazana ny lehilahy momba ny traika manimba ateraky ny FGM. Mino izy fa afa-manova ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana hiròna ho amin'ny zon'ny vehivavy ny lehilahy miara-dia aminy, raha ny fanazavany :

“If a father steps up and says, ‘I do not want my daughter to be cut,’ there’s a high chance that that girl will not be cut.”

“Raha miroso ny ray ary miteny hoe : “tsy tapahana ny zanakovavy”, dia betsaka ny herijika tsy hahatapaka ilay zazavavy.”

Ifantohany ihany koa ny fanabeazana ny tanora, indrindra fa ny zazavavy, amin'ny zony sy ny halehiben'ny fanekena, amin'ny fankatoavana ny tsy fahampian'ny fanabeazana ara-pananahana ao Gambia.

“Girls don’t have access to comprehensive sex education. They don’t understand their bodies. When you are abused or end up in a violent relationship. how do you really talk about what is happening to you when you don’t know if that is wrong or right?”

“Tsy mahazo fanabeazana feno amin'ny fanabeazana ara-nofo ny ankizivavy. Tsy fantany ny momba ny vatany. Rehefa iharan'ny fanararaotana ianao na tafiditra ao anatin'ny fifandraisana feno herisetra, ahoana no ahafahanao miresaka momba ny zavatra mitranga aminao? Nefa tsy fantatrao akory na mety izany na tsia?”

Famahana ny fanamby ara-drafitra

Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra atrehin'i Baldeh ny manavatsava ireo fitsipiky ny fanjakazakan-dray lalim-paka sy ny fahazoana fanohanan'ny governemanta. Nataony avo ny feony amin'ny filàna famatsiam-bola maharitra, ary nantitranteriny :

“We need resources so that we can continue to deliver sustainable projects. We don’t like to go into a community for a one-off engagement and leave.

“Mila loharanon-karena izahay ahafahanay manohy amin'ny fanatontosana tetikasa maharitra. Tsy tianay ny miditra ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray mifampiresaka indray mandeha dia samy misaraka.”

Mihevitra i Baldeh fa taranaka tokana dia vita ny fiovana raha beazina amin'ny fiantraikan'ny FGM ny tanora, na lahy na vavy.

“If I don’t cut my girl, there is a 99 percent chance that her daughter will not be cut.”

“Raha tsy manaiky ny hanapahana ny zanakovavy aho, dia misy 99 isanjato ny vintana tsy hahatapaka ny zananivavy.”

Miantso ny tamberin'andraikitra amin'ny governemanta izy, mitsikera ny tsy fisian'ny fampiharana ny lalàna miady amin'ny FGM ao Gambia tamin'ny taona 2015.

“The practice continues because we are not seeing the government come out publicly and address FGM. We are not seeing law enforcement. International partners need to put pressure on the government to make sure that this law is implemented.”

“Mitohy hatrany anefa ny fomba fanao satria tsy maneho ampahibemaso amin'ny famahana ny olan'ny FGM ny governemanta. Tsy mahita ny fampiharana ny lalàna izahay. Mila manery ny fitondram-panjakana ireo mpiara-miombon'antoka iraisampirenena ireo mba hahazoana antoka ny fampiharana io lalàna io.”

Manohana ny fanofanana ireo matihanina amin'ny fahasalamana koa i Baldeh mba hanome fikarakarana manokana ho an'ireo sisam-patin'ny FGM, ary nantitranteriny ny lanjan'ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo an-toerana mba hamahana ny olana ara-pahasalamana sy ara-pihetseham-po mifandraika amin'io fomba fanao io.

Fankatoavana iraisampirenena sy fanakianana ny fitsabahan'ny any ivelany

Sarin'i Fatou Baldeh, Nalain'i Fatou Baldeh. Nahazoana alalàna manokana

Nahazo laza iraisampirenena ny asan'i Baldeh ary nahazo MBE izy tamin'ny taona 2019 noho ny fikarakarany ireo vehivavy mpifindramonina any Ekôsy sy ny “Loka Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy be herimpo” tamin'ny taona 2024. Na izany aza tsikerainy hatrany ny fomba fiasa “mijadona” ataon'ireo fikambanana iraisampirenena maro. Mino izy fa ny fiovana maharitra dia avy ao anatin'ny vondrom-piarahamonina manana mpitarika sy vondrona eo an-toerana mahalala tsara ny fahasamihafana ara-kolontsaina. “Tsy hanana traikefa bebe kokoa noho izaho ianao ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy, ao amin'ny kolontsaiko ary ny vahoaka misy ahy” hoy izy nanantitrantitra, mandrisika ireo vondrona iraisampirenena hanome vahana ireo fikambanana ao an-toerana tarihin'ny vehivavy fa tsy hanaloka azy ireo.

Asandratry ny asan'i Baldeh ny fandraisan'ireo vehivavy any ambanivohitra anjara izay antsoiny hoe “goavana tsy hita maso”, noho ny fijoroany amin'ny fanohanana ireo tanora amin'ny ady amin'ny FGM.

“Our mothers and our grandmothers came to join us to say that we are standing by our daughters. they may not be on the media speaking, but the reality is they made a change.”

“Tonga niaraka taminay ny reninay sy ny renibenay nilaza fa mijoro eo anilan'ny zanakay vavy izahay. Mety tsy hiseho na hiteny ao amin'ny haino aman-jery izy ireo, fa ny zava-misy dia nanao izay ho afany sy izay mety izy ireo.”

Ny fankahasitrahany ireo vehivavy ireo sy ny tsi-fisasarany no mampazoto azy hamita ny iraka hanafoana ny FGM, sy hampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Gambia sy any ivelany. Amin'ny alalan'ny WILL i Baldeh no mitsinjo hoavy hanomezan-kery ny vondrom-piarahamonina hizaka tena, ho ampy hery sy fahalalàna ary manolo-tena hamarana ny FGM sy hanohana ny zon'ny vehivavy rehetra, mankatoa izany, araka ny teniny : “Taranaka iray dia ampy hampitsaharana izany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.