
Mahmoud Ali Youssouf, filoha vaovaon'ny vaomieran'ny Firaisambe Afrikàna; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube France 24
Nanomboka ny 16 Febroary 2025, nahazo filoha vaovao ny vaomierany ny Firaisambe Afrikàna (UA) : ilay Djibotiàna Mahmoud Ali Youssouf (izay matetika ny anarany no soratana koa tahaka izao: Mahamoud), izay ho mafy ny asa miandry azy satria misedra fihenjanana marobe sy ady maro mitam-piadiana ilay tanibe.
Ny vaomieran'ny UA no sekretera maharitra sy miantoka ny fampandehanan-draharaha isanandron'io andrim-panjakana iray ivondronana firenena 55 io, ahitàna vahoaka afrikàna mihoatra ny 1,5 lavitrisa. Heverina ho toy ny mpitondra ambony indrindra misolo tena araka ny lalàna ilay andrim-panjakàna, ilay filoham-baomiera dia fidiana hitondra hiasa mandritra ny efatra taona azo havaozina in-dray mandeha. Ny fanatontosàna ny asany dia iarahany miasa amin'ireo kaomisera hafa miandraikitra departemanta hafa.
Iza i Mahmoud Ali Youssouf ?
Nandritra ny fihaonana faha-38 ara-potoana nataon'ireo filoham-panjakàna sy lehibena governemanta, natao tao Addis-Abeba ny 15 sy 16 Febroary, voafidy i Mahmoud Ali Youssouf ho filohan'ilay vaomiera, nahazo vato 33 tamin'ireo firenena 49 mpifidy – raha tokony ho firenena 55 izay mandrafitra ilay firaisambe, satria naato ireo firenena enina: i Borkina-Fasô, Nizera, Mali, Gabôna, Guinée Conakry ary i Sodàna noho ireo fanonganam-panjakàna vao haingana nitranga tany amin'ireo firenena ireo. Djibotiàna ny zom-pireneny, i Mahmoud Ali Youssouf no filoham-baomiera misolo toerana an'ilay Tsadiàna, Moussa Faki, izay nahavita fepotoana fiasàna in-droa (2017-2025).
Ny nifaninana tamin'i Mahmoud Ali Youssouf dia i Raila Odinga, praiminisitra fahiny tao Kenya sy i Richard James Randriamandrato, minisitra fahiny nisahana ny raharaha ivelany tao Madagasikara. Mahay fiteny maro ilay filoha vaovaon'ny firaisambe ary miteny tsy miambakavaka ny telo amin'ireo fiteny enina ôfisialy ao amin'ny UA : ny frantsay, ny anglisy ary ny arabo. Diplaomaty ihany kao ny asany ary efa nanano ny asa maha-minisitra djibotiàna nisahana ny raharaha ivelany sy ny fifandraisana iraisampirenena ny 2005 hatramin'ny 2025.
Raha nanambara ny fandreseny, navoakan'i Mahmoud tao amin'ny kaontiny X fa:
La décision de nos chefs d’état africains est tombée : ils m’ont confié la charge de diriger la CUA [Commission de l'Union Africaine]. C’est une très lourde responsabilité et j’en mesure l’importance : je m’engage à œuvrer pour faire avancer l’agenda continental : merci à tous pour votre soutien constant .
— Mahmoud Ali youssouf (@ymahmoudali) February 16, 2025
Nivoaka ny fanapahankevitr'ireo filoham-panjakàntsika afrikàna: nankinin'izy ireo amiko ny fitantanana ny vaomieran'ny UA. Andraikitra tena mavesatra izany ary tsapako ny maha-zavadehibe azy: raisiko ho andraikitra ny hiasa hampandroso ny fandaharanasan'ny tanibe: isaorako ny rehetra ny fanohananareo tsy nitsahatra
— Mahmoud Ali youssouf (@ymahmoudali) 16 Febroary 2025
Fanehoankevitra iraisampirenena
Olona marobe erantany manana ny maha-izy azy no naneho hevitra tamin'ny fanendrena an'i Mahmoud. Paul-Simon Handy, talem-paritra ho an'i Afrika Atsinanana ao amin'ny Ivontoerana fandalinana ny resaka fiarovana (ISS) no manazava amin'ny France24 :
Pour aller plus loin, nous avons reçu le Dr. Paul-Simon Handy, directeur régional de @issafrica pour l'Afrique de l'Est. Il a passé sa journée dans les coulisses du sommet de l’#unionafricaine.@France24_fr @FRANCE24 pic.twitter.com/iKDlD5DMq0
— Le Journal de l'Afrique – France 24 (@JTAfrique) February 15, 2025
Mba hirosoana lavidavitra kokoa dia raisintsika ny Dr Paul-Simon Handy, talem-paritry ny @issafrica ho an'i Afrika Atsinanana. Nandany ny tontolo androny tany ambadiky ny sehatr'ilay fihaonana an-tampon'ny #unionafricaine izy.@France24_fr @FRANCE24 pic.twitter.com/iKDlD5DMq0
— Le Journal de l'Afrique – France 24 (@JTAfrique) 15 Febroary 2025
Liesl Louw-Vaudran, mpikaroka manampahaizana manokana momba ny UA ho an'ny International Crisis Group (ICG) no manazava amin'ny gazety Le Monde:
Minisitra nisahana ny raharaha ivelany izy fa tsy filoham-panjakàna teo aloha. Hatramin'ny niforonany dia saika diplaomaty hatrany no nitantana ny UA. Ny tena hery lehibe ho an'i Mahmoud Ali Youssouf dia ny fahafantarany tanteraka ilay andrim-panjakana.
Fanamby marobe tsy maintsy horesena
Ny 16 Febroary 2025, nandritra ny fianianana nataony taorian'ny fanendrena azy, neken'i Mahmoud Ali Youssouf ny maha-goavana ny iraka vaovao iantsorohany. Ny haino-vaky-jery senegaly Exclusif.net mitanisa azy tahàka izao:
« Nianiana aho ny hanompo amim-pahamendrehana an'i Afrika mandritra ny efatra taona ho avy. Iraka iray tena mitaky zavatra betsaka. »
Izay indrindra, olana marobe sy ady mitam-piadiana no mikiky ny tanibe afrikàna: ny ady ifanandrinan'ny tafika ao RDC amin'ny M23 tohanan'i Roandà any atsinanan'ilay firenena; ny fifandirana ao Sodàna izay mahavoa vahoaka sivily maro hatrany.
Vakio: Les populations civiles dans l’est de la RDC victimes d'un regain de tension entre gouvernement et rebelles [fr.]
Lova noraisin'ilay filoha vaovaon'ny vaomieran'ny UA ihany koa ny antontan-taratasy momba ny fampiatoana ireo firenena enina, sy ny fifandonana ifanaovan'ireo mpiteny anglisy mitaky fizakantena sy ny governemanta kameroney.
Tanaty fanadihadiana iray, tsikaritry ny Exclusif.net tamin'ny nahavoafidy ilay minisitra djibotiàna ny antso hisian'ny fampivondronana sy ny hetsika ao amin'ilay tanibe:
Ny fandaniana an'i Mahmoud Ali Youssouf dia tonga rehefa nokatsahan'ny UA ny hitàna anjara toerana mavitrika amin'ny famahàna ireo olana afrikàna. Hita taratra anatin'ny hàfany ny fahavononana hanetsiketsika indray ilay andrim-panjakana sy hampiroborobo fitantànana iray fàka tàhaka….
(…) ny fiarahamiasa matanjak'ireo firenena mpikambana ary ny fanetsehana ireo loharanon-karena hanatratrarana ireo hetahetan'ilay fikambanana no tsy maintsy ianteheran'ilay filoha vaovaon'ny Vaomieran'ny UA. Fanolorantena manetriketrika ilay finianana nataony: dia ny hiaro amim-pahamarinana sy fahavononana ireo tombontsoan'ilay tanibe.
Ao amin'ilay tanibe, atrehan'ireo fikambanana isam-paritra ny olan'ny fiandrianam-pirenena : etsy andaniny ny Communauté Economique des États de l’Afrique de l’Ouest (CEDEAO) izay miatrika ny fialàn'ireo firenena lehibe telo : Borkina-Fasô, Mali ary Nizera, etsy ankilany, ny Southern African Development Community (SADC), vondrona iray hafa ao amin'ny faritra, izay atahorana hiditra hiaraka amin'i RDC amin'ny fifandonana amin'i Roandà, noho ny fanohanany an'ireo mpihoko avy amin'ny M23.
Anatina Afrika iray tandindonin'ny fisaraham-bazana tahàka izany, ahitàna fa mifofotra mafy tokoa hitazona ny dindony ry Shina, Eorôpa, Rosia sy ireo mpisehatra hafa, no tsy maintsy atrehan'ny UA ireo fanamby maro: pôlitika, fiarovana, toekarena sy teknôlôjika. Ireo rehetra ireo no manampy ireo sehatra heverina ho laharam-pahamehana sy voafaritry ny fandaharanasa 2063 ao amin'ilay andrim-panjakan'ilay tanibe: fitomboana ara-toekarena maharitra sy mampiaty, fitantanana tsara, fihavaozana.