Nanambara ny fandresen'ny fitokonana ny Filipino mpiasa amin'ny orinasan'ny semiconducteurs

Nexperia strike

Mpiasa nanangana toby fitokonana teo ivelan'ny vavahadin'ny toeram-piasana. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny ALL Nexperia FIGHT. Nahazoana alalana.

Nahazo fandresena lehibe ireo mpikatroka sendikaly ao Filipina taorian'ny fitokonana naharitra 74 ora nataon'ny mpiasa 1.800 tao amin'ny Nexperia Philippines, orinasa holandey mpamokatra semiconducteurs. Fitokonana niafara tamin’ny fandresena ny andron'ny 8 marsa rehefa nanaiky ny hampiakatra ny karama isan’andro sy hamerina ireo mpiasan’ny sendikà noroahina ny mpitantana.

Manamboatra sy manondrana ireo puce transistor sy micropuce fampiasa amin'ny fiara elektrônika, finday ary fitaovana elektronika hafa ny Nexperia. Araka ny filazan'ny sendikà, mahavokatra singa hatramin'ny fito tapitrisa isan'andro izay mitentina PHP 420 tapitrisa (7,3 tapitrisa dolara) ny orinasan'izy ireo.

Tsy nahomby ny ny fifampiraharahana hamoahana fifanarahana iombonana tamin'ny taona 2024 raha fisondrotana PHP 17 isan'andro (0,30 dolara US) no natolotry ny fitantanana manoloana ny fisondrotany PHP 50 isan'andro (0,87 dolara amerikana) notadiavin'ny mpiasa. Ankoatra izay dia nisy mpitarika sendikaly efatra ihany koa noroahina tamin’ny volana desambra nandritra ny fifampiraharahana.

Nifidy ny hanao fitokonana ny sendikà, saingy vao mainka nanasarotra ny fifampiraharahana ny sampan-draharahan'ny governemanta mifehy ny fifandirana arakasa tamin'ny 5 febroary. Afaka mampiasa fahefana araka ny lalàna ny sekreteram-panjakana misahana ny asa manoloana ny indostria “tsy afa-miala amin'ny tombontsoam-pirenena”. Mandrafitra ny ampahany be amin'ny fanondranana vokatra lehibe indrindra ao amin'ny firenena ny semiconducteurs.

Mbola niroso tamin'ny fitokonana ihany ny sendikà tamin’ny fibahanana ny varavaran’ny orinasa na dia teo aza izany sakana araka ny lalàna izany. Nihantsy hatrany ny mpiasa na dia efa namoaka baiko “hiverenana miasa” aza ny sampan-draharahan'ny asa. Nilaza ireo mpiasa nijanona tao anatin'ilay orinasa fa voarara tsy hahazo sakafo, rano ary kojakoja ilaina hafa avy amin'ny mpiara-miasa sy ireo olom-pirenena niahiahy teo ivelan'ny toeram-piasana. Nampangain’izy ireo ihany koa ny tompon’andraikitra amin’ny fanapahana ny jiro sy ny rano ao anatin’ny orinasa.

Nisy ny fifampiraharahana anjorony satria nahazo fanohanana avy amin’ny sehatrasa samihafa ny fitokonana. Nanaiky ny hampiakatra ny karama ny mpitantana tamin'ny farany ary hamerina ireo mpitarika sendikaly roa navoaka nandritra ny disadisa. Izany no nahatonga ny sendikà nanambara ny fandresen’ny fitokonana rehefa nanomboka ny asany indray tamin’ny 8 marsa.

Nipao-tsatroka tamin'ny firaisankina sy ny fahavononan’ny mpikambana ao aminy ny sendikà.

Pinakikitunguhan, at pinangingibabawan natin sa loob ng tatlong araw ang iniindang puyat, gutom, mga karamdaman, alinlangan, at mga pangungulila. Sa tinatanaw nating layunin, kinakaya at pinagsusumikapan nating malagpasan ang bawat hamon, sa pabrika man o sa piket. Lumaban tayo hanggang tagumpay!

Telo andro no niatrehantsika sy nandresena ireo havizanana, hanoanana, faharariana, fisalasalana, ary hanina hody. Nentanin'ny tanjona iraisana isika, dia nisakana sy nitolona mafy mba hihoatra ireo fanamby rehetra, tao anaty orinasa na tao amin'ny tsipika ijoroana. Andeha isika hiady mandra-pandresy!

Nanamarika ny foibe sendikaly Filipiana Kilusang Mayo Uno (Hetsika Voalohany Mey) fa iny no fitokonana lehibe indrindra tao anatin'ny taompolo maro ary nihaika ny politikan'ny “tsy misy fitokonana” ao anatin'ny faritra indostrialy fanodinam-bokatra sy fanondranana any ivelany. Nanamarika koa ireo mpaneho hevitra fa na dia nahazo ity fandresena azo tanatin'ny mafy ity aza ireo mpikatroka sendikaly, dia mbola maro ireo fanamby tsy maintsy atrehina:

Kasabay nito ang nagpapatuloy na hamon — ang patuloy na paglaban upang ibalik ang 2 pang opisyales at biguin ang amba ng tanggalan, ang patuloy na paggigiit ng nakabubuhay na sahod sa mga larangang lagpas pa sa empresa — sa antas pambansa, para sa lahat ng manggagawa, at ang patuloy na pagtindig at pagtatanggol sa karapatang mag-unyon at magwelga!

Mbola misy ireto fanamby manaraka ireto — ny filàna hanohizana ny fitakiana hamerenana indray ireo mpitarika sendikaly roa hafa sy handresena ireo fandrahonana fandroahana, ny tolona ho amin’ny karama mahavelona any ankoatry ny orinasa — eo amin’ny sehatra nasionaly, ho an’ny mpiasa rehetra, ary ny ady hiarovana ny zontsika hivondrona ho sendikà sy ny zo hitokona!

Nexperia workers hug each other

Maneho hafaliana ny mpiasan'ny Nexperia sy ny mpanohana azy ireo rehefa nofaranana ny fitokonana. Sary avy amin'ny pejy Facebook ALL Nexperia FIGHT. Nahazoana alalana

Notontosaina roa andro mialoha ny andro iraisampirenena ho an’ny (zon'ny) vehivavy ny fitokonana. Nidera ny vehivavy mpiasa ao amin'ny Nexperia sy ny anjara andraikitry ny mpiaro ny zon'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina ny Foibe sendikaly sy ny zon'olombelona.

We mark this year’s Women’s Day while we express solidarity with the striking workers of Nexperia Philippines Inc. Nexperia’s Cabuyao factory has a significant population of women workers, who are now fighting for higher wages, an end to mass retrenchment, and the reinstatement of union officials

Women suffer from trade-union repression. Wives of unionists and labor activists shoulder the burden of earning money and taking care of the family when their husbands are retrenched from work, imprisoned, or disappeared.

Manamarika ny Andron'ny Vehivavy amin'ity taona ity izahay amin'ny fanehoana firaisankina amin'ireo mpiasa mitokona ao amin'ny ozinin'ny Nexperia Philippines Inc. ao Cabuyao izay maro an'isa amin'ny mpiasa no vehivavy, mitolona hahazo karama ambony kokoa, hampitsaharana ny fandroahana faobe, ary ny famerenana ho amin'ny asany ireo mpitarika sendikaly.

Mijaly noho ny famoretana atao amin'ny sendikà ny vehivavy. Mitondra ny enta-mavesatry ny fitadiavam-bola sy ny fiahiana ny ankohonany ireo vadin’ny mpikambana sendikaly sady mpikatroka arakasa rehefa roahina amin’ny asany ny vadiny, na migadra, na nanjavona.

Nanantitrantitra ny halehiben'ny fampakarana ny fepetra iainan’ny mpiasa ny Filankevitry ny Fampandrosoana sy ny Fitantanam-Bahoaka, tambajotran’ny fikambanam-bahoaka.

There is no development and economic growth without full and productive employment, and decent work for all. Respect the rights to unionize, collectively bargain and the right to strike!

Tsy misy fampandrosoana sy fitomboana ara-toekarena raha tsy misy asa feno sy mamokatra, ary asa mendrika ho an’ny rehetra. Hajao ny zo hivondrona, ny fifampiraharahana iombonana ary ny zo hitokona!

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Daily Inquirer Philippine, niaiky ny maha-zava-dehibe ny fitokonan'izy ireo ny filohan'ny sendikà Mary Ann Castillo.

Many became aware. That’s when we started again to strengthen our union. That’s also when other workers and other unions were inspired… that what we did with our fight, despite the AJ [assumption of jurisdiction], was possible.

Maro no tonga saina. Tamin’ny fotoana nanombohanay nanamafy ny firaisankinanay. Tamin'ny fotoana nahazoan'ny mpiasa hafa sy ny sendikà hafa aingam-panahy… fa izany no nataonay tamin'ny tolonay, na dia azo natao aza ny AJ.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny fampitam-baovao tsy miankina Bulatlat, nidera ny tanjaky ny sendikà noho ny fahombiazan'ny fitokonana ny lehiben'ny mpiasa Rowena Matienzo.

Our strike was successful because we showed the unity of the workers. This is the strength that will help us succeed; we can halt production if we work together to defend our wages, jobs, and rights. The workers of Nexperia demonstrated that workers with 40 years of union experience are not to be taken lightly.

Nahomby ny fitokonana nataonay satria naneho ny firaisankinan’ny mpiasa izahay. Izany no hery hanampy anay hahomby; afaka mampiato ny famokarana izahay raha miara-miasa hiaro ny karamanay sy ny asanay ary ny zonay. Nasehon'ny mpiasan'ny Nexperia fa tsy azo hamaivanina ny mpiasa manana zatra sendikà nandritra ny 40 taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.