Maro ny sakana ara-pitsipika, fa mitarika fizahantany mateza amin'ny angovon'ny masoandro ny hotely mihajan'ny Repoblika Dôminikana

Toby fôtôvôltaika sady famahanan-jiro ao amin'ny Grand Sirenis Punta Cana Resort ao amin'ny Repoblika Dominikana. Sary nampindramin'ny hotely mihaja, nahazoana alalana.

Miroso mankany amin'ny môdely maharitra kokoa amin'ny fampidirana angovo azo havaozina ao amin'ny asany ny sehatry ny trano fandraisam-bahiny ao amin'ny Repoblika Dominikana, na dia miraikitra aza ny sakana lehibe any amin'ny faritra sasany.

Nilaza ny injeniera elektrika Luis Jonas Ortiz, mpitantana teo aloha ny tetikasa hybridisation biomass ao amin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny angovo ao amin'ny firenena, fa mandeha moramora ny fifindrana mankany amin'ny herin'ny masoandro any amin'ny fandriam-bahiny, indrindra any amin'ny faritra mitoka-monina izay ametrahan'ny orinasa mpamokatra herinaratra fameperana. Mikasa hamolavola ny tetikasany manokana momba ny angovo azo havaozina ireo orinasa ireo, hanakona ireo fisantaran'andraikitra ivelany, miantraika amin'ny halakin'ny fandraisana teknolojia madio.

“Napetraka ny angovo azo havaozina hamatsiana ampahany ny tinady jiro sy rano mafana. Manamora ny fifanakalozana angovo ny governemanta miaraka amin'ireo orinasa mpaninjara ao amin'ny faritra misy azy ireo amin'ny alàlan'ny programa fandrefesana (ambin'angovo nomena)”, hoy ny fanazavan'i Ortiz. “Ny famokarana ny an'ny tena amin'ny fomba mahaleotena indray ny fiasa iray hafa. Amin'ireo tranga roa ireo, nampiarahina amin'ny fandrisihana ara-ketra ny vidim-pitaovana, toy ireo fitaovana fôtôvôltaika, mpamadika ventin'angovo ary vatoaratra.”

Manana takela-masoandro photovoltaique izay manavotra manodidina ny 32 isanjaton'ny fanjifana angovo avy amin'ny mpaninjara, ohatra, ny Hodelpa Garden Court izay miorina ao an-tanànan'i Santiago izay 155 km any avaratrandrefan'ny renivohitra. Mikasa ny hanitatra ity tetikasa ity ny trano fandraisam-bahiny handrakofana ny 45 isanjaton’ny filany. Amin'ny fampiasam-bola ao amin'ny fampandehanantena sy ny fahombiazan'ny angovo, mitsinjo ny mpandraharaha fa mety ho afa-mampihena ny fanjifana herinaratra hatramin'ny 70 isanjato isan-taona ry zareo.

Nanokana ny 40 isanjaton'ny angovo ny Gran Almirante kintana dimy, rojom-pandraisam-bahiny Hodelpa fito — izay manomboka manangana rafi-pitantanan'angovo ahitana fampiasam-bola amin'ny rafitra fôtôvôltaika —  hamanàna rano mafana amin'ny alàlan'ny angovon'ny masoandro, manavotra ny 28 isanjaton'ny fanjifàny solika isan-taona. Mikasa ny hametraka rafitra photovoltaïque izy io mba hahasahana ny 60 isanjaton'ny fanjifàny herinaratra isan-taona.

Na izany aza, nanamarika i Ortiz fa mitarazoka ny sakana ara-pitsarana sy ara-pitantanana, indrindra ho an'ireo fandraisam-bahiny any amin'ny faritra mitoka-monina. Fanamby lehibe amin'izany ny fanemoram-potoana amin'ny fankatoavana tetikasa, ny fiovaovam-bidy, ary ny fanerena ara-barotra izay manakatsakana ny tetikasam-pampandrosoana tsy miankina.

“Nomena tombony tamin'ny fandrisihana ara-ketra, faktioran-jiro mora kokoa ary fampihenana etona mangeja hafanana ny trano fandraisam-bahiny ivelan'ny faritra mitoka-monina,” hoy i Ortiz. “Nisy ny nampiaraka ireo hetsika ireo tamin'ny (fiara?) elektrika ivezivezena, nampitombo ny olona miantrano izay manome lanja ny fandraisana anjara ara-tontolo iainana.”

Mitarika tetikasan'angovo azo havaozina any atsinanan'ny Repoblika Dominikana, izay ahitana fizahan-tany lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ny Punta Cana-Macao Energy Consortium (CEPM). Ohatra amin'izany ny valan-takela-masoandro FV3 ao Bávaro, izay manana tanjaka 10 MW, miampy teknolojiam-pitahirizana mahazaka ny tambajotra mandritra ny adiny efatra, mamokatra 40 MWh. Fanampin'izany, nanomboka nanangana toby fotovoltaika vaovao (FV4, FV5, ary FV6) amin'ny fampiasam-bola 56,4 tapitrisa dolara US novatsian'ny BID Invest ny CEPM.

Nilaza Roberto Herrera, tale mpanatanteraka, fa “kitro ifaharana” ny CEPM amin'ny fampivoarana ny fizahan-tany ao amin'ny Repoblika Dôminikana “amin'ny fanomezana angovo azo antoka izay nampiroborobo ny fitomboana sy ny fahafaha-mifaninana manerantany”: “Afa-kenatra izahay fa mpiara-miombon'antoka ara- angovo amin'ireo orinasa tsara vina izay nisafidy ny hampiasa maodelim-pomba fiasa madio kokoa sy mateza kokoa. Ankehitriny izahay mifantoka amin'ny hahatonga ny taranatsika hadio 100 isanjato amin'ny fanohizana ny fitarihana ny tetezamita mankany amin'ny maodelin'angovo mateza kokoa. ” Manana adidy ny fikambanana, hifantoka amin'ny “tetikasa mpisava lalana” izay tsy vitan'ny hoe mitarika ny firenena ho amin'ny (vanim-potoana) tsy mamoaka etona mangeja hafanana, fa miantoka ihany koa ny fahatezàna maharitra.

Miombon-kevitra i Rolando González Bunster, filohan'ny InterEnergy Group – orinasa renin'ny CEPM – fa tanjona ny “hitarihana tetikasa mitondra maodelin'angovo madio sy mahafaninana ho an'ny sehatry ny fizahantany.” Nahafahana nametraka takela-masoandro izay hamokatra herinaratra madio 395.023 MWh ao anatin’ny 15 taona, misoroka ny famoahana CO2 hatramin'ny 225.558 taonina ny fiaraha-miasa amin’ireo samy hotely .

Fanampin'izany, hotely maromaro no nampiditra toby famahanana fiara mandeha amin'ny herinaratr'angovo azo havaozina. Nilaza i Diego Díaz, Talen'ny Fampandehanana asa ao amin'ny Grand Sirenis Punta Cana Resort, fa tsara fandraisana ny toby fôtôvoltaikan'ny hotely sy ny tobin'ny famahanana herinaratra.

“Eo amin'ny fahatezàna,” hoy izy, “dia tena tsara ny fiantraikany rehefa mitombo izahay sy mahazo mari-pankasitrahana vaovao ho lasa hotely mateza. Nitombo be ny fitsitsiana angovo, ary avo ny fahafaham-pon'ny mpiantrano amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny fahatezàna. ” Ny tetikasa takela-masoandro ao amin'ny Grand Sirenis, izay mahazaka 1,05 MWp sy modules photovoltaiques 1.568, dia hamokatra 1,659 MWh amin'ny taona voalohany, hihena hatramin'ny 1.173 taonina ny lefa CO2 , ary hanolotra tontolo iainana mateza tsimanampaharoa ho an'ny mpiantrano.

“Hatramin'izao, tsy mbola niatrika olana lehibe izahay amin'ny angovo azo havaozina,” hoy i Díaz nanohy. “Isaky ny manomboka tetikasa izahay dia miantoka fa fanapahan-kevitra mety izany, misy fiantraikany tsara amin'ny vahiny sy ny mpiasa ary manantitrantitra ny fikarakarana ny tontolo iainana.” Rehefa mandroso mankany amin'ny fahatezana ny indostrian'ny hotely mihaja Dominikana, dia mazava fa tena ilaina amin'ny fandresena ireo sakana sy ny fanamafisana ny maodely fizahan-tany tompon'andraikitra amin'ny tontolo iainana ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina.

Ny tantara avy amin'ny Climate Tracker Caribbean dia novokarina avy amin'ny fanohanan'ny Caribbean Energy Transition Media Mentorship

.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.