
Sary natambatr'i Melissa Vida ho an'ny Global Voices. Havia: ilay mpirotsaka ho filoham-pirenena sady filoha amperinasa, Daniel Noboa avy amin'ny antoko ADN (sary avy amin'ny Presidencia de la República del Ecuador tao amin'ny Flickr, nampiasàna ny lisansa Public Domain Mark 1.0 Universal). Havanana : ilay mpiriotsaka ho filoham-pirenena, Luisa González avy amin'ny antoko RC (Sary avy amin'i Joselito Bolaños ho an'ny Asamblea Nacional del Ecuador tao amin'ny Flickr nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0).
Ny Alahady 9 Febroary 2025, nanao ny fifidianana solombavam-bahoaka i Ekoatora, nihoatra ny 11 tapitrisa ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato mba hifidy ireo mpitarika hitantana azy mandritra ny efatra taona ho avy.
Tamin'ireny fifidianana ireny, nifidy ireo ho manampahefana eo amin'ny fireneny ry zareo Ekoatoriàna, dia ny filoha sy ny filoha lefitry ny Repoblika, avy amin'ireo 151 mpikambana avy ao amin'ny antenimiera ary 5 avy amin'ireo parlemantera andeàna.
Ilay antenimeram-pirenena vaovao, izay handray ny asany ny 14 May, dia hery pôlitika roa no tena handrafitra azy: ny mpanohitra avy amin'ny afovoany-havia, izay misolo tena azy ny Movimiento Revolución Ciudadana (RC), tarihan'ilay filoha taloha Rafael Correa, ary ny antoko eo amin'ny fitondràna, afovoany-havanana Acción Democrática Nacional (ADN).
Tsy nahazoan'ireo mpirotsaka ny vato sahaza mba hahazoana ny fandresena iny fihodinana voalohany iny. Noho izany, araka izay voasoratra ao anatin'ny tetiandrom-pifidianana, ny 13 Aprily no hatao ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho mpitondra faratampony ao amin'ny firenena. Ao anatin'io fifidianana ho avy io, ny filoha amperinasa, Daniel Noboa, dia hiatrika indray an'i Luisa González ilay tena mpifanandrina lehibe aminy sady kandidà Correista, izay resiny tany aloha nandritra ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana mialoha ny fotoana tamin'ny 2023.
Ho an'ilay fihodinana faharoa, ireo kandidà roa dia samy tsy maintsy hanao ho laharam-pahamehana ireo olana goavana tena mianjady amin'ny ankamaroan'ireo Ekoatoriàna. Araka ny fandalinana iray nataon'ny IPSOS, kabinetra mpikaroka momba ny tsena, ny telo ampahefatry ny vahoaka no tena velom-panahiana kokoa momba ny tsy fananana asa sy ny tsy fandriam-pahalemana.
Pôlitikan'ny tàna-mahery sy ireo fanjavonana an-tery
Olana ara-tsôsialy raiki-tampisaka izay tsy nahitàna vahaolana nandritra ireo fitantanana telo nifandimby ny resaka filaminam-bahoaka. Ekoatora no manana ny taha avo indrindra amin'ny famonoana olona ao Amerika Latina. Tamin'ny Janoary 2025 monja, 732 ireo fahafatesana vokatry ny herisetra no voarakitra, raha ampitahaina amin'ireo 487 tamin'ny Janoary 2024. Ilay manampahaizana manokana amin'ny resaka fandriam-pahalemana, Luis Córdova, dia mametraka ilay fisondrotan'ny herisetra ho avy amin'ny tsy fisian'ny hirika noho ny zara fa fisian'ny fampiasambolam-panjakana ho an'ireo tolotra tena ilaina, toy ny fahasalamàna, ny fanabeazana ary ny asa.
Iray amin'ireo fampanantenana avy amin'i Noboa ny hanohizana ilay pôlitikan'ny “ady mitam-piadiana ao anatiny”. Tamin'ny Janoary 2024, olona 12 nirongo fitaovam-piadiana mavesatra no nanao bemidina tany amina tobin'ny fahitalavitra ekoatoriàna iray. Nitondra tany amin'ny fanenjehana ireo voarohirohy ho nanao asa fampihorohoroana ny horohoro niainan'ireo mpanao gazety sy ireo mpiasan'ny haino-vaky-jery nandritra ny fandefasana mivantana ny sary. Taorian'io tranga nampihoron-koditra io, nosoniavin'i Noboa ilay didim-pitondràna “ady mitam-piadiana ao anatiny”. Nanomboka ny Febroary 2024, naparitaka teny an'arabe ny tafika mba hiantoka ny filaminam-bahoaka.
Kanefa, voatsinkafona hatramin'ny kely indrindra ny anjara andraikitry ny tafika taorian'ilay zava-nahatsiravina “Ireo Efatra tao Guayaquil.” Voampanga tamin'ny fampanjavonana an-kery tanora tsy ampy taona niisa efatra tamin'ny Desambra 2024 ny tafika, niaraka tamin'ireo tranga hafa tsy naboraka. Teny an-dàlana hody rehefa avy nilalao baolina kitra i Ismael sy Josué Arroyo, 15 taona sy 14 taona, Nehemías Arboleda, 15 taona, ary Steven Medina, 11 taona, no nosamborin'ny tafika mpanao fisafoana tao amin'ny faritra fonenan'ny mpiasa ao Guayaquil. Araka ny nambaran'i Giancarlo Loffredo, minisitry ny fiarovam-pirenena, toa hoe nosamborina noho ny resaka “halatra” ireo ankizy ireo.
Taty aoriana kely, ny 24 Desambra 2024, hita teny akaikin'ny toby mairamila Taura ny taolana may, sisa tamin'ireo zaza tsy ampy taona. Na izany aza, 16 ireo miaramila voalaza fa voarohirohy no nandà ho tsy nisy nidirany tamin'ny fanjavonan'izy ireo. Nambaran'ny governemanta ho asan”ireo vondrona mpanao heloka bevava” ny fanjavonan'izy ireo, araka ny nolazain'ny minisitra Loffredo tao anaty fialantsiny ampahibemaso taorian'ny namoahan'ny mpitsara, Tanya Loor, fanapahana ilay raharaha ho “trangam-panjavonana an-tery” teny am-pelatanan'ny tafika, tamin'ny 24 Desambra 2024.
Mba hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana, ny hanavaozana ny lalàm-panorenena mba handidiana ny fitazonana mialoha ny fotoam-pitsarana ho an'ireo heloka mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana dia iray hafa amin'ireo tolokevitry ny kandidà ho filoham-pirenena, Daniel Noboa. Tanjon'io fepetra io ny hanakanana ireo mpitsara tsy hamotsotra ireo olona mbola iharan'ny fanadihadiana amin'ny resaka “asa fampihorohoroana” alohan'ny hanamelohana azy ireny.
Fampiasambola ara-tsôsialy
Etsy ankilany kosa ilay ramatoa kandidà avy amin'ny afovoany-havia Revolución Ciudadana, i Luisa González. Teo aloha izy dia nitàna toerana ambony tao anatin'ny fitantanan'i Rafael Correa (2007–2017). Tamin'ny 2020 i Correa dia nampangain'ny fitsaràna ao Ekoatora noho ny resaka kolikoly ary nanomboka teo dia niaina an-tsesitany ao Belzika. Nambarany fa fanenjehana ara-pôlitika ilay fiampangàna azy, nataon'ireo mpanohitra mba hanakanana azy tsy hilatsaka indray hofidiana ho filoha.
González, tamin'ny andrana fanindroany nataony hiverenana ao amin'ny governemanta, dia nanosoka hevitra hiady amin'ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny alàlan'ny fampiasambola ara-tsôsialy — fiarovana ireo niharam-pahavoazana, fanonerana, famerenana amin'ny toerany sy ho anivon'ny fiarahamonina ho an'ireo olona mila izany. Tanjony ihany koa ny hamerina ny Ministeran'ny Filaminana sy ny Ministeran'ny Fitsaràna, ny Zon'Olombelona ary ny Finoana, ny hanavao ny rafitry ny Ministeran'ny Atitany sy ny Governemanta, ary ny hamerina ny Antenimieran'ny Filaminan'ny Vondrom-piarahamonina ho toy ny fitaovana iray fanarahamaso sy fiarovana ny olom-pirenena. Ankoatra izay, fikasàny ny hanome fanamafisam-pahaizamanao ireo andrim-panjakana ao anivon'ny tafika sy ny pôlisim-pirenena amin'ny resaka fandrindràna asa, paikady ary fanangonam-baovao.
Ny mangarahara sy ny fandraisana anjaran'ny olompirenena
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nipoitra ireo fiampangàna mampifamatotra ireo kandidà sy ireo antoko pôlitika amina raharaha fanondranana zava-mahadomelina. Ho setriny, nanolotra “fifanekena ara-maoraly” i González, ifanaovan'ny Ekoatoriàna rehetra mba hiantohana ny mangarahara amin'ny loharanombolan'ireo antoko pôlitika ary hanamafy ireo antoko. Hita anatin'ny sosokeviny ny fandraisana anjara avy amin'ny olompirenena ho fanarahamaso sy fijerena akaiky ireo antoko pôlitika ary hetsika voarakitra eny amin'ny Vaomiera Nasiônaly misahana ny Fifidianana.
Ilay sosokevitr'i González dia mifototra amin'ny “dingana iray ho famerenana ny demaokrasia andraisan'ny rehetra anjara” ikendrena ny hamerenana ireo andrimpanjakana ho an'ny vahoaka. Kanefa, ireo mpanakiana azy, isan'ireny i Noboa, dia niampanga ampahibemaso ny sosokeviny, tamin'ny filazàna fa, tsy misy porofo, ireo fifandraisana misy amin'ireo mpiara-dia aminy sy ireo vondrona mpanao heloka bevava.
Anatin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana hatao ny 25 Aprily, handrotsaka ny vatony ireo Ekoatoriàna hamaritra ny hoavin'ny firenena mandritra ny efatra taona manaraka.