Manamafy orina ny vahoaka Tzeltal amin'ny fiteny, tsiro ary fidirambola

#StoriesThatInspire. Fantaro ireo mpikatroka 10 mampiasa ny media ankihy hanamafisana sy hampiroboroboana ny fiteny mayana ao Meksika.

Sary avy amin'i Cristina Álvarez, nahazoana alalana avy aminy.

Fantaro ireo tantara mampientanentana avy amin'ireo nahazo Vatsy hanampiana ny fikatrohana ankihin'ny fiteny Mayana taona 2024 nokarakarain'ny Rising Voices. Ato amin'ity andrana manokana ity no izaràn'ny mpanoratra amintsika ireo niainany raha mikatroka sy ny tetikasa ikatsahany ny fampiroboroboana ny fitenin-drazany eo anivon'ny vondrom-piarahamoniny sy anjotra. 

Fokonolona Amatenango del Valle, tanin'ny voromailala sy jaguar tanimanga ary tanin'ny vazimba teratany mpanao asa tanana ao Chiapas, Meksika aho. Fokonolona Tzeltal kely i Amatenango del Valle fa mikolontsaina lehibe. Tsy takona ny fiteniny sy ny fitafiny ary ny fomban-drazany. Tsimanampaharoa ny fokonoloko amin'ny fananana tanana majika mamolavola piesy tsara tarehy, amin'ireo fanaka tanimanga, indrindra ireo nataon'ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina.

Tzeltal aho, ary amiko, ny fiteny no maneho ny marika anondroana anay, ilay maha-izahay anay sy izay ataonay, izany no famantarana mazava ny maha-Amatenanguero. Mpanabe vondrom-piarahamonina amin'ny alàlan'ny Vaomieram-Pirenena ho Fampandrosoana ara-panabeazana (CONAFE)  aho amin'izao fotoana izao ary vao haingana aho no nahazo diplaoma tamin'ny injenieran'ny fambolena/fiompiana miaraka amin'ny voliala, hatramin'ny nahalianako hanatanteraka hetsika mifandraika amin'ny resaka ambanivohitra sy ny tambanivohitra, sady manasongadina ny fitenin-drazako sy ny fiaviako amin'ny fotoana rehetra.

Sary avy amin'i Cristina Álvarez, nahazoana alalana.

Taona vitsy lasa izay aho no nanomboka nanatanteraka tetikasa tao amin'ny fokonolona misy ahy, nifantoka tamin'ny asa tanana tamin'ny voalohany. Niasa niaraka tamin'ny vehivavy mpanao asa tanana aho hifanakalo fahalalàna ahafahan'izy ireo manamafy ny talentany. Taty aoriana aho nandray anjara tamin'ny tetikasa mifandraika amin'ny zon'ny vehivavy. Tao amin'izany sehatra izany aho nianatra fitaovana fanamoràna handrisihana ny olona haneho hevitra amin'ny fiteniny.

Ny tsironahandron'ny fiarahamoniko

Amin'ity taona ity aho, noho ny fanohanan'ny Fandaharan'asam-pikatrohana ankihin'ny fiteny mayana, hanohy amin'ny fanohizana hiasa ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy, hanambatra ny fikajiana ny fiteny, ny fahalalàna momba ny sakafo isan-toerana, ary ny fiofanako ho injeniera. Tanjoko ny hitarika hetsika izay hanamafy orina ny Tzeltal fiteniko sady hiasa amin'ny fijakiana ireo fahalalàna sy vokatra ato an-toerana.

Sary avy amin'i Rosa Gómez, nahazoana alalana avy aminy.

Ho famitàna izany no nametrahako ny tetikasa “Fizotra Welil Amatenango”, izay ahitana fanaovana horonantsary fohy momba ny fikarakarana sakafo. Manana fanamarinana amin'ity lohahevitra ity aho manana diplaoma ary tiako ny hizara izany fahalalàna izany amin'ny fiarahamoniko. Ao amin'ny tetikasako aho nanapa-kevitra ny hiasa miaraka amin'ny ankizy sy ny tanora. Anisan'ny asa tarihiko ny hitety vazantany hanangona voankazo ary avy eo hanao izany ho kônfitira, sirô, ary divay. Amin'ity tetikasa ity, tiako ny hanampy ny ankizy hianatra sakafo vokarina ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy, hanamafisana orina ny fiteniny ary hianatra zavatra mety hitera-bola rahatrizay.

Manamora ny fifandraisana misy eo amin'ny olona anatiny sy ivelan'ny fiaraha-monina ny media ankihy sy ny teknolojia, koa hamorona horonantsary hizaràna izany fahalalàna izany amin'ny olona maro kokoa, amin'ny fiteninay manokana, ary amin'izany fomba izany, hanamafy ny maha-zava-dehibe ny teny Tzeltal.

Sary avy amin'ny Cristina Álvarez, nahazoana alalana avy aminy.

Hatramin'izao aho mahatsikaritra fa maro ireo sakana amin'ny fanatanterahana tetikasam-pikolokoloan-teny, iray amin'izany ny tsy fahampian'ny fanohanana ara-bola, sy ny tsy fahampian'ny fanohanana avy amin'ny fokonolona, ka miezaka aho ny hanao ireo tetikasako hisy singa azo ampiharina mahaliana ny fiaraha-monina ka rehefa elaela dia mety hahazoam-bola hivelomana.

Mikajy ny mariky ny kolontsainay

Anisan’ny zava-dehibe amiko hatramin’izay ny tsy hahavery ny fiteninay, rehefa tsy manao ny fiteny ho mari-pamantarana ny olona rehetra ka noho izany dia manana andraikitra lehibe amin’ny fikolokoloana sy fitandroana ny kolontsaina famantarana izahay tanora. Rahatrizay, tiako ny hanohizana fianarana fifandraisana sy fitaovam-panabeazana mba hamoronana tetikasa manao ho vaindohan-draharaha ny fiaraha-miasam-pokonolona sy ny fandraisany anjara, ary koa ho fiarovana ny teninay.

Tiako ny hahita fiovan-tsanda omena ireo fiteny vazimba teratany ao anatin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy any amin'ny faran'ireo volana niasana ireo. Tiako ny mahita olona hahay maneho hevitra bebe kokoa amin'ny fitenin-drazany tsy misy tahotra havakavahana na hokianina mihitsy aza noho ny fitenenan-dry zareo amin'ny tenin-drazany na aiza na aiza alehany. Tiako hahazo hery ny mpamokatra sy ny mpamboly ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy mba hahitan'izy ireo ny lanjan'ny vokatra toy ny akora sy ny mety ho fikirakindra-dry zareo izany.

Araho ny tetikasako: Procesamientos Welil Amatenango

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.