Ao Borondi, manosika ireo mpanao gazety hanivana ny tenany sy honina an-tsesitany ny tsy fisian'ny tena fahalalahana maneho hevitra

Takelaka iray manondro ny orinasan-gazety Iwacu ; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Agence France Presse (AFP)

Ny tontolon'ny asa fanaovana gazety ao Borondi no itarafana ireo fanamby faratampony atrehan'ireo mpanao gazety ao amin'io firenena ao Afrika afovoany io. Matetika izy ireo no iharan'ny fandrahonana ho faty sy ny tsy fandriampahalemana azo ambara ho raiki-tampisaka

Ny fanomezana laharana ho an'ny taona 2024 nataon'ny Reporters sans frontières (RSF) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia mametraka an'i Borondi ho amin'ny toerana faha-108 amin'ny firenena 180, izay maneho fisondrotana kely raha ampitahaina amin'ny toeran'ilay firenena tamin'ny 2023, nitazonan'ilay firenena ny toerana faha-114.

An-taratasy, ny lalàm-panorenana borondey no miantoka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao anatin'ny Andininy faha-28 milaza hoe:

Ny olona rehetra dia manana zo haneho hevitra sy fomba fijery ao anatin'ny fanajàna ny filaminam-bahoaka sy ny lalàna. Ekena sy arovan'ny Fanjakàna ny fahalalahan'ny gazety.

Saingy hafa mihitsy ny zavamisy eny an-kianja satria miatrika fisamborana sy fiampangàna tsy miato ireo matianin'ny haino-vaky-jery. Safidy mahery vaika mazàna no atrehan'ireo borondey mpanao gazety: na miandàny amin'ny mpitondra amperin'asa, na manao vy very ny iaina hiatrika fonja sy fandehanana an-tsesitany mba haneho ny fahaleovantenany amin'ny asa fanaovana gazety.

Fanivànana haino-vaky-jery sy fanagadràna mpanao gazety

Marobe ireo tranga manamarina ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra: tamin'ny Desambra 2024, Sandra Muhoza, mpanao gazetin'ny haino-vaky-jery an-tambajotra La Nova Burundi, dia nohelohina 21 volana an-tranomaizina noho ny “fanohintohinana ny maha-iray tsy mivaky ny faritry ny firenena sy ny fankahalàna foko”. Nahatezitra ny tontolon'ny asa fanaovana gazety sy ireo fikambanana mpiaro ny mpanao gazety ilay fanamelohana azy, toy ny Committee to Protect Journalists -CPJ (Vaomiera ho fiarovana ireo mpanao gazety). Tao amin'ny kaontiny X natokana ho fandrakofana an'i Afrika, namoaka toy izao ny CPJ:

« Mampalahelo fa ny 16 Desambra, nohelohin'ny tribonaly iray tao #Borondi higadra 21 volana ilay ramatoa mpanao gazety, Sandra Muhoza, misy ifandraisany amin'ireo ranty nalefany tao anaty vondrona iray WhatsApp iraisan'ireo mpanao gazety. Hatramin'ny Aprily i Muhoza no voatazona ary ny fiampangàna azy no ohatra farany, hatreto, amin'ny fanararaotana ny rafi-pitsaràna ataon'i Borondi hamoretana ireo feo mpanakiana. Tokony havotsotr'ireo manampahefana ao Borondi tsy arahana fepetra i Sandra Muhoza ary atsahatra ny fanaovana ho heloka bevava ny maha-mpanao gazety tsotra fotsiny », hoy @angelaquintal mpitantana ny fandaharanasa ho an'i Afrika ao amin'ny  @pressfreedom
— CPJ Africa (@CPJAfrica) 18 Desambra 2024

Tamin'ny Janoary 2023, Floriane Irangabiye, ramatoa mpanao gazety, mpanentana ao amin'ny onjampeo an-tambajotra Igicaniro dia nohelohina folo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy iray tapitrisa farantsa borondey (338 dôlara amerikàna)  noho ny resaka “fanohintohinana ny filaminana anatin'ny faritry ny firenena”. Ireo tranga vitsivitsy ireo, ary koa ireo fandraràna tsy hamoaka ranty sy ireo zavamisy hafa toy ny sivana dimy taona nanjo ny tranonkala Iwacu-burundi tamin'ny 2017 hatramin'ny  2022 no porofon'io fikasan'ny manampahefàna borondey hanampim-bava ny gazety io.

Borondey iray mpanao gazety nitafàn'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhattsApp no tsy nitonona anarana nilaza hoe:

Marobe ireo mpanao gazety ary hatramin'ny haino-vaky-jery no manivana ny tenany na misafidy ny tsy hiasa intsony amina lohahevitra mety hahasorena ireo manampahefana ao amin'ny firenena, toy ny : kolikoly, ny pôlitika ary na ny fitantànana aza. Satria mihatra amin'ny ain'izy ireo. Ireo izay manandrana na misisika ny hamoaka ireny lohahevitra ireny, dia miteny tsy mitonona anarana.

Ao amin'io firenena ahitàna vahoaka mihoatra ny 14 tapitrisa io, tao anatin'ny tatitra 2024 nataony, Freedom in the world (Ny fahalalahana eto amin'izao tontolo izao), dia nohamafisin'ilay fikambanana iraisampirenena Freedom House ny tsy fisian'ny tena fahaleovantenan'ny haino-vaky-jery  ary ao anatin'izany ilay firenena dia nomeny ny naoty 14 amin'ny 100, ny naoty ambany indrindra azon'ilay firenena raha gazety no resahana.

Haino-vaky-jery miasa ho an'ny fitondràna amperin'asa

Ny rafitra pôlitika ao amin'ilay firenena dia anjakan'ireo antoko izay, vantany vao tonga eo amin'ny fitondràna, dia lasa mankahala ny fanakianana ankarihary ataon'ireo haino-vaky-jery momba ny fandaharanasan-dry zareo sy ny hetsika ataony. Araka izany, ny Conseil National pour la Défense de la Démocratie-Forces de Défense de la Démocratie (CNDD-FDD), antoko pôlitika an'ny filoha amperinasa, Évariste Ndayishimiye, eo amin'ny fitondràna hatramin'ny Jona 2020, dia mitantana ny firenena amin'ny tàna-maheriny. Hatramin'ny vanim-potoanan'ilay filoha teo aloha, Pierre Nkurunziza (2005-2020), niatrika fandrahonana sy famoretana ireo mpitsikera ny fitondrana ary iharan'ny herisetra. 

Raha nosamborina sy nogadraina ireo matianina avy amin'ny haino-vaky-jery tena mpitsikera ny fitondrana amperinasa, na voatery nandositra ny firenena, ny hafa kosa nanaiky ny hihira fiderana ny fitondrana amperinasa. Ny mpanao gazety izay voatanisa ery ambony ihany no manamafy fa:

Lasa mpitantara angano mitety vohitra ho an'ny Fanjakana ireo Borondey mpanao gazety. Tsy manao afa-tsy ny milaza zavatra tsara momba ny fitondrana amperinasa ry zareo. Ny famokaran-dry zareo lahatsoratra dia mitovy be amin'ny famokarana ataon'ny sampana fampitam-baovaon'ny fitondràna. Mampalahelo hoe tonga amin'izany isika, satria nisafidy ny hanao izay mahafalifaly ry zareo fa tsy ny hilaza ny zavamisy.

Ny FOrum pour la COnscience et le DEveloppement (FOCODE), fikambanana borondey iray mpiaro ny zon'olombelona, dia miampanga ny fahavitrihan'ny Ombudsman (solotenam-bahoaka) ao Borondi, izay tsy iza fa i Aimée Laurentine Kanyana manoloana ireo mpanao gazety. Tanaty ranty iray tao amin'ny kaontiny X, FOCODE nanoratra hoe:

#Borondi #FahalalahanNyAsaFanaovanaGazety #HabakaHoAnDaholobe

Solontenam-bahoaka ao Borondi: Rehefa manelingelina ny fitondrana ny filazana ny marina#FocodeMagazine | 20 Febroary 2025

Tsy ela akory izay ny solontenam-bahoaka ao Borondi, Aimée Laurentine Kanyana, no nanàla baraka ireo mpanao gazety ao amin'ny firenena, nanome tsiny azy ireo ho manaratsy ny sarin'i Borondi amin'ny alàlan'ny fampitàna vaovao heverin-dry zareo ho diso miiba loatra. Ny hàfany ve? Ny tokony hataon'ireo haino-vaky-jery dia ny mihirahira ny fiderana ireo “fahombiazana” vitan'ny firenena ary manao izay “tsy hanaratsiana” ny firenena. Raha fehezina dia antso iray ankolaka hisiana gazety mpanaraka ambokony, mpitondra teny mahatoky ho an'ny governemanta. Fa nanomboka oviana ny anjara asan'ny mpanao gazety no hanatsaratsara ny zavamisy fa tsy ny hamboraka izany ? Ao ambadik'io kabary misarintsarina fitiavan-tanindrazana io no miafina ny fahamarinana iray tena mampanahy kokoa : matahotra hazavana ny fitondràna.

pic.twitter.com/NOUn8ZOrcz

— FOCODE (@FOCODE_) 20 Febroary 2025

 

Raha nifandraisan'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Whatsapp, Aimée Laurentine Kanyana nihevitra hoe tsy takatry ny fikambanana FOCODE ny tiany hambara:

Tsy takatr'izy ireo ny hafatro: raha ny tena izy dia ny hisarika ny sain'ireo haino-vaky-jery ho amin'ny zavamisy aho, hoe tena zavadehibe ny fifandanjan'ny vaovao mba hiantohana fa vaovao feno, tsy mitanila ary marolafy no voarain'ny olompirenena, izay tena zavadehibe ao anatina tontolo demaokratika.

Aimée Laurentine Kanyana manaiky ihany koa ny lanja lehiben'ireo haino-vaky-jery ao anatin'ny dingana demaokratika ao Borondi. Hamafisiny fa:

Tena ilaina ny fandraisana anjaran'ireo haino-vaky-jery ao anatin'ny dingana demaokratika ao Borondi, satria antoky ny fahazoana vaovao sy fanabeazana olom-pirenena izy ireny, antoky ny fisitrahana zo fototra, ny fahasamihafàn'ny feo sy ny fomba fijery ary ny fampandraisana andraikitra ny rehetra.

Anatin'ny toeejavatra tahàka izany, voatery miasa an-tsesitany ny sasany amin'ireo haino-vaky-jery borondey. Izany no manjo ny orinasan-gazety an-tsoratra Le Mandat, sy ny Radio Publique Africaine (RPA), ny Radio Haguruka, ny Radio Inzamba ary ny fantsona Télé Renaissance.

Araka ny tatitra 2023 avy amin'ny Amnesty international, mbola manahirana ny toedraharaha iainan'ireo mpanao gazety, ary ny governemanta amperinasa toa tsy vonona ny hanatsara amin'ny fomba mavitrika ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra ao Borondi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.