Mitaky fepetra ireo media indizeny sy taranaka afrikana ao Meksika ny hiantohana ny fahatezàny sy ny fizakan-tenany

Sary avy amin'i Observacom, nahazoana alalana.

Nivoaka voalohany tao amin'ny Observacom ity lahatsoratra ity ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices araka ny lisansa CC BY-NC 4.0.

Ho fampidirana ny fitakian'izy ireo ao amin'ny Drafi-pampandrosoam-Pirenena 2025-2030 ao Meksika — antontan-taratasy mamaritra ny tanjona, paikady ary laharam-pahamehan'ny governemanta ankehitriny — nanolotra tolo-kevitra miaraka arahi-pepetra maromaro “miantoka ny fahatezàna sy ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao” ny solontenan'ny media indizeny sy Afro-Meksikana.

Maromaro ny volavola atolotry ny hetsika hanatsarana ny lasitrasa ara-pitsarana, ara-bola, andrim-panjakana ary ara-teknolojia. Nampiroborobo izany niaraka tamin'ny REDES A.C. (tambajotra ho an’ny fahasamihafàna, ny hitsiny ary ny fahatezàna), mpikambana ao amin’ny Association for the Progress of Communications (APC na Fikambanana ho amin'ny Fandrosoan'ny Serasera), ry zareo.

Iray amin'ireo teboka ara-pitsarana ny antso fanamorana ny fombafomba fahazoana alalana hanangana sy hitrandraka radio sy fifandraisandavitra, amin'ny filazana fa “mavesatra, lava ary sarotra” ny amin'izao fotoana izao. Angatahin-dry zareo ihany koa mba “ho afa-miasa vonjimaika raha mbola eo am-panatanterahana ny fanomezana alalana farany, ankoatra ny fiantohana ny fandraisana anjara avy amin'ny solontena teratany sy Afro-Meksikana ao amin'ny rafitra mifehy.”

Raha jerena ny fepetra hiantohana ny fahatezàna ara-toekarena, manolo-kevitra ry zareo ny hananganana tahirim-pirenena mifantoka amin'ny fanofanana, fotodrafitrasa ary famokarana votoaty ho an'ny sehatra, ny mba hampazoto ny hetra amin'ny fahazoana fitaovana ary ny hametrahana andry iray ho karazana foibe hanatsarana kokoa ny fitsinjarana ny iray isanjaton'ny teti-bola fanaovan-dokambarotra ofisialy mifandraika amin'ny an-dry zareo.

Fepetra iray hafa heverin'izy ireo ho fototra amin'io lafiny io dia ny hahabetsaka kokoa maridrefin'onjampeo fiandry, ka “tsy 10 isanjato izany, fa 30 isanjato” ka misy isanjato natokana ho an'ny “serasera teratany sy Afro-Meksikana.” Fanampin'izany, manolotra ry zareo ny hametrahana habaka ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ho fampielezana ny votoaty zanatany (indizeny), “ary voaantoka ny loharam-bola hahazoana mamokatra fandaharana ho an'ny tena.”

At the institutional level, the proposal highlights the need for Indigenous and Afro-Mexican media to operate under principles of self-management and respect for their regulatory systems. In this sense, they demand guarantees to manage their content autonomously, without “the imposition of advertising or propaganda that contradicts their cultural values.” Eo amin'ny sehatry ny andrim-panjakana indray, avoitran'ny tolo-kevitra ny filàn'ny fampitam-baovao Zanatany sy Afro-Meksikana hiasa eo ambanin'ny fotokevitry ny fitantanan-tena sy ny fanajàna ireo rafi-pifehezana. Amin'io lafiny io, mitaky ry zareo ho voaantoka ny fitantanan-dry zareo amim-pizakantena ny votoaty avoakan-dry zareo, tsy misy “fanerena tsy maintsy hanao dokambarotra na propangandy amin'izay mifanohitra amin'ny soatoavina ara-kolontsain-dry zareo”.

Tondroin'ny fangatahana farany ny hanamoràna ny fidirana amin'ny fotodrafitrasa ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mampiasa tambajotram-pifandraisandavitra amim-pahaleovantena mba hanomezana tolo-pifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy. Amin'io lafiny io, mangataka izy ireo hahazo alalana hampiasa ny hosina tsora-bera (tambajotra backbone) — fotodrafitrasam-pifandraisandavitra lehibe indrindra — hifandraisan'ireo vondrona ireo amin'ny tambajotra iraisana. “Manolo-kevitra” koa ireo “ny hampidirana hosina amin'ny fanamboarana lalana ambanivohitra”, izay hanafaingana ny fivelaran'ny aterineto any ambanivohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.