
Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva, via CanvaPro
Voahazona tamin'ny 28 Febroary lasa teo i Fatima Movlamli, mpanora-gazety tsy miankina Azerbaijani, amin'ilay fitohizan'ny famotorana ny seha-baovao tsy miankina Meydan TV. Movlamli no vehivavy mpanao gazety fahasivy niatrika fisamborana tao Azerbaijan tato anatin'ny volana vitsivitsy izay.
Nanomboka andiam-pamoretana mikendry mpanora-gazety, mpikatroka politika, ary mpiaro ny zon'olombelona indray ny manampahefana Azerbaijanita ny novambra 2023. Raha atambatra dia mpanora-gazety miisa 20 eo ho eo no naiditra am-ponja, na miandry ny fitsarana azy, na voaheloka, na nohazonina manokana an-trano. Milaza ny kiadin'ny zon'olombelona ao an-toerana fa misy ambadika politika ny fisamborana sy fampitahorana ary lazainy fa nahatratra 357 ny isan'ny gadra politika. Tsipahin'ny fiarahamonim-pirenena lasibatra izay lazaina ho tsy mety nataony ary manizingizina ry zareo fa enjehina noho ny asany.
Mpanao gazety mahaleotena niasa ho an'ireo haino vaky jery mahaleotena isankarazany ao an-toerana i Movlamli, 24 taona. Nisy naka an-keriny i Movlamli tamin'ny taona 2018 ary tsy tratra antso nandritra ny dimy andro. Noteren'ireo mpaka an-keriny hanome azy ireo ny findainy izy, izay noheverin'i Movlamli fa mpiasan'ny sampam-piarovan'ny governemanta. Herintaona taty aoriana, tratran'ny antsojay anjotra i Movlamli rehefa tafaporitsaka anjotra ny horonantsarin'ny fitanjahany (azo inoana fa nalaina tamin'ny fitaovany nandritra ny nihazonana azy). Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny OCCRP (Tetikasa itoriana ireo andian-jiolahy sy kolikoly), i Movlamli nahatsiaro izany zava-nitranga izany ary nilaza fa menatra izy ary efa nihevitra ny hamono tena mihitsy aza:
“Tamin'ny taona mbola tsy tena nahatsapako ny tenako ho vehivavy, menatra aho fa nanana vatana vehivavy ary hitan'ny olona niboridana.”
Tsy nijanona teo ny antsojay. Tamin'ny taona 2020, nisy nijirika ny kaonty Facebook manokana an'i Movlamli. Herintaona taty aoriana, hitan'i Movmali nozaraina tao amin'ny vondrona Telegram iray ny lahatsariny nitanjaka, ankilan'ireo vehivavy mpikatroka maro hafa lasibatra amin'izany koa. Tamin'io taona io ihany, hitan'ilay mpanao gazety fa tao anatin'ny lisitr'ireo olona lasibatra tamin'ny rindram-pitsikilovana Pegasus izy, rindram-pitsikilovana israeliana nampiasaina hanorisorenana sy hitsikilovana mpanora-gazety, mpanao politika, mpikatroka sy mpikaroka manerana izao tontolo izao.
Taorian'ny fisamborana azy, voaheloka higadra iray volana sy sivy andro mialoha ny tena fotoam-pitsarana noho ny fiampangana tsy mari-pototra fanondranana an-tsokosoko i Movlamli. Toy izany koa ny sazy iampangana vehivavy mpanao gazety valo hafa, anisan'izany i Sevinj Vagifgizi (36), Nargiz Absalamova (27), Elnara Gasimova (29) avy ao amin'ny media Abzas; Aynur Elgunash (50), Aytaj Ahmadova (32), Aysel Umudova (33), ary Khayala Aghayeva, (28) avy amin'ny Meydan TV; ary Shahnaz Beylergizi (51) avy amin'ny Toplum TV.
Matetika ireo vehivavy mpanao gazety ireo no anisan'ireo mitantara ny hetsika fanao isan-taona amin'ny andron'ny 8 marsa, antsoina koa hoe Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy, nokarakaraina tao Baku renivohitra. Amin'ity taona ity ry zareo tsy hanatrika na hitantara ny fihetsiketsehana.
Amin'ny hafainganan'ny famoretana sy fiovana miantraika amin'ny sehatra media hafa izao, dia tsy ho ela fa ny fampahalalam-baovaom-panjakana sisa tavela ao Azerbaijan. Noterena hanao sesitany ny maro amin'ireo haino vaky jery nasionaly mahaleotena sy mpanohitra raha miatrika fanenjehana ara-politika ny mpanao gazety ao aminy. Tamin'ny volana febroary 2025, naaton'i Azerbaijan ireo servisy Azerbaijan miasa ho an'ny BBC, Voice of America, Rossiya Segodnya (Sputnik), ary Bloomberg.
Nosamborin'ny polisy ihany koa ry Shamshad Aghayev sy Nurlan Libre mpanao gazety, izay voampanga ho manao fanondranana, tahaka ireo mpanao gazety hafa nosamborina teo aloha, ary hadihadiana ao anatin'ny raharaha Meydan TV.
Efa maro ireo mpanao gazety sy bilaogera voaheloka. Anisan'izany ny bilaogera Arzu Sayadoghlu Mammadov, izay nahazo sazy fito taona; mpanao gazety sady talen'ny fahitalavitra anjotra Kanal 13, Aziz Orucov, izay voaheloka higadra roa taona; ary mpanao gazety sady talen'ny fahitalavitra anjotra Kanal 11 Teymur Karimov izay higadra valo taona.
Saingy raha mampangina ny feo mitsikera ao an-tanindrazana ny manampahefana, dia mamatsy vola kosa ireo influenceurs iraisampirenena (olona mpisarika) handeha ho any Azerbaijan hanatsara endrika ny governemanta. Izany no nanambaràn'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny fizahantany tamin'ny 13 febroary 2025 teo tolo-bidy efatra mitotaly AZN 4,190 tapitrisa (2,4 tapitrisa dolara US) handrakotra kontinanta telo ary hitondra olona miisa 212 avy amin'ny firenena sivy ho any Azerbaijan. Ahitana mpanao gazety, bilaogeran'ny fitetezantany sy solontenan'ny sampana mpitondra mpitsangatsangana anatin'ireo olona mpisarika ireo. Tanjona ny hahazoana olo-malaza sy manana ny maha-izy azy mizara zava-niainana sy vaovao tsara momba an'i Azerbaijan.
Nitana ny laharana faha-164 i Azerbaijan amin'ireo firenena 180 araka ny Tondron'ny Fahalalahan-gazety Reporters Sans Frontières taona 2024.
Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy faharoa any am-ponja izao ho an'ny sasany amin'ireo vehivavy mpanao gazety nosamborina. Hoy ilay mpanao gazety sady feminista Aytac Taptiq tamin'ny herintaona, raha niteny nandritra ny fihetsiketsehana, “Ambaranay ny firaisankinay amin'ireo mpanao gazety Sevinc Vagifgizi, Nargiz Absalamova, Elnara Gasimova, izay nanao ny asany amin'ny fomba matihanina ary nosamborina noho izany antony izany indrindra.” Tsy hanatrika ny fihetsiketsehana i Taptiq amin'ity taona ity, satria iray amin'ireo vehivavy mpanao gazety nampanginina tsy ara-drariny noho ny fiampangana ho manao fanondranana an-tsokosoko izy.