Fantaro ireo mpikatroka 10 mampiasa media nomerika mba hanamafisana sy hampiroboroboana ny fiteny Mayana ao Meksika.

Sary avy amin'i Juan Vázquez Méndez, nahazoana alalana taminy.
Fantaro ireo tantara manome aingam-panahy amin'ny iray amin'ireo nahazo Vatsy hanampiana ny Fikatrohana nomerika momba ny teny Mayana taona 2024 nokarakarain'ny Rising Voices. Ao anatin'ity andrana manokana ity, mizara ny niainany ny fikatrohana sy ny tetikasa izay nikatsahany hampiroboroboana ny fitenin-drazany ao amin'ny vondrom-piarahamoniny sy amin'ny sehatra nomerika ny mpanoratra.
Juan Vázquez Méndez no anarako, fantatra kokoa amin'ny hoe Xunté. Avy amin'ny kaominina San Juan Cancuc aho ary miteny Tzeltal. 35 taona aho izao.
Ao amin'ny kolontsaina Mayana Tzeltal i San Juan Cancuc. Ny tena tiako indrindra amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy dia mbola itehirizanay ny tenindrazanay, ny fandaminan'ny fokonolona, ary ny fampiasana sy ny famokarana lamba amin'ny alalan'ny asa-tanana. Manana dikany lalina amiko ny fiteny Tzeltal, satria ao amin'ny kaominina San Juan Cancuc, eo amin'ny 90 isanjaton'ny mponina no mbola miteny io fiteny io.
Hatramin'ny faha-16 taonako, nandray anjara tamin'ny fandikan-teny an-tsoratra sy am-bava aho rehefa nisy herisetra nihatra tamin'ny vehivavy tao amin'ny fiarahamonina misy ahy. Miara-miasa amin'ny tanora Tzeltal aho amin'izao fotoana izao, manamora ny atrikasa fanomezam-bahana, ny zon'ny tanora ary ny vahoaka teratany. Nahatonga ahy hihevitra ny tenako ho mpanentana ara-kolontsaina sy mpiaro ny zon'olombelona eo anivon'ny fiarahamonina misy ahy ity asa ity.
Ny asako amin'ny maha-mpanentana ny vondrom-piarahamonina no nanosika ahy handefa fangatahana amin'ny Programam-pikatrohana Nomerika amin'ny fiteny Mayana, izay handraisako anjara ankehitriny. Ny fandraisana anjara amin'ity fandaharana ity no hahafahako manamafy orina ny asa ataoko ho an'ny fiarahamonina misy ahy, ny fiteniko sy ny zon'ny vahoaka Mayana.
Manofana ny tanora ho mpanao gazety eto an-toerana
Tsy nanana fahafahana nampahafantatra ny any ivelany mikasika ny olana ara-tsosialy na ara-tontolo iainana atrehinay izahay tao San Juan Cancuc. Ao amin'ny vondrom-piarahamoninay, tsy misy fampahalalam-baovao hafa izay mitatitra ny zava-mitranga ao amin'ny faritaninay sy mampiroborobo ny zonay. Noho izany, ao anatin'ny fandaharan'asa fikatrohana nomerika, hamolavola tetikasa iray aho izay mikatsaka ny hitatitra ny zava-mitranga eo amin'ny fiarahamoninay, mizara ny fomba fijerinay an'izao tontolo izao, toy ny fahalalana, ny fomba fanao ary ny fomba fiaina.
Ao anatin'ny tetikasa, nanasa tanora avy amin'ny vondrom-piarahamonina Iwiltic aho mba handray anjara amin'ny fiofanana mivantana momba ny fampiroboroboana sy famelomana indray ny teny Tzeltal amin'ny alàlan'ny asa fanaovan-gazety nomerika ao San Juan Cancuc. Mikendry ny hanamafy ny fahaizan'ny tanora amin'ny fandraketana sy fitantarana ny tantaran'ny fiarahamonina misy azy ireo fiofanana ireo.

Sary avy amin'i Kiltik Periodismo, nahazoana alalana avy amin'izy ireo.
Mitaky andraikitra lehibe amin'ny fampiasana ny fampitam-baovao nomerika sy ny torohay ny fampitàna ny fahalalanay, ka izany no nahatonga ahy nifantoka tamin'ny asa fanaovan-gazety nomerika ho an'ny vondrom-piarahamonina satria ahafahanay mieritreritra ny fampiasana tompon'andraikitra ny teknolojia sy ny media nomerika izany.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fitsinjarana ny olona samihafa eo anivon'ny fiarahamonina, izay heveriko ho fanombohana tsara ho fampiroboroboana ny asan’ny tanora mandritra ny fotoana maharitra. Zava-dehibe ny fandraisan'ny tanora anjara amin'ny fametrahana fifanarahana ao an-tanàna izay mampiroborobo ny fanajana ny olona rehetra, anisan'izany ny ankizy sy ny tanora eo anivon'ny fiaraha-monina. Amin'ny maha-solontenan'ny fanovana ahy ao San Juan Cancuc, tiako ny hahita ny tanora ho toy ny olon'ny zon'olombelona mandray andraikitra ara-tsosialy na eo amin'ny fiarahamonina misy azy na ao amin'ny fianakaviany.
Manasa ny tanora ao amin'ny vondrom-piarahamonina Teratany aho mba ho sahy hanonofy sy hanao hetsika madinidinika ho an'ny tenany sy ho an'ny vondrom-piarahamonina misy azy mba hanangana sehatra ara-drariny kokoa sy mirindra miaraka amin'ny vahoakanay sy ny zavaboary.