#IreoTantaraManaingaFanahy. Fantaro ireo mpikatroka 10 mampiasa ny media nomerika hanomezana hery sy hampiroboroboana ireo fiteny mayana ao Meksika.

Sarin'i Yamily Abigail Hu Yama, nahazoana alalana.
Fantaro ny momba ireo tantara manainga fanahy avy amin'ny iray amin'ireo voafantina nahazo ny Vatsimpianarana 2024 ho an'ny Fikatrohana Nomerika ho an'ny Fiteny Mayana karakarain'ny Rising Voices. Ao anatin'ity andrana manokana ity, zarain'ny mpanoratra amintsika ny traikefany amin'ny fikatrohana sy ny tetikasa ampiasainy hitadiavana izay hampiroboroboana ny fitenin-dreniny, ao anivon'ny vondrom-piarahamoniny sy eny anatin'ireo habaka nomerika.
Ny kolontsaina dia singa fototra iray hijoroan'ny fiarahamonina. Izany no fototry ny fampahafantarana ny tantarantsika. Ny kolontsaina dia tetezana mampifandray ny lasa sy ny ankehitriny, sy ny fomba fijery izao tontolo izao, ary ny fiteny sy ny fomban-drazan'ny vondrom-piarahamonina iray, noho izany dia zava-dehibe ny miaina azy io sy miaro azy tsy ho faty.
Yamily Abigail Hu Yama no anarako, 21 taona aho ary mpampiasa ny fiteny mayana. Mandray ny tenako ho olona manolo-tena amin'ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina sy ny fahalalana ao an-toerana aho. Ho ahy, maneho ny fiainana ny fiteny, izay mampifandray ahy amin'ireo loharano nipoirako, ny lasako, ny kolontsaiko, ny fianakaviako, ny razambeko ary ny vondrom-piarahamonina misy ahy. Amin'izao fotoana izao, mianatra aho mba hahazo mari-pahaizana licence momba ny fiteny sy ny kolontsaina ao amin'ny Oniversite iraisan'ny kolontsaina mayana ao Quintana Roo, Meksika.
Avy amin'ny vondrom-piarahamonina Señor ao amin'ny kaominin'i Felipe Carrillo Puerto ao amin'ny fanjakan'i Quintana Roo aho. Vondrom-piarahamonina ahitana mponina 4.000 eo izy. Ny ankamaroan'ny olona dia miasa amin'ny sehatry ny fizahantany ary mampiasa ny fiteny mayana, indrindra fa ny olon-dehibe, raha ny ankizy latsaky ny 12 taona kosa dia mahatakatra fotsiny ihany ilay fiteny no sady zara raha mahafantatra ireo hetsika ara-kolontsaina sasany.

Faribolana fihainoana sy fizaràna domberina anatin'ny vondrom-piarahamonin'i Xcanchakan, Yucatán. Sary avy amin'i Guadalupe Us García, nahazoana alàlana.
Efa an-taonany maro aho izao no nandray anjara tamin'ny tetikasa hanamafisana ny fiteny mayana. Nandray anjara tamin'ny tetikasa toy ny “Baktun Pueblo Maya” (fandaharanasa fampianarana ny tanora hitarika, natokana hanofanana ireo tanora mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo ho mpanelanelana ara-kolontsaina) aho, izay nitarihako sy nanolorako hevitra ireo mpianatra hafa eny amin'ny lisea ho fanohanana azy ireo amin'ireo dingana hahatongavany ho mpanentana ara-kolontsaina.
Amin'izao fotoana izao aho dia ao anatin'ny Fandaharanasa Fikatrohana Nomerika 2024 ho an'ny Fiteny Mayana izay amolavolako ny tetikasa “U puksi'ik'al in kaajal” (“Ny fon'ny vahoaka”) mba hamoronana lahatsary fanadihadiana fohy izay manamafy sy mampiely ny sasany amin'ireo fomba nentim-paharazana manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy. Amin'ny alalan'ity asa ity no hikatsahako ny hitahirizana sy hizaràna ny hevitr'ireo fomba fanao ireo sy ny fomba hanatanterahana azy ireo eo anivon'ny vahoaka Maya.
Iray amin'ireo fanadihadiana fohy tianay hatao ny momba ny fetiben'ny olo-masina mpiaro ny tanàna, iray amin'ireo fetibe goavana indrindra ao amin'ny faritra, satria maharitra eo amin'ny 15 andro eo izany. Ity fankalazana ity dia natao ho fahatsiarovana ilay Virjiny Mainty, izay ahitana vondrona 12 mpanao lanonana avy amin'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara. Sehatra iray ifampizaran'ny olona ny heviny ary indrindra indrindra koa ny sakafo nentim-paharazany izy io. Tsy fankalazana fotsiny ihany, fa fotoanan'ny firaisana sy ny fiaraha-miaina amin'ny vahoaka ihany koa.
Ny “U puksi’ik’al in kaajal” dia tetikasa iraisan‘ny taranaka izay mampifandray ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe. Hotantaraina amin‘ny fiteny mayana Yucatec ireo horonantsary fanadihadiana madinika ireo, ny tanjona amin'izany dia ny mba hanamaro isa ireo ankizy avy amin‘ny vondrom-piarahamonina afaka mianatra momba ny kolontsainy no sady hampitombo ny fahatongavan-tsaina ny amin'ny maha-zava-dehibe izany.
Hanatanteraka ity tetikasa ity izahay eo anivon'ireo tanora avy amin'ny vondrom-piarahamonina izay liana amin'ny fampiasana ny teknolojia mba hanamafisana ny fiteninay. Mba hanaovana izany, dia hampiofan-tena amin'ny fampiasana fitaovana haino aman-jery, sy ireo dingana arahana amin'ny famoahana lahatsoratra ary ny famoronana script izahay. Aorian'izay dia hanatanteraka ny fandraisam-peo sy sary miaraka amin'ny fanampian'ireo olon-kendry avy amin'ny fiarahamonina izahay, izay hizara ny fahalalany momba ireo hetsika na fombafomba nentim-paharazana. Te-hanangana vondrona tanora izahay izay afaka manohy ny asa amin'ny fandraketana ny fomba fanao sy ny hetsika ataon'ny vondrom-piarahamonina mba hamonjena sy hiarovana azy ireny.

Fambolena hazo kapoaka hanamarihana ny fanombohan'ny fetibe nentim-paharazana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Señor, ho fahatsiarovana ilay Virjiny Mainty. Señor, Quintana Roo. Sary avy amin'i Yamily Abigail Hu Yama, nahazoana alàlana.
Amin'ny alalan'ireo hetsika ireo, manantena aho fa hanohy hanaitra ny saina momba ny lanjan'ny fiteny indizeny, amin'ny fanasongadinana ny harena lehibe ananan'ireo vahoaka teratany izay tsy ifantohantsika matetika ary ny fanomezan-danja azy ireo.
Ny fandraisana anjara aminà tetikasa samihafa mba hanamafisana ilay fiteny sy ny fidirako ankehitriny ao anatin'ny Fandaharanasa Fikatrohana Nomerika ho an'ny Fiteny Mayana no nahafahako manome lanja ny hasarobidin'ny fahalalàna misy ao anatin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy, ny kolontsainy ary ny fiteniny. Noho ny fanohanan'ny Rising Voices, hanohy hanamafy ny fiteniko aho no sady hianatra bebe kokoa momba ny fampiasana fitaovana nomerika, izay mitombo lanja hatrany satria, na dia fitaovana ampiasainay amin'ny karazana asa rehetra aza izy ireo, dia afaka manampy amin'ny fampitana fahalalana ihany koa, ary noho izany dia manohy mitahiry ny ampahany amin'ny kolontsain'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana.
Amin'ny hoavy, tiako ny ankizy mba hanohy hiteny ny tenin-drazany, hianatra momba ny tantarany sy ny kolontsainy, ary hampiasa ny teknolojia ho tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina misy azy, hifantoka manokana amin'ny fiarovana ny fahalalana ao an-toerana sy ny tenin-dreny.
Farany, te-hamela hafatra ho an'ny tanora sy ny ankizy aho mba hanome aingam-panahy azy ireo hanomboka tetikasa ho an'ny tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina misy azy, indrindra fa ny tanora tompontany. Manasa azy ireo aho mba hanamafy orina sy hampiroborobo ny fiteniny, na handroso miadana toy ny sokatra aza, satria zava-dehibe kokoa ny dingana kely noho ny hoe tsy mihetsika mihitsy.