
Pikantsarin'i Joshua Regrello, ilay mpively barika ao Trinite-sy-Tôbagô nandritra ny andrana nataony ho isan'ny anatin'ny Guinness World Record, nalaina tao amin'ny lahatsary Youtube an'ny WACK Radio momba ilay hetsika. Fampiasàna ara-drariny.
Nandraman'i Joshua Regrello, mozisiàna Trinidadiàna, 26 taona, ny hanoratra ao anatin'ny Guinness World Record ny andrana nataony hanamontsanana ny zavabita tsara indrindra tamin'ny fivelesana barika ela indrindra. Ny vely barika dia filalaovana zavamaneno nasiônaly ao Trinite-sy-Tôbagô. Ny zavabitany — izay notanterahany nanomboka tamin'ny 6 ora maraina AST (UTC-4) tamin'ny 27 Desambra 2024, ary nofaranany tamin'ny 1 ora tolakandro ny ampitson'io — dia naharitra 31 ora, adiny iray mahery noho ny tanjona napetrany tany am-boalohany. Tao amin'ny WACK radio station any atsimon'i Trinite no natao ilay hazakazaka mozikaly.
Talohan'ilay hetsika, nametraka takelaka fametrahana Fanontaniana & Valiny i Regrello tao amin'ny pejiny Facebook, ka tao amin'izany izy dia nandrisika ireo mpanohana mba hanotrona azy, na izany mivantana (tsara kokoa ny tonga aty afara, hoy ny sosokeviny, mba hanampy azy hitazona ny angovony mandritra ireo ora vao mangiran-dratsy) na amin'ny fomba virtoaly.
Rehefa nanontany ny olona hoe amin'ny fomba ahoana no hahavitany hilalao ilay zavamaneno nasiônalin'i Trinite-sy-Tôbagô mandritra izany halavam-potoana izany, namazivazy i Regrello hoe, “Vavaka sy fampaherezana.” Avy eo izy nanazava, “Tsy fampisehoana tsy an-kiato akory io […] isaky ny ora iray anaovana fampisehoana, omena minitra dimy hitsaharana ianao, araka izany dia afaka miato 20 minitra isaky ny adiny efatra ohatra.”
Ary momba ireo hira holalaoviny dia nambaran'i Regrello fa “araka ireo fenitry ny Guinness, mila manana faharetana roa minitra na mihoatra ny hira iray.” Ankoatra izay, tsy azo averina ao anatin'ny ora efatra ny hira iray, araka izany dia tsy maintsy lavabe ny lisitra nataony — teo anelanelan'ny 185 sy 200 hira. Nanasongadina andiana mpanakanto nasaina ihany koa ilay hetsika, izay sady natao hampiala voly ny mpanatrika no hanome famporisihana an'i Regrello hanohy rehefa izy reradreraka iny.
Raha ny tsaroany, tamin'ny Noely dia nomen'ny renin'i Regrello ho an'ny rahalahiny ny farany indrindra tamin'ny boky Guinness mirakitra ny zavabita tsara indrindra erantany, ary nahafinaritra azy sy ilay mpiray tampo aminy ny nitety azy ireny sy niezaka nijery izay zavabita mety ho azon-dry zareo montsanina. Na mbola tsy voaova ao amin'ny tranonkalan'ny Guinness World Records aza ny zavabitan'i Regrello, marobe no nahatsapa fa tsy vavolombelon'ny fahasahiany sy ny fahavononany ary ny fitiavany an'ilay zavamaneno fotsiny ihany iny, fa koa ny lova ara-kolontsaina manankarena ao Trinite-sy-Tôbagô amin'ny maha-toerana nahaterahan'ny vely barika azy.
Tsy vao izao ny asan'i Regrello no niantsoana azy ho “mpisantatra” — izy ihany koa no mpively barika voalohany nanao fampisehoana teny amin'ny Rindrimben'i Shina. Tamin'ny alàlan'ireo ezaka feno hafanampo amin'ny maha-masoivohon'ireo karazana zavamaneno azy, nezahany ny ho aingampanahy ho an'ny hafa, na ao amin'ny fireneny izany na any ivelany. Raha nanomboka niraradraraka ireo fiarahabana firariantsoa, ny sasany nilaza ny zavabitany ho “miezinezina.”
It had never been done before.
When pannist Joshua Regrello struck the final note of Olatunji’s “Inventor” on Saturday afternoon, cheers erupted from a crowd of excited supporters.
Regrello achieved his goal of playing the steelpan for a record-breaking 30 hours, before playing… pic.twitter.com/R1jAYBH2nm— T&T Guardian (@GuardianTT) December 29, 2024
Tsy mbola nisy nanao toy izany hatrizay.
Rehefa nitendry ny naoty farany i Joshua Regrello mpively barika, tamin'ilay “Inventor” an'i Olatunji, tamin'ny Sabotsy tolakandro, nirefodrefotra ny horakoraka avy any amin'ireo mpanohana marobe nientanentana.
Tratran'i Regrello ny tanjony hilalao barika mandritra ny 30 ora ary nihoarany ny fotoana tsara indrindra, talohan'ny nilalaovany…… pic.twitter.com/R1jAYBH2nm— T&T Guardian (@GuardianTT) 29 Desambra 2024
Matoandahatsoratra iray tao amin'ny Guardian ao Trinite-sy-Tôbagô no nanosoka hevitra hoe “ny zavabitan'i Regrello tamin'ilay hazakazaka nataony dia ezaka iray vaovaon'olona mandeha tokana nataon'olontsotra mba hametrahana ilay asa famoronantsika faran'izay goavana ho eo anivon'ny sehatry ny kolontsaina erantany,” ary io dia “nanitatra ny fahitàna ilay zavamaneno nasiônaly eny amin'ny sehatra manerantany.”
Nitohy ny fanehoankevitra, “ilay filalaovana manan-tantara sy tsara kalitaon'i Regrello, dia nilaza ihany koa ny endriky ny fanabeazana voarainy tamin'ilay ben'ny tanàna fahiny tao San Fernando, Junia Regrello sy ny reniny Kamla, izay azo antoka fa tsy maintsy nanome azy ny fahalehibeazana sy ny fanohanana ary ireo fampaherezana nilaina mba hampivoarana ny talentany amin'ny maha-mpively barika azy mandra-pahatonga amin'izao zavabita izao.” Junia Regrello, izay izy tenany ihany koa dia mpively barika mafàna fo, dia mpikambana mpanorina no sady kapitenin'ny orkesitra vy Skiffle Bunch; efa nomena loka nasiônaly ihany koa izy – ny medaly volamena Chaconia – noho ny fandraisany anjara amin'ny maha-mpikambana ao anatin'ilay tarika namorona ny G-pan.
Ny Newsday, tetsy ankilany, niantso ny zavabitan'ilay tanora Regrello ho “tara-panantenana […] anaty fotoana iray izay iainan'ity firenena ity tahan-keloka bevava mampitampim-bava.”
The management and staff at SAPA wish to congratulate Joshua “De Pan Man” Regrello, southern son of the soil, on this momentous achievement!@JoshuaRegrello2 , you have made our nation beam with pride! Well done! 🇹🇹 pic.twitter.com/ltCmI7w3mX
— SAPA (Southern Academy for the Performing Arts) (@sapattinfo) December 30, 2024
Noho io zavabitany goavana io dia maniry hiarahaba an'i Joshua “De Pan Man” Regrello, zanaka lahy tatsimon'ny tany, ireo mpitantana sy mpiasa ao amin'ny SAPA!@JoshuaRegrello2, nataonao namirapiratra sy feno rehareha ny firenentsika! Tsara be!
— SAPA (Southern Academy for the Performing Arts) (@sapattinfo) 30 Desambra 2024
Nampita ny fiarahabàny ihany koa ny praiminisitra Keith Rowley: “Ireo ezaka miavaka nataonao dia tsy hoe fotsiny manasongadina ny fanolorantenanao manokana hitady ny lafatra, fa koa mampamiratra ny lova ara-kolontsaina manankarena ananan'i Trinite-sy-Tôbagô. Ny vely barika dia marika iray amin'ny fahaizamamorona ananantsika, ny fiaretantsika ary ny toetsaina miaritra ao anatintsika, ary amin'ny alàlan'ny zavabitanao, dia asandratrao ny endriky ny taokanto ankamamiantsika ho amina haavo vaovao eo amin'ny sehatra manerantany.”
Ao amin'ny Facebook, Tillah Willah, mpikatroka ho an'ny kolontsaina, dia nizara fomba fijery iray lalindalina kokoa:
Ny kitoatoa ho setrin'ny fikorontanana anaty. Ny familian-dresaka ho fanadalàna mba tsy hijery ny hatsaràna. Izany no antony nahaterahan'ny vely barika tamin'ny voalohany. Satria nisy olona nahafantatra sy nanonofy hoe amin'ny hoavy dia hisy fotoana tsy manam-petra hahafahan'ny daban-tsolika iray nariana hanome dikany indray ny toerana kely iray efa torotoro. Ity fisaintsainana naharitra ora telopolo mahery kely ity dia horohoro ho an'ireo izay difotry ny tabataban'ireo zava-poanan'ny firehana pôlitika ny fahatsapàn-dry zareo ny anjara asany manokana amin'ny fanaovana ity toerana ity ho tsaratsara kokoa. Ny hany hain-dry zareo dia ny manisaka ny tenany hiala anaty lohatenina krizy iray ho any amin'ny manaraka. Tsy fialonana na hatezerana ireny fanehoankevitra ireny, fa samy mikiaka daholo hoe ‘ataonao izay hatahorako ny fahafahako manokana hanao zavatra’. Fampahatsiahivana malefaka hoe, ry Trinbagôniàna malala, tsy natao hanao izay hampitonitony anao ny mpanakanto. Ry Joshua Regrello malala, isaorana ianao tamin'ny nitondrànao anay ho amina toerana tsy mampahazo aina, isaorana ianao nahasahy nitondra anay handany ampaham-potoana fohy hifantohana amin'ny iray amin'ireo fanalahidy fototra hamahàna ireo rojo nohidianay mafy nanodidina ny fanahinay.
Ny 2 Janoary, niaiky tao amin'ny tambajotra sôsialy i Regrello, feno fankasitrahana tanteraka, fa “tsy tao an-tsainy mihitsy hoe ho tonga amina zavatra iray goavana tahàka izao io”. Ireo mpikarakara ilay hetsika, hoy izy nanazava, dia nampiseho azy teny antsefantsefany teny ny haavon'ny fanohanan'ny olona teny anaty tambajotra, “fa tsy tao an-tsaiko mihitsy hoe izy DAHOLO izao.” Nanetry tena i Regrello noho ny fitosahan'ny fanehoam-pitiavana, nanambara ny finoany ary koa nisaotra “ireo rehetra vavolombelona sy mpandray ny fotoana, izay nanatrika ireo ezaka rehetra hiantohana fa mifanaraka amin'izay niomanana daholo ny zavatra rehetra.”
Tsy mbola nalefan'ny Guinness World Records tamin'i Regrello sy ny ekipany ny fanamafisana amin'ny fomba ôfisialy ny fanekena ny zavabitany, saingy na ho inona na ho inona ny vokatra eo, ny hafatra iray ao amin'ny Bluesky no namintina ny fihetsehampon'ireo mpiray tanindrazana aminy:
Joshua Regrello your dedication and passion are truly inspiring ❤️ wishing you all the success you've already made history in our hearts 🥁🇹🇹
— 1caribbean 🇹🇹 (@1caribbean.bsky.social) 28 December 2024 at 09:53
Tena manainga fanahy ry Joshua Regrello ny fanolorantenanao sy ny fitiavanao ❤️ mirary ny fahombiazana rehetra ho anao. Efa nametraka tantara sahady ao am-ponay ianao 🥁🇹🇹
— 1caribbean 🇹🇹 (@1caribbean.bsky.social) 28 Desambra 2024