
Mpanao gazety ao amin'ny Tsenan-kevitra ara-toekarenan'izao tontolo izao momba an'i Afrika ao Abuja, Nigeria 2014. Sary avy amin'ny World Economic Forum tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0 Generic Deed).
Tsy sasatry ny tratran'ny — fijirihana, fitsikilovana, ary fanalam-baraka — noho ny tatitra nataony momba ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny Kenyana mpanao gazety mpamaky bantsilana John-Allan Namu. Ary tsy izy irery. Maneran-tany, mitatitra ny UNESCO fa mitranga amin'ny sehatra ankihy ny 20 isanjaton'ny fanafihana ireo mpanoratra an-gazety, saingy miharatsy kokoa ny toe-draharaha aty Afrika atsimon'i Sahara noho ny fanitaran'ny governemanta ny fitsikilovana ankihy sy ny antsojay anjotra amin'ny gazety.
Nasehon'ny fanombanan‘ny Reporters Sans Frontières (RSF) tamin'ny taona 2024 fa mpanao gazety efa ho 20 tany Nizeria no voatafika tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 fotsiny, taratry ny fitomboan'ny loza atrehin'ny mpiasan'ny fampitam-baovao manerana ny kaontinanta. Mandritra izany fotoana izany, navoakan'ny Tatitry ny CIPESA taona 2024 amin'ny Toetran'ny Fahalalahan'ny Aterineto ny fomba ampiasana ny fanaraha-maso ankihy sy ny fameperana an'aterineto amin'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina, indrindra mandritra ny fifidianana sy ny krizy politika.
Rehefa mitombo ireo ambana ireo dia ilaina hatanjaka ny fepetram-piarovana ankihy hitandroana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.
Mpanao gazety miatrika fivoaram-pandrahonana ankihy
Mifindra anjotra ny ambana rehefa nifindra anjotra ny asa fanaovan-gazety. Aty Afrika atsimon'i Sahara, mihamitombo hatrany ny fisovohana, ny fanaraha-maso, ny antsojay anjotra, ny fitandrohana, ary ny sivana anjotra mahazo ny mpanao gazety — izay matetika mihatra amin'ny fiainana andavanandro mihitsy.
Asongadin'ny tatitry ny CIPESA tamin'ny taona 2023 ny firongatry ny fanafihana ankihy tohanan'ny fanjakana any Ouganda, Ethiopia ary Nizeria, izay anarahan'ny manampahefana maso ny hetsika anjotran'ireo mpanao gazety, isamborany ny fifandraisana ary anerena fameperana amin'ny tranokala hanapotehina ireo tatitra manakiana.
Any Afrika Andrefana, matetika ny mpanao gazety no miatrika fanaratsiana anjotra sy antsojay ankihy, indrindra fa ireo mitatitra momba ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Ambaran'ny Toetran'ny Fahalalahana an'Aterineto eto Afrika taona 2024 navoakan'ny CIPESA ny fanaraha-maso ankihy, ny fiarahan'ny fandisoam-baovao anjotra mamoaka vaovao ary ny fanafihana an'habaka amelezana ireo mpanao gazety mitantara ny fifidianana sy ny korontana ara-politika.
Vitsivitsy ireo ambana ankihy lehibe atrehin'ny mpanao gazety aty Afrika atsimon'i Sahara. Anisan'izany ny fanafihana an'habaka avy amin'ny fitiliana amin'ny alàlan'ny jono famitahana, rindrampisompatra, ary ireo tetika vaovao hafa entina hangalarana angon-drakitra, hisovohana anaty fitaovana, ary hamafana vaovao notaterina; fanaporitsahana angon-drakitra izay anararaotan'ny mpijirika ireo lesoka hitsofohana ao amin'ny rakitra saro-pady, ny horiran-tavan'ireo loharanom-baovao ary ireo fanadihadiana tsy mbola nivoaka; fanaraha-maso avy amin'ireo rindram-pitsikilovana sy rafitra fanaraha-maso an'aterineto mba hanaraha-maso ny fivezivezen'ny mpanao gazety sy hanerena fanivanan-tena; ary farany, fitandrohana sy antsojay anjotra. Mety iharan'ny fanararaotana mirindra anjotra ny mpanao gazety, indrindra fa ny vehivavy mpanao gazety, sy ireo mpanao gazety mpamaky bantsilana, amin'ny fanaporitsahana ny mombamomba ny tena manokana, sy amin'ny fandrahonana ivelan-jotra.
Raha jerena ny fandrahonana atrehin'ny mpanao gazety aty Afrika atsimon'i Sahara, dia mivandravandra ny filàna maika ny fiarovana mafy kokoa, na eo amin'ny sehatry ny politika na amin'ny alàlan'ny fomba fanaon'ny tsirairay an'habaka.
Nahoana no manan-danja kokoa ny fiarovana ankihy ho an'ny asa fanaovan-gazety Afrikana
Tamin'ny taona 2021, 72 isanjaton'ny firenena Afrikana no namoaka lalàna momba ny heloka an'habaka. Ka izany no mahatonga ny hamaroan'ny lalàna manao ho laharam-pahamehana kokoa ny fanaraha-mason'ny fanjakana mihoatra noho ny fiarovana mpanao gazety. Mbola malefaka ny fiaraha-miasam-paritra, toy ny lasitrasam-parovana an'habaky ny Vondrom-piarahamonina Afrikana Atsinanana, ka mahatonga ny mpanao gazety ho mora tratran'ny fandrahonana.
Mampiasa fitaovana anjotra ny governemanta, ny orinasa ary ny mpisehatra ratsy loha mba hanaraha-maso, hitandrohana, ary hampanginana ny asa fanaovan-gazety, ka ilaina matanjaka ny fepetra fiarovana. Tena ilaina ny fiarovana ankihy tsy amin'ny fiarovana fitaovana fotsiny fa amin'ny fitandroana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fiarovana ny loharanom-baovao, ary ny fiantohana ny maha-azo itokiana ny asa fanaovan-gazety mpamaky bantsilana.
- Miaro ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovao: Miaro ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovao: Mety hampidi-doza ain'olona ny vaovao tafaporitsaka, ka mamadika ny fandrahonana anjotra ho loza mandratra amin'ny fiainana andavanandro. Kitro ifaharan'ny mpanao gazety sy ny loharanom-baovaony ny fiarovana ny renivola ankihy.
- Mikajy ny fahafaha-miteny: manohintohina ny fanaovan-gazety ny fanafihana an'habaka, mitarika ho amin'ny fanivanan-tena. Ohatra, niteraka ngidy amin'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny lalànan'ny fanaraha-maso ao Zimbaboe.
- Mikolokolo ny fitokisana ny fanaovan-gazety: Manimba ny fitokisan'ny besinimaro ny angon-drakitra voatohintohina. Ny fiantohana ny filaminana no ahafahan'ny mpanao gazety mitana fahefana tsy misy tahotra.
Fanambim-piarovana ankihy aty Afrika atsimon'i Sahara
Na dia mitombo aza ny ambana, dia mbola tsy mivoatra ny fiarovana ankihy aty Afrika atsimon'i Sahara. Misy ny fitaovana fanafenan-tsoratra sy ny paikadim-piarovana an'habaka, saingy maro ny sakana amin'ny fandraisana azy ireny.
Maro amin'ireo mpanao gazety no tsy manana hirika idirana amin'ny fitaovam-pifandraisana azo antoka na fiofanana momba ny fiarovana an'habaka. Tsy taka-bidy ny rindrambaiko fanafenan-tsoratra, VPN, ary sehatra fandefasana hafatra azo antoka. Vitsy ny fandaharan’asa fanofanana, ka ho mora tratra ny mpanao gazety.
Any Tanzania, manasarotra ny mpanao gazety tsy miankina hampiasa vola amin'ny teknolojia azo antoka ny fepetra henjana momba ny votoaty sy ny halafon'ny saram-panomezana fahazoan-dàlana.
Fanampin'izany, manimba kokoa ny fiarovana ankihy ho an'ny mpanao gazety ato amin'ny kaontinanta ny fanakatonana aterineto, ny fanaraha-maso faobe, ary ny halemin'ny lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra.
Ho fampiroboroboana ny fanentanana ny fiarovana ankihy, mankalaza isaky ny 11 Febroary ny hetsika eran-tany toy ny Andron'aterineto azo antoka kokoa, manome sehatra iray hanabeazana ny mpanao gazety amin'ny fomba fanao tsara indrindra momba ny fiarovana an'habaka. Niainga tamin'ny fampiasana aterineto tompon'andraikitra ny fanentanana tamin'ny voalohany fa miresaka momba ny fiarovana ny adiresy anjotra, ny fiainana manokana ary ny fiarovana ny mpanao gazety amin'izao fotoana izao. Afa-manampy ny mpanao gazety Afrikana handray fepetra fiarovana matanjaka kokoa ny fampiasana hetsika toy izany.
Tsy safidy intsony ny fiarovana ankihy noho ny fiitaran'ny fanafihana an'habaka, fitsikilovana ary antsojay ankihy amin'ny mpanao gazety. Tsy avy amin'ireo mpisehatra jiolahim-boto ihany ireo fandrahonana ireo — samy mampiasa fitaovana nomerika mba hanaraha-maso, hanodikodinana ary hampanginana ny gazety avokoa ny governemanta, ny orinasa, ny vondrona mahery fihetsika, ary ny tambajotran-jiolahy. Tena marefo ireo mpikirakira tsy miankina sy ireo efitrano famoaham-baovao tsy miankina aty Afrika atsimon'i Sahara, matetika ry zareo tsy ampy fitaovana hiarovana amin'ireo fanafihana ireo.
Vokatr'izany, mitaky setriny mirindra ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety anaty vanim-potoana ankihy. Amin'ny alalan'ny hetsika iombonana ihany no ahafahantsika miantoka fa malalaka, marina ary azo antoka ny asa fanaovan-gazety.