
Sarina voron-drano Mavotongotra lehibe nalaina tao amin'ny Canva Pro.
Tamin'ny Desambra 2024, ny BirdsCaribbean, fikambanana iraisampirenena tsy mitady tombony ara-bola, izay mikendry ny hitahirizana ireo vorona ao Karaiba sy ny toeram-ponenan'izy ireny ao amin'ny faritra, dia nisintona lakolosy fanairana momba ny antsoin-dry zareo hoe “fihenàna be amin'ny isan'ireo vorona mponina amoron-drano,” nasongadina tao anatin'ny fanavaozam-baovao iray ao anatin'ny Lisitra Menan‘ny International Union for the Conservation of Nature (IUCN – Fikambanana Iraisampirenena ho Fikajiana ny Natiora) iray volana monja talohan'io.
Miaraka amin'ireo karazana 16 amin'ny vorona mponina amoron-drano nafindra ho anaty sokajin'ireo tandindonin-doza kokoa, Lisa Sorenson, tale mpanatanteraky ny BirdsCaribbean dia niantso ilay toejavatra ho toy ny “antso famohazana,” tamin'ny fanazavàna fa “haraton'aina ho an'ireo vorona mponina amoron-drano sy mpifindrafindra toerana i Karaiba, amin'ny fanomezana toeram-piatoana sy fialofana tena manandanja rehefa ririnina mandritra ny dia lavitr'ezaka fifindramonina ao Atlantika. Rehefa very ireny toeram-ponenana ireny, simba na manjavona, miatrika fanamby henjana be ireny vorona ireny.”
Jackie Cestero, avy ao Anguilla, bilaogera sy mpankafy vorona, dia mandinika manokana, nahamarika fa enina raha kely indrindra amin'ireo karazany miha-vitsy an'isa no mandany ny ampaham-potoanany amin'ilay nosy: ny Bécassin roux, ny Pluvier kildir, ny Petit Chevalier sy ny Grand Chevalier, ny Tournepierre à collier, ary ny Pluvier argenté.
Amin'ireo, ny Bécassin roux, ny Pluvier argenté ary ny Petit Chevalier dia nakisaka hiala tamin'ny sokajin'ireo karazana “Tsy dia ahiana” ho amin'ny “Marefo”, raha ny Pluvier kildir, ny Grand Chevalier sy ny Tournepierre à collier kosa nesorina tamin'ny sokajy “Tsy dia ahiana” ho amin'ny sokajy “Marefo”.
Notsipihan'ny BirdsCaribbean ny toerana manandanja tànan'ny faritra mando sy ireo toeram-ponenana amoron-dranomasina amin'ny fahaveloman'ireo vorona mponina amoron-drano, toy ny ala honko, ny honahona, ny morontsiraka, ny toeram-potaka sy fasika — izay “manjavona amina hafainganana mampanahy”. Tombanan'ny Caribbean Biodiversity Fund (CBF) hoe manodidina ny 12 isan-jato amin'ny ala honko erantany no hita ao Karaiba, izay eo amin'ny 7.000 km² no nafoy tato anatin'ny telopolo taona farany (1980–2010). Raha mitohy amin'io taha io ny fitontonganana, dia lazainy fa “mety ho foana ato anatin'ny 60 taona ho avy ireo ala honko ao Karaiba.”
Raha ny fijerin'i Cestero avy ao Anguilla, mandray anjara betsaka amin'io ny fampandrosoana mifandray amin'ny fizahantany. “Ny governemanta amin'izao fotoana ao Anguilla,” hoy izy, dia manao ho laharam-pahamehana ny “fampandrosoana fa tsy ny fikajiana,” aminy dia abaribarin'ny tetikasa iray an-dranomasina izany ao amin'ilay toeram-pialana sasatra Altamer ao atsimon'ilay nosy, izay mitoetra akaikina honahona roa masira — ny Gull Pond sy ny Cove Pond.
Ny ilany atsinanan'ilay nosy koa dia voakasika anatin'ny fifanarahana iray nataon'ny governemanta, ny Memorandum of Understanding (MOU), amin'ny hanitarana 87 hektara amin'ny tany amorontsiraka ho an'ilay toerana fialàna sasatra Savannah Bay, izay hisy trano mihoatra ny 1.000 isa sy fari-dranomasina mihidy. Toy ny hoe efa an-dalan'ny ho lasa “iray amin'ireo tetikasa manandanja indrindra amin'ny tantaran'ilay nosy, raha tsy ho i Karaiba manontolo mihitsy aza”, no filazan'ny tranonkalany azy io.
Ny tena ahiahin'i Cestero, anefa, dia akaikin'ny faritra manandanja Grey Pond Important Bird Area (IBA) sy ny honahonan'i Junks Hole izay natao ho amin'ny fiarovana ireo vorona no misy ilay tetikasa fampandrosoana ny morontsiraka, izay mahatonga “tsy fisalasalana momba ny fisian'ny fiantraikany henjana amin'ireny faritra mando ireny sy ny morontsiraka. Ny Grey Pond IBA dia toeram-panatodizana iray tena manandanja ho an'ny vorona Petite Sterne sy ny Pluvier neigeux ary ny Pluvier de Wilson,” ankoatra ireo vorona hafa mponina amoron-drano sy voron-dranomasina mpifindramonina.
Etsy ankilany, ny governemanta, izay ny teny filamatrany dia toy ny hoe “Ny Fampandrosoana androany. Fanantenana ho an'ny Taranaka Hoavy,” mitazona ny hoe ireo tetikasa fampandrosoana, toy ny Sandy Bay, dia napetraka ho tombontsoan'ireo mponina ao Anguilla: “[I]sika dia mitaky tetikasa sôsialy iray arahana antoka na kaonty iray ametrahana petrabola izay na iza na iza mpandraharaha manana fifanarahana asa — vahiny eto Anguilla — dia [hanaiky] hiaro ireo Anguilliana mpiasa.” Ny Praiminisitra Ellis Webster aza dia nanasongadina tetikasa sôsialy iray misy ifandraisany amin'ny Savannah Bay tamin'ny endrika “sisiny azo ivenjivenjena ao amin'ny faritra Island Harbour.” Anatin'ny dingana fanavaozana ny seranam-piaramanidiny ihany koa ilay nosy.
Tsy maintsy dinihana ihany koa anefa ny fiantraikany amin'ny olombelona. Cestero, izay milaza ny Altamer sy Savannah Bay “ho tsy mifanaraka amin'ny fampandrosoana tomponandraikitra ao Anguilla, […] indrindra fa marina raha vao ireo toeram-ponenana avo lenta tsy misy mipetraka no hitantsika,” dia nitafa tamina taranaka fahefatra amina mpanjono avy ao amin'ny morontsiraka atsinanana. Nampalahelo azy ny zavamisy hoe ilay fampandrosoana dia mety hanafoana ny fahafahana miditra any amin'ireo toerana fampiasan'ny mpanjono mba hanarahana maso ny fivezivezen'ny trondro, hahatonga izany ho fanamby goavana ho azy ireo rehefa hanjono any amin'ilay faritra izay nianteheran'ilay vondrom-piarahamonina nandritra ny taranaka maro nifandimby mba hamelomana ny ankohonan'izy ireo.
Tamin'ny 2020, ny governemanta tao Anguilla dia nikarakara fakàn-kevitra faobe momba ny tetikasa marina iray ao anatin'ny Sandy Ground izay tsy nahita masoandro noho ny fanoherana azy mafy. Nilaza tamin'ny gazety The Anguillan i George Frazer, mpandraharaha mpanorina izay nikendry ny hahazo ny tetikasa Sandy Ground teo ambanin'ny fitantanana pôlitika teo aloha, fa nanatona ny praiminisitra Webster izy taorian'ny nahavoafidy azy ary “nilaza taminy fa vonona ry zareo ny hijanona ao Anguilla hametraka io marina iray io eto […] Nisy MOU iray nosoniavinay niaraka tamin'i Altamer, ary eto izahay androany mba hametraka ny vatofototr'io marina io.” Ny fotodrafitrasan'ny marina ao Altamar dia tsy maintsy hovitaina mandritra ny telovolana fahefatry ny taona 2025, ary amin'ny telovolana fahatelo amin'ny 2026 ireo hôtely mandrafitra azy no kendrena hisokatra.
Na izany aza, mbola manantena ihany i Cestero hoe hokatsahan'ny governemanta ny hampiasàna ireo angondrakitra azo nandritra ny fanisàna isantaona ireo vorona ao amin'ilay nosy “mba hitantànana ireo loharanonkarena sarobidin'i Anguilla amin'ny fomba tena tompon'andraikitra kokoa.” Vao avy nandray anjara indrindra tamin'ilay Great Backyard Bird Count ilay nosy, izay nifarana tamin'ny 17 Febroary 2025.