Fandresen-jazavavy: Nomelohin'ny Firenena Mikambana ny faneren'i Ekoadaoro sy Nikaragoà ny voaolana hitondra vohoka

Fandravahana nataon'i Ro Oré. Nahazoana alalana.

Nivoaka voalohany tao amin'ny Salud Con Lupa, fampitam-baovao mpiara-miasa amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity .

Namoaka fanapahan-kevitra manan-tantara telo ny Komitin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona tamin'ny 20 Janoary, nanameloka ny governemantan'i Ekoadaoro sy Nikaragoà noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nihatra tamin'i Norma, Susana ary Lucía — zazavavy telo tafavoaka velona tamin'ny herisetra ara-nofo ary voatery nanohy ny fitondrana vohoka tsy nirìna. Mampiseho fandrosoana lehibe amin'ny fiarovana ny zo ara-pananahana sy ny fahazazana any Amerika Latina ireo didim-pitsarana, tarihin'ny hetsika Son Niñas, No Madres (Tovovavy izy ireo, Fa Tsy Reny) ireo.

Manome baiko ny fanapahan-kevitra mba hanavaozan'ireo fanjakana ireo ny lalàny ho fiantohana ny fahazoana tolotra fanalan-jaza azo antoka, ara-dalàna ary mahomby, indrindra amin'ny tranga herisetra ara-nofo, ny fiantraika aman'aina na ny fahasalamana, na rehefa miteraka fijaliana mafy ny fitondrana vohoka. Nohamafisin'ny komity fa fampijaliana,  habibiana sy tsy manaja maha-olona ny fandavàna izany zo izany, ​​ary manitsakitsaka ny fitsipika mifehy ny fitoviana sy ny tsy fanavakavahana.

Fanampin'izany, fantatra fa ny voatery ho reny dia manelingelina ny tetikasam-piainan'ny tovovavy, mametra ny fianarany, ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina ary ny zo fototra. Araka ny angona avy amin'ny Fikambanana Pan-Amerikana momba ny Fahasalamana-Organisation panaméricaine de la santé (OPS), iray amin'ireo antony voalohany mahatonga ny fahafatesana eo amin'ireo tovovavy sy tanora ao amin'ny faritra ny fahafatesan-dreny.

Angon-drakitra mampatahotra any Amerika Latina

Amerika Latina sy Karaiba no manana taham-piterahana faharoa ambony indrindra eo amin'ireo tovovavy latsaky ny 15 taona maneran-tany, araka ny nambaran'ny UNFPA. Tamin'ny taona 2021, dimy amin'ny tovovavy 100 ao amin'ny faritra no lasa reny, vokatry ny herisetra ara-nofo, izay matetika ataon'ny fianakaviana akaiky ny 20 isan-jaton'ireo vohoka ireo .

Mihamitombo ny fiantraikan'ireo zava-misy ireo noho ny tsy fahampian'ny fahazoana tolotra ara-pananahana sy ny rafi-pitsarana  mampatarazoka ny tsimatimanota. Nitatitra ny Vaomiera Iraisan'ny Amerikana Momba ny Zon'olombelona (IACHR) fa mahakasika tovovavy eo anelanelan'ny 10 sy 14 taona ny 80 isan-jaton'ny fanolanana any amin'ny faritra.

Fepetra nobaikon'ny komity

Anisan'ireo hetsika misongadina indrindra izay tsy maintsy ampiharin'ny fanjakana, ohatra, ny fanavaozana ny lalàna mba hiantohana ny fanalan-jaza azo antoka sy ny fanafoanana ny sakana amin'ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana momba ny fananahana, ny ady amin'ny herisetra ara-nofo amin'ny alalan'ny fandaharan'asa fanabeazana, ny fanentanana ary ny fepetra mahomby ho an'ny rariny, ny fampiofanana ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny fitsarana momba ny fikarakarana feno raha misy trangan-kerisetra ara-nofo, ary manome fikarakarana feno ho an'ireo niharam-boina, ao anatin'izany ny fanonerana, fanohanana ara-tsaina, fahazoana fanabeazana, ary fitaovana hananganana indray ny tetikasan'izy ireo.

Mametraka ohatra ao amin'ny faritra ireo fanapahan-kevitra ireo ary manasongadina ny filàna maika ny fanovana ara-drafitra mba hiarovana ny zo sy ny fiainan'ny tovovavy sy ny tanora.

Ny anjara asan'ny hetsika Son Niñas, No Madres

Nitarika fitsarana iraisam-pirenena nanomboka tamin'ny taona 2019 ny hetsika Son Niñas, No Madres, ahitana fikambanana toy ny Planned Parenthood Global, Promsex (Però), Surkuna (Ekoadaoro), ary ny Mujeres Transformando el Mundo (Vehivavy Manova ny Tontolo, Goatemalà) mba hanazava ny fiantraikan'ny herisetra ara-nofo sy ny fanerena ho reny. Tafiditra ao anatin'ny asan'izy ireo ihany koa ny didim-pitsarana tamin'ny taona 2023 izay niampanga an'i Però mikasika ny raharaha Camila, tovovavy 13 taona niharan'ny herisetra ara-nofo nataon-drainy.

“Fandresena maneran-tany ho an'ny fizakan-tena ara-pananahana sy ny zon'ny tovovavy ireo fanapahan-kevitra ireo,” hoy i Catalina Martínez Coral, filoha lefitry ny Foiben'ny Zo Ara-pananahana. “Tolotra ara-pahasalamana tena ilaina ny fanalan-jaza, ary tsy maintsy iantohana ny fidirana amin'izany.”

Antso ho amin'ny hetsika maika

Mandrisika ny governemantan'i Ekoadaoro sy Nikaragoà ny hetsika mba hanaraka ny didim-pitsarana ary hiara-hiasa amin'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena mba hampihatra avy hatrany ireo fepetra ireo. Miantso ny fianakaviambe iraisampirenena ihany koa izy mba hitaky ny mangarahara sy hanaramaso mandritra ny dingana.

Ity fandresena ity, izay tanteraka noho ny herim-pon'i Norma, Susana, ary Lucía, dia mikendry ny hanome antoka fa tsy misy ankizivavy voatery handao ny fahazazany sy ny zony fototra. Dingana manan-danja mankany amin'ny tontolo iray izay tovovavy ny ankizivavy –  fa tsy reny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.