
Tsy hita ao Syria intsony ny fahatsiarovana an'i Hafez Assad hita maso. Sary avy amin'i Rami Alhames, natao tao amin'ny Canva Pro.
Narodan'ny mponina ao an-tanànan'i Deir Atiyah, 88 kilometatra avaratr'i Damaskosy renivohitra ny sarivongan'ny filoha teo aloha Hafez al-Assad, izay tazana eo amin'ny iray amin'ireo havoanan'ny tanàna. Izy io no lehibe indrindra amin'ireo sarivongan'i Hafez al-Assad marobe natsangan'ny fitondrana tao Syria nandritra ny dimam-polo taona.
Ny marainan'ny 8 Desambra 2024, tamin'ny firodanan'ny fitondran'i Assad sy ny fandosiran'ny filoha voaongana Bashar al-Assad tany Rosia, niparitaka tao amin'ny media sosialy ny lahatsary mampiseho ny mponina ao an-tanàna an-tendrombohitra Qalamoun mankany amin'ny “havoanan'ny sarivongana” araka ny ahafantarana azy, mba hanongana ilay sarivongana amin'ny alalan'ny milina mavesatra.
Nahoana no Deir Atiya?
Anisan'ny niakaran'i Hafez al-Assad teo amin'ny fitondrana i Mohamed Deeb Daboul (fantatra amin'ny anarana hoe Abu Saleem), mpiara-miasa akaiky sy sekretera tao amin'ny biraon'ny filoha Syriana efa nodimandry hatramin'ny faramparan'ny taona 1960.
Teraka tao an-tanànan'i Deir Atiyah tamin'ny taona 1935 i Daboul, talohan'ny naha-talen'ny biraon'i Hafez al-Assad, fony ity farany ity nitàna ny toeran'ny praiminisitra sy minisitry ny fiarovana taorian'ny fahombiazan'ny fanonganam-panjakana nataony tamin'ny filoha Noureddine al-Atassi tamin'ny volana Novambra 1970.
Tsy azo hozongozonina ny herin'i Daboul ao anatin'ny Antoko Ba’ath sy ny governemanta Syriana. Amin'ny maha-iray azy amin'ireo lefitra voalohany indrindra sy azon'i Assad itokisana azy, nandray anjara lehibe tamin'ny fanamafisana ny fahefan'ny filoha izy nandritra ny vanim-potoana nisian'ny fitopatopàna ara-politika.
Tao ambadiky ny sehatra, namolavola fanapahan-kevitra lehibe niaro ny fitondrana tamin'ny fandrahonana anatiny sy ivelany i Daboul. Rehefa nandimby an-drainy i Bashar Assad, dia nanohy niasa ho olona ambony teo amin'ny fitantanana i Daboul. Noho izy za-draharaha tanteraka, nanampy tamin'ny fitarihana an'i Assad zanany nanavatsava ny fahasarotan'ny fitantanana sy ny fifandraisana iraisampirenena izy.
Nanamarika ny fiafaran'ny vanim-potoanan'ny sangany ara-politika ao Syria ny fahafatesan'i Abu Saleem Daboul tamin'ny taona 2021. Ho an'ny sasany, tia tanindrazana niantoka ny fitoniana tao amin'ny faritra mikorontana izy; ho an'ny hafa, nanamarika ny fitondrana jadona izay nanakana ny tsy fitovian-kevitra sy nanakana ny fandrosoana izy. Marihina fa iray tamin'ireo mpandraharaha voasazin'ny Lalàna Caesar ny zanany lahy, Salim Daboul.
Mariky ny firodanan'ny fitondrana
Nanomboka tamin'ny 8 Desambra 2024, lahatsary maro no navoaka tao amin'ny media sosialy mampiseho ny faharavan'ireo marika maromaro tamin'ny fitondrana taloha, ankoatra ny sarivongana lehibe indrindra ao Syria. Tao anatin'ny tapa-bolana voalohany, nodorana ihany koa ny fasan'i Hazfez al-Assad tao Qardaha, tanàna niaviany, ary maro tamin'ireo sarivongana no nazera tao Tartus, tanàna amorontsiraka izay maro an'isa ny Alawita, tao Jaramana, tanàna itatr'i Damaskosy, eo an-kianjan'i Hama, ary ary avy amin'ireo mpianatry ny oniversiten'i Damaskosy ao an-drenivohitra Syriana, izay nandrodana ny sarivongan'ny filoha Syriana efa nodimandry, talohan'ny nitsanganana teo amboniny ary nitaritarika azy teny an-dalamben'ny tanàna.
Ny fitaovam-piadian'ny didy jadona

Sarivongan'i Hafez Assad ao Aleppo, Krokodyl, CC BY 3.0, avy amin'ny Wikimedia Commons
Matetika ny mpanao didy jadona sy ny fitondrana tsirefesimandidy no manangana sarivongana sy tsangambato maro ho fitaovam-pampielezana ny fikatsaham-pahefana, mametraka ny maha-ara-dalàna, ary manamafy ny fanjakazany eo anivon'ny fiarahamonina.
Araka ny filazan'i Sergei Guriev sy Daniel Treisman, tafavoaka velona amin'ny fiarahamiasa, ny sivana, ny fampielezan-kevitra ary ny famoretana ireo mpanao didy jadona maoderina , noho izany, toy ny fampahatsiahivana tsy tapaka ny fahefan'ny mpitondra ireo sarivongana ireo, mampiditra ny fisiany eo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena sy mampiroborobo ny fanindrahindrana olona (fisolelahana).