Anatin'ny hetsika amin'ny alalan'ny fisantaran'andraikitra Rising Voices, faly ny Global Voices manambara fa hotontosaina ao an-tanànan'i Meksikô amin'ny 11 ka hatramin'ny 15 Martsa 2025 ny Zaikaben'ny Fikatrohana Nomerika ho an'ny Teny Indizeny.
Io zaikabe io dia sehatra iray hanamorana ny fianaran'ny mitovy taona sy ny fifanakalozana eo amin'ireo mpikatroka nomerika ho an'ny teny indizeny, izay miasa mba hampiroboroboana, hitahirizana ary hamelomana indray ny fiteny zanatany ao Meksika eny amin'ny sehatra nomerika sy miaraka amin'ny vondrom-piarahamonin'izy ireo. Na dia hifantoka amin'ny firenena aza ity andiany fahatelo amin'ny fihaonana an-tampony ity, dia hifantoka manokana ihany koa amin'ny fandraisan'anjaran'ireo mpikatroka nomerika miasa miaraka amin'ny fiteny Maya.
Tamin'ny taona lasa dia tao an-tanànan'i San Cristóbal de las Casas ao anatin'ny fanjakana Chiapas no nanaovana ny zaikabe. Tamin'ny 2023 kosa dia natao tany amin'ny tanànan'i Mérida ao anatin'ny fanjakana Yucatán.
Marobe tamin'ireo hetsika no natokana ho an'ireo nahazo fanasàna na fotsiny afaka hidirana amin'ny alàlan'ny antso fandraisana anjara nalefa ho an'ny daholobe. Na izany aza, ny andro farany amin'ny zaikabe dia ho fankalazana misokatra amin'ny besinimaro liana amin'ny fahalalàna ny asa goavana ataon'ireo mpikatroka nomerika ho an'ny teny indizeny manerana an'i Meksika.

Sary fanaingoana avy amin'i Vics Laga ho an'ny Rising Voices.
Hetsika mandritra ilay Zaikabe
Fihaonan'ireo nahazo fanohanana (11 & 12 Martsa): Nandritra ny valo volana farany, nomen'ny Rising Voices fanohanana ny andiany fahatelo amin'ireo 10 nahazo vatsy avy ao amin'ny vondrono Yucatán sy Chiapas. Nirotsahan'ilay vondrona ny dingana fampianarana ireo mitovy taona, ahitàna ireo fihaonana sy atrikasa virtoaly. Nitantana tetikasa mifahatra amin'ny vondrom-piarahamonina ihany koa ireo nahazo fanohanana mba hampiroboroboana ny fitenin-dry zareo eny anatin'ireo habaka virtoaly samihafa. Io fivoriambe io dia hanome hirika ho an'ireo vondrona mba hihaonana sy hifankahafantarana mivantana, mba hisaintsainana momba izay fiantraikan'ny tetikasan-dry zareo, ary hijerena ireo hetsika hatao amin'ny hoavy.
Fivoriamben'ireo tambajotrana mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Maya ( 11 & 12 Martsa): Ireo nahazo fanohanana ka nahatontosa ny fandraisany anjara tamin'ilay Fandaharanasa tamin'ny 2022 sy 2023 dia nisafidy ny hanohy hiasa miaraka. Tamin'ny famoronana ny tambajotra ADLM, ireo tranainy nisitraka ilay fandaharanasa fanomezana vatsy dia nametraka tetikasa iraisana sy ifandrimbonana, toy ilay Zaikaben'ny Fikatrohana Nomerika isam-Paritra izay natao tamin'ny Janoary 2025 tao an-tanànan'i Valladolid, Quintana Roo. Mbola hihaona indray izy ireo hanohizana ny fifampizaràna traikefa sy hanamafisana ilay tambajotra.
Atraikasa momba ny Fikatrohana Nomerika (11 & 12 Martsa): Iarahana miasa amin'ny Ivontoerana ho an'ny Kolontsaina Nomerika, ireo mpiteny ny fiteny indizeny monina ao anatiny sy ivelan'ny tanànan'i Meksikô dia nasaina handray anjara amina atrikasa iray mandritra ny andro roa, nomena lohateny hoe “Fampatanjahana ny fiteninao ao amin'ny Aterineto,” ka anatin'izany ry zareo dia hianatra hamolavola drafitra tetikady manokana hanombohana na hanohizana ireo hetsika fikatrohana nomerika ataon-dry zareo. Ilay atrikasa dia ho eo ambany fitarihan'ireo mpanentana roa, mpikatroka nomerika manana traikefa avy ao Meksika, ary hahitàna ireo paika novolavolaina ho ampahany amin'ny tetikasa iray hanolorana fehezam-pitaovana, fiarahamiasa amin'ny UNESCO.
Karajia momba ny “Intelligence Artificielle (IA)” sy ny Fiteny (13 & 14 Martsa): Ity karajia mandritra ny andro roa ity dia hamory ireo mpampiasa fiteny indizeny mba hitrandraka ny fomba fampiasàna ny IA amin'ny fanomezana aina vao ny fiteny indizeny. Hizara ny hetahetany sy ny ahiahiny amin'ireo namany ny mpandray anjara, indrindra fa momba ny fiandrianan'ny angondrakitra sy ireo olana ara-tontolo iainana, ary ny fampandraisana anjara mampiaty, hatramin'ny fanolorana fotokevitra ho taridalana mifototra amin'ireo fomba fijery indizeny, izay hahafahan-dry zareo manombana raha toa ireny teknôlôjia ireny ka mifandraika tsara sy ho amin'ny tombontsoan'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo.
Tsenaben'ny Fikatrohana Nomerika (15 Martsa): Manokatra ny varavarany ho an'ny daholobe ny Zaikabe, miaraka amin'ireo fandaharam-potoana fandraisana anjara ahitàna tranoheva ka amin'ireny ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny no afaka mampiseho ny tetikasan-dry zareo sy manao fanentanana fampiasàna ireo fitaovana nomerika ho fampiroboroboana ny fiteny. Ao amin'ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Espaniôla ao Meksikô no hatao ilay tsenabe. Jereo eto ny vakiraoka amin'ilay fandaharanasa. Amin'ity Febroary ity ny lisitra farany amin'ireo tranoheva no ho azo.
Ilay zaikabe no tanteraka, dia noho ny fanohanana avy amin'ny W.K. Kellogg Foundation, ny Spanish Cultural Center ao Meksikô, ny Center of Digital Culture, ny Wikimedia Foundation, ary ny Masoivoho Kanadiàna ao Meksika. Ny Rising Voices dia miara-miasa ihany koa amin'ny First Languages AI Reality sy ny Oniversite Bishop, ary koa ny hetsika iray atao ao anatin'ny Taompolo Iraisampirenena ho an'ny Fiteny Indizeny (2022-2032).
Araho ao amin'ny tambajotra sôsialy izahay, amin'ny tenifototra #ADLI25.