Nanao ahoana ny tao Venezoela tamin'ny 10 Janoary?

Sary avy amin'ny Global Voices. Eo ankavia: Edmundo González Urrutia, kandidan'ny mpanohitra (Sary nahazoan-dalana:  Wikimedia Commons/European Union CC BY 4.0). Ankavanana: Filoha-Voafidy Nicolás Maduro (Sary nahazoan-dalana: Wikimedia Commons/Kremlin CC BY 4.0)

Mihoatra lavitra noho ny andro tsotra ao amin'ny kalandrie 2025 ny 10 Janoary ho an'i Venezoelà, araka ny daty voatondro ao amin'ny lalàmpanorenana hanokanana ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena vaovao. Amin’ity taona ity dia vao mainka zava-dehibe ny fanamby, satria efa miomana amin’ny fanatanterahana io andro io ireo kandidà nirotsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny volana jolay. Na ny filoha voafidy Nicolás Maduro sy ny mpitarika ny mpanohitra María Corina Machado sy Edmundo González Urrutia dia samy nanao fanentanana manerana ny firenena ho amin'io andro io, sy ny andro mialoha.

Ahoana no nahatonga izany?

Nanambara ny filoha ankehitriny Nicolás Maduro ho mpandresy amin'ny fe-potoam-piasana fahatelo misesy (2025–2031) ny Filankevi-Pifidianana Nasionaly (CNE), birao ambony indrindra ao Venezoela momba ny raharaham-pifidianana. Tsy misy lalàna mametra ny firotsahan-kofidiana indray amin'ny fe-potoana hiasan'ny filoham-pirenena ao Venezoela. Niteraka andiana hetsi-panoherana sy heri-pamoretana tsirefesimandidy izany — ankehitriny, olona maherin'ny 1700 no mbola migadra any Venezoelà noho ny antony ara-politika, anisan'izany ny hetsi-panoherana taorian'ny fifidianana.

Tsy nisy fanisam-bato [mg] naseho hatramin'ny andron'ny fifidianana tao amin'ny tranokala — izay mbola tsy misy vaovao — ary namoaka votoaty fampiroboroboana ny fanjakana izay mifantoka amin'ny teny faneva hoe #YoJuroporMaduro (Mianiana amin'i Maduro aho), miantso ny mpanohana an'i Maduro hanatrika ny fanokanana azy. Hatao ao Caracas, renivohitry ny firenena ny lanonana.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Nicolás Maduro (@nicolasmaduro)

United! With our fist ✊🏽 raised high, on #10Ene we swear with our hearts, for the trust and love we have for the Homeland. The date is scheduled to defend the vote!

Tafaray! Miaraka amin'ny ✊🏽 atsangana, amin'ny [10janoary] izahay mianiana  amin'ny fonay, noho ny fahatokisana sy ny fitiavana anananay ho an'ny Tanindrazana. Voalahatra hiaro ny latsa-bato ny daty!

Milaza ny mpanohitra fa ny kandidan'izy ireo, Edmundo González Urrutia, no tena nandresy ara-pahamarinana tamin'ity fifidianana tamin'ny volana Jolay ity, izay mitety an'i Amerika amin'izao fotoana izao rehefa nahazo fialokalofana ara-politika tany Espaina tamin'ny volana Septambra lasa teo. Ny isan'ny mpifidy voaangon'ny vavolombelona mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny androm-pifidianana no niaingan'izy ireo, izay natambatra tamin'ny hetsika ho an'ny angona an-kalamanjana toy ny resultadosconvzla.com sy macedoniadelnorte.com. Tamin'ny fotoana namoahana izany, mbola miafina any amin'ny toerana tsy fantatra ny lehiben'ny mpanohitra María Corina Machado. Niantso ny Venezoelàna hidina an-dalambe izy tamin'ny 9 Janoary, andro iray mialoha ny fitokanana.

 

Ity no famantarana. Izao no andro!

Ny andro hanakambanantsika ny sainam-pirenentsika amin'ny antso tokana ho an'ny FAHAFAHANA!

Mila anao i Venezoela.
Ianareo rehetra, MIARAKA. ISIKA REHETRA!

Hiaraka aminao aho.
Amin'ity 9 janoary ity, eny an-dalambe isika rehetra, any Venezoelà ary manerana izao tontolo izao.

VONINAHITRA HO AN'NY VAHOAKA MAHERY!

Hitan'izao tontolo izao ny zava-hitranga hoavy. Firenena vitsivitsy ihany no nanaiky an'i Maduro ho mpandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena, anisan'izany i Rosia, Shina, Nikaragoà ary Kiobà. Handefa solontenam-panjakana ambony amin'ny lanonana fitokanana i Brezila, Kolombia ary Meksika — izay efa niomana hanampy amin'ny fanelanelanana ny krizy amin'ny fifidianana amin'ny alalan'ny fihaonany amin'i Maduro. Etsy andaniny, manaiky an-karihary an'i González ho filoha voafidy i Etazonia sy ny parlemanta Eoropeana.

Afaka hamintinana ny fihetseham-pon'ny ankamaroan'ny Venezoelàna ny ahiahy. Nanambara toy izao ao amin'ny lahatsoratr'izy ireo ny Caracas Chronicles, mpiara-mizara votoaty amin'ny Global Voices, hoe “Misy zavatra hitranga ato amin'ity tanàndehibe ity”:

There is a shared feeling amongst all Venezuelans that something will happen in the coming weeks. Be it driven by the government’s military paranoia or by the opposition’s hopeful speech. Let’s just hope that someone with their head and heart in the right place actually does have a plan.

Misy fahatsapana iraisana eo amin'ny Venezoelàna rehetra fa hisy zavatra hitranga amin'ny herinandro ho avy. Na ho apoakan'ny miaramila paranoia an'ny governemanta izany na avy amin'ny kabary feno fanantenana ataon'ny mpanohitra. Manantena isika fa manana loha sy fo tsy diso toerana ilay manam-pikasana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.