Manolotra sehatra azo antoka ho an'ireo mpanao gazety sy mpandala ny zon'olombelona miatrika fahasahiranana ao Myanmar

Ma Htake Htar

Ma Htake Htar mitatitra mivantana nandritra ny hetsi-panoherana tao Myanmar tamin'ny taona 2021. Namindra azy tany amin'ny toerana azo antoka hahafahany manohy ny asa mamaky bantsilana ny Exile Hub. Sary avy amin'ny Exile Hub, nahazoana alalana.

Efa-taona amin'ity volana febroary ity ny fanonganam-panjakana tao Myanmar, izay nanohizan'ny miaramila ny sivana feno amin'ny fampitam-baovao sy ny fanafoanana amin'ny fomba feno habibiana ny feo mpomba ny demôkrasia.

Nanery ireo fampahalalam-baovao tsy miankina hamindra ny asany any ambanin'ny tany na any amin'ny faritra saro-dalana na any ampitan-dranomasina ny fanonganam-panjakana. Niavo-tena fatratra ny mpanao gazety sy ny mpandala ny zon'olombelona, ​​indrindra taorian'ny nandidian'ny governemanta miaramila ny famoretana faobe nahatra tamin'ireo hery fanoherana sy ireo heverina ho manohana ny fanoherana. Rehefa nihamafy ny fifandonana, mpanao gazety sy mpikatroka an-jatony sy ny fianakaviany no nandositra an'i Myanmar ary nitady fialofana tany amin'ireo firenena manodidina.

Tao anatin'izay efa-taona izay, maro ireo hetsika natao hanasongadinana ny asa sarobidy vitan'ireo fampitam-baovao tsy miankina sy ny mpiaro ny zon'olombelona. Miankina amin'ity fanohanana ity ny fanomezana vaovao azo itokisana momba izay zava-mitranga eny an-kianja ao Myanmar sy ny fampiharihariana ny habibian'ny fitondra-miaramila. Ohatra amin'izany ezaka izany ny fanampiana omena ireo mpanao gazety sy mpikatroka ahafahan'izy ireo manohy ny asany sy mandray anjara amin'ny fanoherana ny fitondrana jadona. Izay no iraky ny Exile Hub izay efa nanangana toerana azo antoka ho an'ireo mpisehatra mpomba ny demokrasia miisa 2.100 ao anatiny sy ivelan'i Myanmar.

Noantsafain'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny mailaka i Kay, tompon'andraikitry ny seraseran'ny Exile Hub, izay isan'ireo nanatrika ny vovonam-pampitam-baovaon'olompirenena Global Voices 2024 tany Nepal. Nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny “fanahin’ny fiaraha-miasa” amin’ny “fananganana tambajotra matanjaka afaka miara-miatrika ny olana maneran-tany”. Nanaovany fehin-teny ny zavatra ataon'ny Exile Hub hanomezam-bahana ireo feo mitsikera ao Myanmar.

We provide holistic support to media professionals and pro-democracy activists across Myanmar and the broader Mekong region, helping them amplify their voices and remain engaged in important global conversations. Ultimately, it’s about creating safe spaces where they can thrive, whether within their home countries or in exile.

Manome fanohanana feno ireo matihanin'ny fampitam-baovao sy mpikatroka mpomba ny demôkrasia manerana an'i Myanmar sy ny faritra Mekong ankapobeny izahay, manampy azy ireo hampiraondraona ny feon'izy ireo sy hirotsaka hatrany ao amin'ny resaka lehibe manerantany. Ny hiafaran'izany dia ny fananganana toerana azo antoka ahafahan'izy ireo mivoatra, na ao an-tanindrazany na any an-tsesitany.

Natsatony ihany koa ny tsangambaton'ny fandalàna tontosa:

Another big achievement is the strong support network we’ve built. Whether it’s legal aid, financial support, or mental health resources, we make sure they’re not facing these challenges alone.

Fahombiazana lehibe iray hafa ny tambajotram-panohanana matanjaka natsanganay. Na fanampiana ara-pitsarana izany, na fanohanana ara-bola, na fitaovana ara-pahasalaman-tsaina, ataonay azo antoka fa tsy manirery ry zareo miatrika ireo fanamby ireo.

Asongadin'ny tranokalan'ny Exile Hub ny sasany amin'ireo fiaraha-miasa nozakainy. Ohatra, niasa tamin'ny famindran-toerana an'i Ma Htake Htar, mpanao gazety mpamaky bantsilana nanoratra ny fiantraikan'ny fampanjakana ny miaramila amin'ny vehivavy sy ny ankizy, ho amin'ny toerana azo antoka. notohanany ihany koa ny asa anjotran'i Ma Su Thit, vadi-miaramila iray mizara ny zavatra iainan‘ny vadi-miaramila sy manentana azy ireo hanatevin-daharana amin'ny ady ho amin'ny rariny. Notohanany i Yan Naing Aung izay namboraka ny zava-misy henjana atrehin'ny  fianakaviana nafindra toerana tany avaratr'i Thailandy. Hita tao amin'ny Washington Post ity piesy mamaky bantsilana ity.

Notantarain'i Kay ny fanamby atrehin'izy ireo amin'ny fitenenam-piarovana:

One of the biggest challenges we face is keeping the people we support safe — especially those near the Thai–Myanmar border and those still inside Myanmar. Life at the border is incredibly tough. Many are undocumented, which means they’re constantly at risk of deportation or intimidation. It’s like walking a tightrope — trying to provide support while ensuring their safety.

For those still inside Myanmar, the situation is even more dire. They’re under constant surveillance, facing threats simply for doing their job. On top of that, we’re always working with limited resources, which makes everything more complicated — whether it’s legal support, mental health care, or just ensuring that marginalized groups get the help they need.

And, of course, working in a politically charged environment comes with its own risks. Just advocating for human rights can put a target on your back.

Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra atrehinay ny haha-azo antoka ny toerana misy ireo olona tohananay — indrindra ireo manakaiky ny sisintany Thai-Myanmar sy ireo mbola ao Myanmar. Tena mafy ny fiainana an-tsisintany. Maro no tsy manan-taratasy, izay midika fa tandindonin-dozan'ny fandroahana na fampitahorana hatrany ireo. Tahaka ny mandeha ambony tady mafy – miezaka manome fanohanana sady miantoka ny fiarovana azy ireo.

Ho an'ireo mbola ao Myanmar, vao mainka ratsy kokoa ny toe-draharaha. Tsy tapaka ny fanaraha-maso azy ireo, voarahona na dia noho ny fanaovana ny asany fotsiny aza. Ambonin'izany, tsy ampy fitaovam-piasana mandrakariva izahay, izay vao mainka manasaro-javatra — amin'ny fanohanana ara-pitsarana, na fikarakaram-pahasalaman-tsaina, na amin'ny fiantohana fotsiny hahazoan'ireo vondrona voahilikilika izay ilainy.

Ary, mazava ho azy, efa risika manokana ny fiasana ao anaty tontolo mavasatra ara-politika. Efa mahatonga anao ho lasibatra avy hatrany na dia ny fiarovana ny zon'olombelona fotsiny aza.

Ankoatra ny fanohanana ara-bola sy ny fanomezana toerana azo antoka anjotra sy ivelanjotra, nentanin'i Kay ny firaisamonina iraisampirenena mba hanamafy ny asan'ny mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona ao Myanmar:

The international community can play a crucial role in supporting exiled journalists by providing safe spaces — both online and offline — where they can work without fear. Financial support through grants and fellowships is vital, as is training in digital security and investigative journalism. Connecting them with local media and global networks strengthens their ability to report, while mentorship programs offer guidance in difficult times. Most importantly, amplifying their voices through international platforms ensures their work and struggles are recognized worldwide.

Afa-mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanohanana ireo mpanao gazety an-tsesitany ny firaisamonina iraisampirenena amin'ny fanomezana toerana azo antoka — na anjotra na ivelanjotra — ahafahan'ireo miasa tsy misy tahotra. Mihatra aman'aina ny fanohanana ara-bola amin'ny alalan'ireo vatsy isankarazany, ary tahaka izany koa ny fiofanana momba ny fiarovana ankihy sy ny asa fanaovan-gazety mamaky bantsilana. Manamafy ny fahafahan-dry zareo manangom-baovao ny fampikasohana azy ireo amin'ny fampahalalam-baovao eo an-toerana sy ny tambajotra manerantany, raha manome tari-dalana amin'ny fotoan-tsarotra kosa ny fandaharanasa fanoroankevitra. Zava-dehibe ambonin'izany, miantoka ny asan-dry zareo ny fanamafisana ny feon'izy ireo amin'ny alàlan'ny sehatra iraisampirenena sy ny fankatoavana manerantany ny tolona ataon-dry zareo.

Mameno ny ezak'ireo kiadin'ny fampitam-baovao tahaka ny Reporters Sans Frontières (RSF) sy ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety izay manolotra karazana tolo-tanana isan-karazany ho an'ny mpanao gazety miatrika ambana mitohy noho ny fanangonam-baovaony ny asan'ny Exile Hub. Mbola mitohy moa ny famoretan'ny fitondra-miaramila, ka zava-dehibe loatra ny ahafahan'ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona manao ny asany amin'ny fanomezana azy ireo fitaovana sahaza sy sehatra azo antoka ahafahana manatratra ny tanjona ankapobeny hampiroborobo ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao sy hamerenana amin'ny laoniny ny fitondrana sivily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.