Tarihin'ny hazavana: Sary avy ao Amerika Latina sy Karaiba, nalaina am-pitiavana

Caracas, renivohitr'i Venezoela, 60 km miala ny Ranomasina Karaiba. Cerro Ávila (na koa antsoina hoe Waraira Repano) no anaran'ilay tendrombohitra, izay valan-javaboarim-pirenena. Sary avy amin'i César Cárdenas, nahazoana alalana.

Tanatin'ny herinandro voalohan'ny Janoary 2025, nandefa sary tao amin'ny iray amin'ireo sehatra fifampiresahan'ny vondrona misy anay ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Estefanía Salazar. Ny namany, César Cárdenas, izay mpihanika tendrombohitra sady mpaka sary tsy matihanina no naka ny sary: ireo tendrombohitra mikitoantoana ao Cerro Ávila mijoro eo anelanelan'ny tanànan'i Caracas sy ny Ranomasina Karaiba any avaratra. Nanjaka tamin'ilay sary ny lanitra manga mamiratra, izay tsy nahitàna afa-tsy rahona fotsy manjavozavo, toa tsy tapa-kevitra na hijanona na handeha.

Telo andro taty aoriana, ny 10 Janoary, nanao fianianana fanintelony misesy ny filoha Venezoeliana Nicolás Maduro – izay antsoin'ny New York Times hoe “mpanao didy jadona” – taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nanahirana natao ny volana Jolay lasa teo izay niafara tamin'ny hetsi-panoherana niely patrana sy famonjana olona an'arivony. Anatin'ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny firenena no itrangan'izany rehetra izany, izay niteraka fifindra-monina faobe, sy fihenan'ny fanohanana iraisam-pirenena an'i Maduro noho ny sazy avy amin'i Etazonia sy ny Fanjakana Mitambatra ary ny Vondrona Eoropeana.

Tamin'ny fotoana nizaran'i Salazar ny sary anefa dia tsy tao an-tsainy ny momba ilay hosoka tamin'ny fifidianana. Ny hatsaran'ny tanindrazany no nanaitra azy, ka tiany hozaraina – angamba mba hanova na dia kely fotsiny aza ny fomba fijery ka hanome fomba fijery hafa ho an'ny olona momba an'i Venezoela malalany. “Ny volana Janoary aty Caracas,” hoy izy nanoratra – ary taorian'izay dia nisy mpandray anjara hafa iray avy any Karaiba nizara ny sariny manokana misy hazo botry misy voninkazo volomparasy, izay nanampy hoe, “miavaka tokoa ny volana Janoary manerana an'i Karaiba (ny fahazavan'ireo andro).”

Ho an'i Karaiba sy Amerika Latina, tsy ny kalitaon'ny hazavana ihany no manan-danja – fa ny hevitra voizin'ny hazavana, indrindra amin'ny fiandohan'ny taona: Fanoratana pejy vaovao. Fahazavan'ny fahitàna. Fanavaozana. Firaisan-kina sy firaisan-tsaina. Fanantenana, raha ny marina, manoloana ireo olana maro izay mandrahona ny faritra, manomboka amin'ny krizin'ny toetr'andro ka hatramin'ny heloka bevava.

Manomboka ao Venezoela ka hatrany amin'ny faran'ny vondronosy Karaiba, nandefa ny sariny ireo mpaka sary sy ireo mpandray anjara, naka sary ireo sombin'ilay hazavana mahavariana tamin'ny volana Janoary taty amin'ny faritra misy anay. Inoana fa ampy hitondra fanantenana sy fifaliana izy ireo, ary tsy hanohana antsika fotsiny amin'ireo fanamby atrehantsika amin'ity taona ity fa  hanampy antsika ihany koa hikasika ireo any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao — Gaza, Okraina, Sodàna — izay manohy mihady lalina mba hikarohana izany hazavana izany ao anatin'izy ireo.

Venezoela

Sarin'ny Parque José María Cartaya nalain'i Carlos Novo, nahazoana alàlana.

Ity sary mahatalanjona ahitana andiam-borona manidina malalaka ao amin'ny Parque José María Cartaya any atsinanan'i Caracas ity dia nalain'ilay mpaka sary sady mpikatroka mafàna fo ho an'ny tontolo iainana Carlos Novo, izay milaza fa ny hazavana amin'ny volana Janoary no tsara indrindra hakàna sary. Na inona na inona haizina atrehintsika, dia fantatsika any anatintsika any fa hisy foana ny hazavana amin'ny volana Janoary azo andrandraina.

Trinite-sy-Tôbagô

Andian-tsary ‘Hazavan'ny Janoary: Taratry ny Fanantenana’ avy amin'i Akleema Ali, nahazoana alàlana.

Rehefa nanomboka ny taona dia nandinika i Akleema Ali, mpaka sary, fa ny hazavan'ny volana Janoary dia toy ny fanilo ho an'ny faharetana sy ny fanavaozana, indrindra fa ao anatin'ny hamehana vao haingana napetraky ny firenena: “Mampahatsiahy antsika ireo zavatra tsy manam-petra mety hiseho sy ny habehin'izao tontolo izao ny rahona hita avy any ambony, manome fomba fijery feno fanantenana mihoatra ny andavanandro. Ny ganagana eo akaikin'ny dobo iray kosa dia mitondra fifaliana tsotra sy mampahatsiahy ny gadona mangina eo amin'ny fiainana, izay mampiaina antsika ny ankehitrinintsika.

“Ny farihy iray marina, sy ny tarany tsy misy tomika, dia maneho ny fahazavana sy ny fahatoniana, manasa antsika hiato kely sy handray ny hakanton'ny fahanginana. Ny loko mafana mandravaka ny masoandro milentika dia mampahatsiahy antsika ny fiafaràna izay manome lalana ho amin'ny famadihana pejy vaovao, ka ahitàna ny fanantenana eny amin'ny faravodilanitra. Amin'ny alalan'ireo sary ireo, enga anie isika hahita fampiononana sy fitaomam-panahy avy amin'ny fihin'ny natiora, izay mitondra ny teny fikasàna mba hisian'ny fahazavana amin'ny andro ho avy.

Barbados

Sarin'ny morontsirak'i Worthing, Barbados, avy amin'i Margaret McEvoy, nahazoana alàlana.

Nandefa sary vitsivitsy mahafinaritra mampiseho ny tontolo Barbadiana ilay mpaka sary Margaret McEvoy, izay nalainy tany amin'ny morontsirak'i Worthing, any atsimon'ny nosy. Manamorona ny Valanjavaboary masina Graeme Hall, ala honko lehibe indrindra sisa tavela ao Barbados, izay efa vonona ny hisokatra indray amin'ity volana Martsa ity rehefa niova tompo, ka mikendry ny hanome laharam-pahamehana ny fizahantany sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Isan'ireo ao Karaiba sahy miresaka tsy miolakolaka momba ny olana erantany eo amin'ny tontolo iainana ny praiminisitr'i Barbados, Mia Mottley, izay miady ny mba hisian'ny rafitra ahafahan'ireo firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana (SIDS) miatrika kokoa ny zava-misy henjana ateraky ny olan'ny toetrandro.

Pôrto Rikô sy ny Repoblika Dôminikana

Vorona isankarazany avy amin'ny faritra Karaiba miteny Espaniola, nalain'ny mpaka sary Alexia Morales, nahazoana alàlana.

Nandrakitra karazam-borona isan-karazany tao amin'ny fonenany voajanahary (sady ravahanà tara-pahazavana kanto dia kanto) ilay mpaka sary Alexia Morales. Avy any amin'ny farany ambony havia, manaraka ny lalan'ny famantaranandro: ny Trogon damoiseau, avy ao amin'ny Repoblika Dôminikana; ny Bécasseau à échasses, avy ao Guayama, Pôrto Rikô; ary ny Tacco de Porto Rico, avy ao Sabana Grande, Pôrto Rikô.

Tandindonin-doza amin'ny tafiodrivotra foana ny vorona Karaibeana isaky ny vanim-potoanan'ny rivodoza Atlantika. Mihena koa ny isan'ny voron – dranomasina any amin'ny faritra sasany noho ny fihazàna. Tsy vaingam-bato tokana akory i Karaiba, noho izany dia manana ny olany manokana i Pôrto Rikô sy ny Repoblika Dôminikana, anisan'izany ny fandripahana ala, ny fipariahan'ny tanàn-dehibe, ary ny fizahantany itambarambe.

Nanamarika ny fiovana teo amin'ny fihetsiky ny governemanta Pôrtô Rikana manoloana ny fiarovana ny ala honko i Adrianne Tossas, filohan'ny Birds Caribbean, ary vao haingana ihany koa izay ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona (FIDH) no nitarika iraka tany amin'ny Repoblika Dôminikana mba hanaraka ireo tranga goavana momba ny “fandotoana sy ny kolikoly izay namely ny firenena.”

Jamaika

Sarin'i Whitehouse, Westmoreland, Jamaika, avy amin'i Heidi Savery, nahazoana alalana.

Fantatra amin'ny indostrian'ny jono, izay manome hazan-dranomasina vaovao ho an'ny olona manerana ny nosy i White House, toeram-ponenana kely ao amin'ny Paroasy Westmoreland, miorina manamorona ny morontsiraka atsimo andrefan'i Jamaika.

Kingston, renivohitr'i Jamaika, no foiben'ny Manampahefana Iraisam-pirenena misahana ny Ranomasina (ISA), izay nomena fe-potoana “hiantohana ny fiarovana mahomby ny tontolo iainana an-dranomasina amin'ny vokadratsy mety haterak'ireo hetsika mifandraika amin'ny ranomasina” teo ambanin'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana Momba ny Lalàn'ny Ranomasina.

Koa satria mihantona eny ambonin'ny ranomasimben'izao tontolo izao ny loza mitatao ateraky ny fitrandrahana an-dranomasina lalina, manohy manao fanentanana manohitra izany ireo Jamaikana mpiaro ny tontolo iainana, na dia miady amin'ny loza roa ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny fanjonoana tafahoatra aza ny Ranomasina Karaiba.

Saingy rehefa misy ny sedra, dia tsy lavitra manaraka azy ao ihany koa ny fanantenana sy ny fahafahana…

Tamin'ity sary ity, nalaina tao amin'ny faritra Green Hills ao amin'ny Tendrombohitra Blue Mountains ao Jamaika, nilaza i Savary hoe: “Notapahin'ity lanitra mahafinaritra amin'ny ririnina ity ny lalako. Fotoana mahagaga indrindra aty amin'ny zana-pehintany. “

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Fisaorana manokana ho an'ireo mpaka sary rehetra ao amin'ny faritra sy ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izay nanokana fotoana hanolorana ny sariny sy ny fomba fijeriny horaketina tanatin'ity lahatsoratra ity. Tsy afaka nampiditra azy rehetra izahay, saingy manome toky anareo kosa izahay fa sady tsara tarehy no manentana ny fanahy izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.