Ao Tôgô, hisy fiantraikany ratsy amin'ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanabeazana ny fampitsaharana ny fanampian-dry zareo amerikàna

An-tsary, boaty misy soratra USAID ; pikantsarin'ny fantsona YouTube-n'ny RFI

Marobe ireo firenena tatsimo misitraka fanampiana ho an'ny fampandrosoana avy any Etazonia amin'ny alàlan'ny masoivoho USAID. Ny fanagiazana tampoka ireo volan'io masoivoho governemantaly io dia mety ho hisatra amin'ny fampandrosoana ireo fandaharanasa maro ao Afrika.

Isan-taona, manome hatramin'ny 40 lavitrisa dôlara amerikana ireo fanampiana ataon'i Etazonia amin'ny fampandrosoana iraisampirenena sy amin'ny sehatry ny maha-olona any amin'ny ilabolan-tany atsimo. Ao Afrika,  Tôgô dia isan'ireo firenena izay andraisan'io fanampiana io toerana lehibe anatin'ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina amin'ny sehatra marobe: fanabeazana, fahasalamana, fiarovana, fitantanana. Araka ny tatitra 2024 momba ny fampandrosoana ny maha-olona, avy amin'ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD), nahavita dingana tamin'io sehatra io i Tôgô, niainga tamin'ny 0,539 teo anelanelan'ny 2021-2022 ka lasa 0,547 teo anelanelan'ny 2023-2024. Lazain'ilay tatitra fa :

…nahavita fivoarana maro i Tôgô raha jerena amin'ireo tatitra tany aloha. Dimy taona nisesy izao, voasokajy ho laharana voalohany ao anatin'ny faritra UEMOA [Union Économique et Monétaire Ouest Africaine] ary tamin'ity taona ity dia laharaha faha-4 teo anivon'ny CEDEAO [Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest] aorian'i Cap-Vert, Ghana ary i Nizerià.

Vakio : Mamonjy sekoly ao Afrika: maningotr'aina ho an'ireo ankizy an-tapitrisany [mg]

Vely kanonta mahazo ny fanohanana ny fanabeazana

Manao izay tratry ny heriny ireo manampahefana ao Tôgô handrisihana ny fanabeazana ho an'ny rehetra: any amin'ny sekoly fanabeazana fototra, 94,6 % ny tahan'ny fidirana an-tsekoly tamin'ny fiandohan'ny taona 2024. Kanefa mbola misy ireo fanamby atrehana amin'ny resaka fanohanana ireo ankizy miaina anaty faharefoana: napetraka ireo fandaharanasa fampisakafoanana an-tsekoly ny ankizy mba hisorohana ny fandaozana sekoly ho an'ireo zanaky ny fianakaviana sahirana.

Araka izany, avy amin'ny fanampiana amerikàna nomen'ny USAID no nananganana ny fandaharanasa McGovern-Dole izay sitrahan'i  Tôgô. Tao anaty ranty iray, taorian'ny nanambaràna ilay fampiatoana, ilay tranonkalam-baovao tôgôley 27avril nilaza hoe:

Fandaharanasa iray izy io, nitentina 33 tapitrisa dôlara amerikana tamin'ny 2023. Ny Catholic Relief Services (CRS) no nanao azy ary tokony hahafahan'ireo tôgôley mpianatra an'arivony maro hanana anjara sakafo isanandro, izay hahafahana mitazona azy ireo any an-tsekoly. Nohalavaina dimy taona ilay fandaharanasa.

Ankoatra izay, soritan'ny 27avril fa efa niomànana ny fampiharana fandaharanasa vaovao iray mitentina 29 tapitrisa dôlara amerikàna. Manoratra izy hoe:

 29 tapitrisa dôlara hafa no nandrasana hanaovana fandaharanasa vaovao iray antsoina hoe « Sakafo ho an'ny Fandrosoana ». Izany dia ho toy ny endrika fanomezana vokatra avy amin'ny fambolen'ny amerikàna ho an'ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo demôkrasia vao mipongatra miroso amin'ny fampidirana na fampiroboroboana ny fandraharahàna malalaka amin'ny sehatry ny toekarena ara-pambolen-dry zareo. Miandry io vola io ihany koa i Tôgô.

Mitontongana ny fivoarana ara-pahasalamana

Mahita fandrosoana azo tsapain-tànana i Tôgô eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, amin'ny ampahany dia noho ny fanampian'ireo mpiara-mitàn-tsoroka aminy sy ireo mpanampy avy any ivelany, isan'ireny i Etazonia. Ity farany, amin'ny alàlan'ny USAID dia nirotsaka ho amin'ny fampihenàna ny tazomoka sy ny ady amin'ny VIH/SIDA amin'ny alàlan'ilay hetsikany President’s Emergency Plan for AIDS Relief (PEPFAR) omena ireo firenena afrikàna marobe toa an'i Tôgô.

Momba io lohahevitra io, toy izao no navoakan'ny tranonkala Togo First:

Tao Tôgô, tamin'ny 2023 dia namoaka vola 9,2 tapitrisa dôlara amerikàna ny PEPFAR ary 6,2 tapitrsa tamin'ny 2024, hamatsiana vola ny fahazoana ireo vaksiny antirétroviraux ho ana marary mihoatra ny 300 000, ny fanohizana ireo tolotra momba ny fitsaboana VIH ho an'olona 46 000 nandritra ny valanaretina COVID-19, ny fanentanana fitsirihana sy fampivoarana ireo fotodrafitsara fikarakaràna. Tamin'ny 2023, ny Hetsiky ny Filohan'i Etazonia (PMI) hiadiana amin'ny Tazomoka dia nanambara ny famatsiambola voalohany nataony ho an'i Tôgô, fampiasambola mihoatra ny 12 tapitrisa dôlara ho an'ny taona voalohany nihodinan'ilay fandaharanasa.

Ny fampiatoana ireo famatsiambola dia ambana mivantana amin'ny fahazoana fikarakaràna ho ana marary an'aliny maro, no sady mety hitarika ho amin'ny firongatry ny valanaretina.

Mazava ho azy fa ny fampiatoana ireny famatsiambola ireny dia mety hanohintohina ireo 20 taona nisian'ny fivoarana tamin'ny ady atao amin'ny VIH/SIDA ao Tôgô.

Fanamafisana ny fiarovana, lokanady goavana

Ankoatry ny fanabeazana sy fahasalamana, miditra amin'ny sehatry ny ara-tafika ihany koa i Etazonia ao Tôgô.

Manoloana ny fandrosoan'ny fitsofohan'ireo jihadista sy ireo mpanao an-tendro mahery setra, nohamafisin'i Etazonia ny fiarahamiasany ara-tafika amin'i Tôgô tamin'ny 2023 mba hanilihana ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa any avaratry ny firenena ao amin'ny sisintany iraisany amin'i Borkina sy Bénin, toerana hanjakan'ireo vondrona mitam-piadiana sy ireo mpampihorohoro.

Tamin'ny 2023, nanokànan'i Etazonia 591 000 dôlara amerikàna ny fiarahamiasany ara-tafika amin'i Tôgô. Hita taratra io fanohanana io, indrindra fa anatin'ny fanofanana ny tafika eny am-bava-ady ao avaratry ny firenena. Manoratra ny Togo First hoe:

Ireny famatsiambola ireny dia hahafahana indrindra indrindra manofana ireo mpitandro filaminana tôgôley ary hanamafisana ny fanarahamaso ny sisintany manoloana ny ambana ateraky ny jihadista avy ao Sahel.

Tena misy ny ambana mety hahalasa ny ampingam-piarovana ao Tôgô hizaka fiantraikany ratsy, hoy ny Togo First :

Saingy mety handemy bebe kokoa ny fiarahamiasa ara-tafika eo amin'i Lomé sy Washington io fampiatoana io, anatin'ny fotoana izay iatrehan'i Tôgô ny fitomboan'ny tsy fitoniana ao avaratry ny firenena.

Hoavy tsy azo antoka ho an'ireo olona tafiditra amin'ny fampandehanana ireny tetikasa ireny

Toy ny any amin'ireo firenena rehetra iasàn'ny USAID, tsy afa-bela koa ireo olona tafiditra amin'ny fampandehanana ireo tetikasa novatsian'io masoivoho io vola. Any avaratry ny firenena izay ivangongoan'ireo tetikasa marobe noho ny toedraharaha maha-olona, voatery mijanona any an-tokantranony ireo mpiasa, farafahakeliny mandritra ny fepotoana telo volana manomboka ny Febroary 2025, eo am-piandrasana raha toa io fanapahankevitra io ka hovoatazona na hiverenana. Mijoro ho vavolombelona i Kodzo [solon'anarana] nitafàn'ny Global Voices:

Amin'ny lafiny iray, io fanapahankevitry ny mpitantana vaovao ao Amerika io dia tonga toy ny vely kanonta hanamontsanana ny fanantenanay hiala amin'ny tsy fananana asa. Satria isanandro izahay dia eny an-kianja ary miasa mitondra ny fanohananay eny anilan'ireo vondrom-piarahamonina. Etsy ankilany indray, hitany very an-javony ireo ezaka nandritra ny taona marobe ho an'ny fampandrosoana ireo vondrom-piarahamonina. Tena sarotra ekena ary tsy maintsy miomana hiatrika ny ratsy indrindra izahay raha sanatria tazonin-dry zareo io fanapahankeviny io.

Ho an'i Abidé, vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo ao anatin'ny fikambanana iray miara-miasa amin'ny USAID, izay tsy tiany ny hanononana ny anarany, porofoin'ny fepotoam-pitondrana voalohany nitondran'i Donald Trump an'i Etazonia fa hotazonina io fanapahankevitra io. Raha nitafàn'ny Global Voices, hoy izy:

Fantatra amin'ireo fandraisany fanapahankevitra faratampony manoloana ny fizotry ny fiainana ankehitrinin'izao tontolo izao raha ny filoha amerikàna. Raha tsy misy fahagagàna angaha, dia efa miomana hiatrika ny ratsy indrindra aho, farafaharatsiny ho an'ny efatra taona ho avy raha mikatona tanteraka ny varavaran'ny USAID. Tsy misy tara-panantenàna.

Toa an'i Kodzo na i Abidé, marobe ireo olona hafa miaina toejavatra mitovy amin'izao, ary tsy ao Tôgô irery ihany. Raha mitarazoka io fanapahankevitra io, noho ny lanjan'ny anjara toeran'ny fanampiana amerikàna amin'ny resaka maha-olona dia ho ratsy kokoa ireo vokany. Ankoatra an'i Etazonia, sitrahan'i Tôgô ihany koa ny fanampiana avy amina firenena sy andrim-panjakana hafa mpiara-mitan-tsoroka, izay ny lehibe indrindra dia i Shina, Alemaina, Frantsa ary ny Fiombonambe Eorôpeàna.

Vakio koa ny antontan-kevitray :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.