Mpikatroka Singapaoreana voampanga ho mandray anjara hetsika fiareta-tory hiarovana ireo gadra melohina ho faty

Jolovan Wham joined a candle lighting vigil after Singapore executed a drug trafficking convict on March 30, 2022

Nanatevin-daharana fiareta-tory fandrehetana labozia i Jolovan Wham taorian'ny namonoan'i Singapaoro ny meloka tamin'ny fanondranana rongony tamin'ny 30 Marsa 2022. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Jolovan Wham. Nahazoana alalana.

“Tompokolahy hajaina, ny fanjakana no tokony hotsaraina fa tsy izaho. Tsy namono olona aho. Io no nolazain'i Jolovan Wham ilay Singapaoreana mpikatroka teny amin'ny fitsarana tamin'ny 3 Febroary taorian'ny fiampangana dimy nahatra taminy noho ny fanitsakitsahana ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fiaretan-tory in-dimy ho an'ireo voafonja melohina ho faty teo anelanelan'ny 29 marsa 2022 ka hatramin'ny 26 avrily 2023.

Voararan'ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka ao Singapaoro mafy ny fivoriam-bahoaka ary itakiana fahazoan-dàlana ny fanaovana fihetsiketsehana ara-politika. Mety handoa onitra hatramin'ny SGD 3.000 (2.200 dolara etazonia) ireo voaheloka ho nandray anjara tamin'ny fivoriambe ankalamanjàna tsy nahazoana alalana. Mety hitondra hatramin'ny fandoavana lamandy SGD 5.000 (3.700 dolara etazonia) ny fandikan-dalàna miverimberina.

Nandray anjara fiaretan-tory ankalamanjàna i Wham ho fanohanana ny fanentanana [mg] anoherana ny fanamelohana ho faty. Ahatsiarovana ny famonoana ireo voafonja voaheloka ho faty noho ny fanondranana rongony ny hetsika fiaretan-tory andrehetana labozia.

Olona 30 teo ho eo no niaraka tamin’i Wham nandritra ny fotoam-pitsarana azy tamin’ity volana ity. Nandranty izao manaraka izao tao amin'ny Instagram momba ny fivoriam-piraisankina i Eljah Tay, iray amin'ireo naneho fanohanana an'i Wham.

It is ridiculous that this is how the state continues to use our public resources, especially while the state gets away scot-free for the murders they have been committing behind bars.

Mampihomehy fa toy izao hatrany ny fampiasan’ny fanjakana ny harem-pirenena eto amintsika, indrindra rehefa tsimatimanota amin'ny vono olona ataony am-ponja ry zareo.

Manodidina ny 30 eo ho eo izahay no niara-dia tamin’i Jolovan androany teny amin’ny lapan’ny Fitsarana, nanatri-maso ny fanambarany hoe: “Tompokolahy hajaina, ny fanjakana no tokony hotsaraina fa tsy izaho. Tsy namono olona aho”, hoy i Jolovan Wham, rehefa nantsoina ho eo amin'ny hazomeloka. Azoko sary antsaina ny horakoraka mangina nataonay tamin'izany.

Nomelohin‘ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ny fiampangana an'i Wham sy ny fanaovana ho lasibatra ireo vondron'olona sy olon-tsotra manohitra ny fampiharana ny fanamelohana ho faty. Namoaka fanambaràna iraisana mandrisika ny manampahefana hanaisotra ny fiampangana ny Tsenan-kevitra Aziatika ho an'ny Zon'Olombelona sy ny Fampandrosoana (FORUM-ASIA) sy ny CIVICUS: Izao Tontolo izao Miara-dia ho amin'ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara.

These recent charges against Jolovan Wham demonstrate how Singapore maintains a restrictive environment against activists. This is a clear example of judicial harassment made in retaliation for simply exercising one’s right to protest and freedoms of expression and peaceful assembly.

Izao fiampangana vao haingana an'i Jolovan Wham izao no mampiseho ny fomba fitazoman'i Singapaoro ny tontolo maneritery ireo mpikatroka. Izao no ohatra mazava amin'ny fanorisorenana ara-pitsarana hamaliana bontana ny fampiasana fotsiny ny zon'ny olona hanao fihetsiketsehana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary mivory am-pilaminana.

Tondroin'ireo toe-javatra ireo ihany koa fa tsy nitarika mankany amin'ny fandinihana indray ny fampiasana ny lalàna nampanginana mpanakiana ny fifidianana praiminisitra vaovao. “Mampiseho ny fikirizana amin'ny fampiasana ny lalàna maneritery–anisan'izany ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka– ho fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona fa tsy nisy fiovana teo ambanin'ity fitondrana vaovao ity.”

Tsy sambany i Wham no niatrika [mg] fitsarana noho ny fikatrohany. Efa voasazy izy taloha noho ny fikarakarana “fivoriam-be tsy ara-dalàna” sy fihetsiketseham-panoherana tsy nahazoana alalana. Voampanga izy tamin'ny Novambra 2020 noho ny fihazonana sora-baventy ahitana soratr'endrika mitsiky ho fanohanana ireo mpikatroka momba ny toetrandro.

Notanisain‘i Wham nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny Human Rights Foundation tamin'ny Aogositra 2024 ny tsy fisian'ny fahalalahana ao Singapaoro.

In Singapore, to say or do anything that the government does not approve of is to risk being detained. This is why there are so few human rights activists in Singapore and why my colleagues and I must keep doing what we do. They fined me thousands of dollars for simply protesting or posting on social media. There is no freedom of expression or freedom of association in Singapore, which is why it is not a democracy.

Eto Singapaoro, na dia ny filazana na fanaovana zavatra tsy ankasitrahan'ny governemanta aza dia mety hahavoatazona. Izany no mahavitsy dia vitsy ny mpiaro ny zon'olombelona eto Singapaoro ka ikirizanay tsy maintsy anaovan'ny namako sy izaho izay ataonay. Nampandoa onitra an'arivony dolara ahy noho ny izao manohitra tsotra na mandranty ao amin'ny media sosialy. Tsy misy fahalalahana maneho hevitra na fahalalahana (hiditra) fikambanana eto Singapaoro, ka izay no tsy maha-demôkrasia azy.

Tsy fantatra mazava raha hiatrika fiampangana ihany koa ireo mpikatroka hafa izay nandray anjara tamin'ny fiaretan-tory ankalamanjana. Hiakatra fitsarana indray i Wham ny 1 aprily izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.