Tandrohasina sy Lalàna manoloana ny fanorisorenana

Fitondran-tena ankapobeny

Manantena ny Global Voices fa hitondra tena araka ny tandrohasina sy am-pahitsiana ny mpikambana rehetra ato amin'ny fianakaviambe ary hankatoa ireo fitsipika voalaza etsy ambany. Tsy azo leferina ny fitondran-tena mandika ireo fitsipika ireo, ary esorina ao anatin'ny fianakaviambe izay mpikambana manitsakitsaka izany.

Tandrohasin'ny Fianakaviambe

Mametraka fitsipika momba ny fitondran-tena hitari-dalana antsika amin'ireo karazan'hodidina sy zava-misy samihafa ity fizarana ity.

Fianakaviambe iray midadasika, bemiray, ary mielypatrana amin'ny firenena, fiteny, kolontsaina ary fitsipika ara-pitondran-tena maro ny Global Voices.

Katsahin'ny Global Voices ny hampiroborobo tontolom-piarahamonina ifanajan'ny olona rehetra am-pahamendrehana. Manan-jo ny rehetra hiasa ao anaty rivo-piainana manome lanja ny fitovian'hararaotra, ny fahitsiana sy ny fitokisana, ary ràrany kosa ny fanavakavahana, anisan'izany ny fanorisorenana. Kinendrinay ny hisian'ny fifandraisana ara-piarahamonina tsy ahitana fiangarana, fitsaratsaram-poana ary fanorisorenana.

Politikan'ny Global Voices ny miantoka ny fitovian'hararaotra tsy ahitana fanavakavahana na fanorisorenana mifototra amin'ny firazanana, foko, volonkoditra, fivavahana, ny maha lahy sa vavy, taona, fiaviam-pirenena, fahasembanana, fironana ara-pananahana, sata menavazana na toetra hafa arovana.

Mandray anjara amin'ny Global Voices amin'ny fomba maro isan-karazany ny ekipa, ny birao ary ny mpikambana ato amin'ny fianakaviambe, ary misolo tena ny Global Voices amin'ny seha-pifanakalozan-kevitra ivelany, fihaonambe, hetsika ho an'ny daholobe, sehatra akademika ary media. Na mpiasa an-tsitrapo isika na andoavan-karama, dia antenaina haneho taratra ny iraky ny Global Voices ny fitondrantenantsika amin'ireo sehatra ilanonana rehetra ireo, haneho ny lasitry ny fitondran-tena voasoritra ao anatin'ity politika ity, sy ny soatoavina iraisan'ny fiarahamonina misy antsika: fifanajana, fahatsorana, fahitsiana, fisokafana, finiavana hihaino, fankatoavana fahasamihafam-pijery, ary fahatongavan-tsaina amin'ny fisìn'ireo fitsipika ara-kolontsaina samihafa.

Miasa ao anaty tontolon-dalàna sy fitsipika isankarazany manerana izao tontolo izao ny mpikambana ato amin'ny fianakaviambe Global Voices; katsahintsika ny hifankazatra amin'ny lalàna eo an-toerana ary manaja ny fenitra eo an-toerana rehefa miasa sy manao fitsidihana ao anaty hodidina samihafa.

Satria miova araka ny toerana ny fitsipika manerana izao tontolo izao, mety manafintohina na tsy ara-dalàna mihitsy aza amin'ny hafa ny fitondran-tena iray azo ekena amin'ny odidina iray. Miezaka izahay hahalala ireo olana toy ny tahalan'olona iray manokana, ny fifandraisana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ny fihetsiky ny tanana, ny vazivazy sy ny teny mivantambatana, ny fitsipika momba ny vola, ary ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola.

Fanorisorenana

Na dia samihafa aza ny fitsipika sy lalàna momba ny fanorisorenana manerana izao tontolo izao, katsahin'ny Global Voices ny hampiroborobo tontolo ahafahan'ny olona rehetra avy amin'ny firenena rehetra ho voaaro amin'ny fanavakavahana na fanorisorenana.

Raràn'ny politikan'ny Global Voices ny fanorisorenana ara-nofo sy ny fanorisorenana noho ny firazanana, ny volon-koditra, ny fivavahana, ny maha lahy na vavy, ny taona, ny fiaviana, ny fahasembanana, ny fironana ara-pananahana, ny sata maha menavazana na ireo toetra hafa arovana. Tokony ampandrenesina any amin'ny Tale Mpitantana na ny Tale Mpanatanteraka na, raha tsy izany, any amin'ny solontenan'ny fianakaviambe ao amin'ny Filankevi-pitantanana ny fandikan-dalàna.

Raha misy ny fitarainana, faratampony tandrovina ny fiainana an-takonan'ireo olona voakasik'izany, ary hohajaina ny tsiambaratelo—ireo izay mila mahafantatra noho ny antony arak'asa ihany no hampahafantarina.

Noho ny tanjon'ity politika ity, ny fanorisorenana ara-nofo dia voafaritra ho ireo fangatahana firaisana ara-nofo tsy irìna, fangatahana firaisana ara-nofo hanomezana tombotsoa manokana sy fitondran-tena hafa am-bava na ara-batana amin'ny endrika firaisana ara-nofo  rehefa: (i) natao miharihary na ankolaka ho fepetra hanomezana asa olona iray ny fanaovana ny fitondran-tena toy izany ; (ii) ampiasaina ho fototry ny fanapahan-kevitra momba ny asa mahakasika olona iray ny fanekena na fandavana ny fitondran-tena toy izany ataon'ny olona iray ; na (iii) manana tanjona na fiantraika hitsabaka tsy ara-drariny amin'ny asa vitan'ny olona iray na manangana tontolon'asa mandrahona, mankahala na manafintohina ny fitondrantena toy izany.

Raha sendra misy tranga fanorisorenana, tsy hisy valifaty manoloana ny fitarainana. Hiezaka ny hanao fanadihadiana haingana momba ny fitarainana ny GV. Mandray  fanontaniana, ahiahy ary fangatahana fanofanana ekipa/mpiasa ihany koa ny GV.

Ireto torolalana ireto indray dia mihatra rehefa amin'ny fivorian'olona rehetra mivantana sy amin'ny habaka anjotra, ao anatin'izany ny Google Groups, Slack, WhatsApp, Signal, ary ny hafa.

  • Manaja sy mendrikaja amin'ny mpikambana rehetra. Amin'ny maha-fiarahamonina maneran-tany antsika dia manome lanja ny fomba fijery samihafa isika. Mety tsy hitovy hevitra hatrany ianareo, fa ny tsy fitovian-kevitra dia tokony aseho amin'ny fomba manorina sy am-panajana.
  • Mitondra miabo, angovo manorina amin'ny fifanakalozan-kevitra. Mizara hevitra, manontany am-pandanjalanjàna, ary mandray anjara amin'ny fomba manabe voho ny fiarahamonina.
  • Manaja fiainana manokana: Ianao no mizaka ny fandraisanao anjara sy zavatra zarainao. Tsarovy fa na dia voasora-miafina aza ny sehatra anjotra sasany toa ny WhatsApp, dia mety ho azo idirana noho ny toe-javatra sasany ihany ny angon-drakitrao. Tandremo ny zavatra zarainao sy ny fomba anondroana ny tenanao, indrindra raha sendra tandindonin-doza ianao.

Fampitoniana sy famahana fifandirana

  • Raha misy mpanentana/admin amin'ny vondrona/mpandrindra iray mangataka anao hampiato ny resaka satria heveriny fa tsy mifanaraka amin'ny soatoavin'ny GV izany na nahatsiaro ho tsy voaaro amin'izany ny mpikambana iray ao amin'ny fianakaviambe dia atsaharo avy hatrany.
  • Raha miteraka fanelingelenana na heverina ho tsy mety ny fitondrantena na ny haavom-peon'olona iray, dia mety hangataka ny hampitsaharana izany ny mpanentana/admin/mpandrindra na mpikambana voahelingelina. Miangavy mba hajaina ny fiangaviana.
  • Raha mbola mifikitra ny fanahiana, dia afa-misafidy  hanala mpikambana iray vonjimaika ao anatin'ny vondrona ny mpitantana.

Paikam-pamahana olana

  • Raha misy mpikambana ao amin'ny fianakaviambe mahatsapa fa voahitsakitsaka ireo torolalana ireo, dia ampirisihina izy ireo hifandray mivantana amin'ny mpanentana/admin/mpandrindra.
  • Raha tsy voavaha eo amin'ny sehatry ny vondrona ny olana, dia azo atao ny mandefa fitarainana an-tsoratra amin'ny Tale Mpitantana (MDs) na Tale Mpanatanteraka (ED).
  • Ny MDs/ED no handinika ny toe-draharaha, hitafa tsirairay amin'ireo tafiditra amin'ny raharaha, ary mety hamoaka fampitandremana na hanaisotra vonjimaika na maharitra mpikambana iray ao amin'ny vondrona —araka ny tombana nataon-dry zareo—.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.