
Sary avy aty an-damosina ahitàna vehivavy iray nafindra toerana noho ny ady, ao amin'ny toby Don Bosco, any amin'ny faritra Nyiragongo ao atsinanan'ny faritany Kivu-Avaratra; Saripika an'i Katembo Mbuto Victoire, Fampiasàna nahazoana alàlana.
Ity lahatsoratra ity dia naverin'ny Global Voices navoaka araka ny fifanarahana fiarahamiasa amin'ny www.icicongo.net. Ny lahatsoratra niandohana dia afaka jerena ao amin'ny tranonkala Icicongo.
Hatrany amin'ny andian-taona 1990 ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô (RDC) no voahozongozon'ireo fifandonana mitam-piadiana nateraky ny anton-javatra samihafa avy ao anatiny. Hatreto, mihoatra ny 100 ireo vondrona mitam-piadiana mavitrika voaisa ao amin'ilay firenena.
Tamin'ny 2012 no nanomboka io fifandonana amin'izao fotoana izao io: ireo mpihoko avy amin'ny Mouvement du 23 Mars (M23) dia mihevitra hoe tsy nohajain'ny fitondrana foibe ao RDC ny votoatin'ilay fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin'ny 2009 nifanaovana tamin'ny governemanta, ary dia niverina nandray fiadiana tao amin'ny faritanin'i Kivu-Avaratra.
Vakio ato amin'ny Global Voices : Iza ireo mpihoko ao anatin'ny “Mouvement du 23 mars” (M23) ao atsinanan'i RDC? [mg.]
Any amin'ireo faritra ianjadian'ny fifandonana mitam-piadiana, zavatra mahazatra ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy, saingy tsy avy amin'ny miaramila fotsiny izy ireny, na ireo mpihoko mitam-piadiana. Misy olon-tsotra ihany koa manararaotra sy manolana ireo vehivavy mitady asa any an-tranon-dry zareo.
Izany no nanjo an'i Charline. Miaraka amin'ny fijery lasam-borona, ny ranomaso mikoriana avy amin'ireo masony, mivaky eny amin'ny endriny ny alahelon'ity tovovavy sahabo ho 20 taona ity. Hoy ny tsiarony:
Alarobia tamin'izay. Raha nandeha nitety faritra aho mba hitady asa, nisy renim-pianakaviana iray nangataka ahy hanasa ny akanjon-janany, handoavany 5000 farantsa kôngôley, avy eo izy nandeha niasa. Nandritra ny fotoana nanasàko lamba, niantso ahy avy any an-trano ny iray tamin'ireo zanany, somary vaventy ihany. Izaho nihevitra hoe misy akanjo hafa homeny ahy hosasàna. Rehefa tafiditra aho, ary satria izahay roa ihany no tao amin'ilay toerana, nadabony tamin'ny tany aho ary naolany. Natahotra ny hilaza izany tamin'ny reniny aho. Miverina ao an-tsaiko matetika ny sarin'izay tranga izay.
Vakio ao amin'ny IciCongo : Mieux informer sur les violences sexuelles pour limiter ce fléau en RDC [fr.]
Toa azy, marobe ireo vehivavy nafindra toerana noho ny ady no iharan'ny herisetra ara-nofo eny am-pitadiavana asa kely hamelomana ny ankohonany. Lasibatra mora ho an'ireo mpiremby ry zareo, izay manararaotra ny maha-marefo azy.
Ramatoa iray, renim-pianakaviana niteraka roa, nihaonana tao amin'ny toby Don Bosco tao Ngangi, no manazava:
Iainanay ny fahantràna ato amin'ny toby. Tsy afaka ny ho tafavoaka velona. Isanandro, mifoha aho mba handeha any an-tanandehibe hitady izay toerana hiasàna. Saingy araraotin'ny sasany io fotoana io mba hanararaotana anay. Sarotra ho anay ny hitoroka noho izahay mitady izay fomba hanomezana sakafo sy hamaliana ireo filàna fototra ho an'ny ankohonanay.
Ho an'i Semu Sikulimwenge, psikôlôgy klinika ao amin'ny hôpitaly Heal Africa ao Goma, renivohitry ny faritanin'i Kivu-Avaratra, ny herisetra ara-nofo dia manamafy ny lanjan'ny fahefana amin'ireo iharany. Hazavainy fa:
Tena ilaina ny mandrafitra fomba fivelomana, indrindra fa asa miteraka fidiram-bola, mba hampiroboroboana ny fahavitantena ara-toekarenan'ireo niharam-pahavoazana ary hanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an'ireo vondrom-piarahamonina voadona.
Tahotra valifaty
Manoloana ny fitomboana tsy mitsahatry ny trangam-panolanana manjo an'ireo olona nafindra toerana, ilay mpahay lalàna, Maître Patrick Musambali, milaza fa ireny fihetsika ireny dia fanitsakitsahana goavana ny voafaritry ny andininy faha 170 ao anatin'ny fehezandalàna famaizana ao RDC. Voalazan'ilay andininy fa:
Na iza na iza manao fanolànana, na izany tamin'ny alàlan'ny herisetra na fandrahonana mahery vaika, na tamin'ny alàlan'ny fitaka, na tamin'ny fanararaotana olona iray izay, noho ny aretiny, noho ny fiharatsian'ny fahafaha-manaony na izay mety ho antony hafa tsy nahy, ka very ny fahafahany mahatsapa zavatra na nesorina taminy noho ny fametsifetsena, dia hosaziana asa fanandevozana dimy hatramin'ny roapolo taona.
Vakio ao amin'ny IciCongo : Au Nord-Kivu, le CFJ lance la campagne de lutte contre les violences sexuelles chez les jeunes [fr.]
Nefa, tsy mahavita miampanga ireny fanararaotana ireny ny ankamaroan'ireo niharam-boina. Atahoran'izy ireny ny valifaty avy amin'ireo mpampijaly azy. Taorian'ireo fanentanana, fanirian'ny sasany tamin'ireo nafindra toerana ny hahita ireo mpampijaly azy ho any am-ponja. Eugénie Wimana, iray amin'ireo vehivavy mpitarika ao amin'ny tobin'ireo nafindra toerana ao amin'ny kianja Don Bosco, no milaza hoe:
Entaninay ireo vehivavy sy tovovavy mba hanana fahatsiarovantena iraisana mba hahatongavana amin'ny ady hanoherana ny herisetra ara-nofo. Noho ny fanampian'ireo fikambanana vitsivitsy miahy ny maha-olona, manao asa madinidinika mampidi-bola ny sasantsasany amin'ireo nafindra toerana.
Etsy ankilany, antitranterin'i Sikulimwenge fa:
Mba hamoronana habaka iray azo antoka hahafahan'ireo niharam-boina maneho ny fihetsehampony dia tena ilaina ny tohana ara-tsaina.
Mitondra ny fanampiany ihany koa ny Women Power, fikambanana iray miaro ny zon'ny vehivavy. Ao anatin'ilay tetikasany « Setriny maika amin'ireo herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ary ny fahasalamàna ara-pananahana », ilay ONG dia manentana momba ny fanajàna ny hasina maha-olombelona no sady manao adisisika hanenjehana araka ny lalàna ireo nanao fanolànana.
Varobarotra madinika mba hivelomana
Araka ny voalazan'i Aurélie Maliro, mpanampy amin'ny fifandraisana ao anivon'ny Women Power, manodidina ny 70 % amin'ireo vehivavy ao amin'ny toby Kashaka Shabindu, any avaratry ny tanànan'i Goma no iharan'ny herisetra amin'ny endriny samihafa izay mitondra amin'ny vohoka tsy niriana, fanalàn-jaza tsy tsara antoka ary ireo areti-mifindra azo avy amin'ny firaisana.
Mirotsaka an-tsehatra mitondra fanohanana psikôlôjika izahay mba hisian'ny fanantenana ho an'ireo niharam-boina. Takianay amin'ny governemantanay ny hanohanana ireo vehivavy niharan'ny herisetra ara-nofo satria mitontongana ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-toekarenan-dry zareo taorian'ireny fanararaotana ireny.

Ao an-toerana, manao varobarotra ny sasany mba hivelomany ; Saripika an'i Victoire Katembo Mbuto nahazoana alàlana
Mba hisorohana ny fanararaotana ara-nofo, miditra tsikelikely amin'ny fanaovana varobarotra madinika ny sasany amin'ireo vehivavy nafindra toerana, niharan'ny herisetra ara-nofo, fanolànana sy endrika hafan'ny herisetra. Vehivavy iray tsy nitonona anarana nafindra toerana ao amin'ny toby Don Bosco no manazava:
Manao asam-barotra aho. Maka vokatra fihinana any amina ramatoa iray mpivarotra izay monina eny amin'ny manodidina ny toby aho mba ho amidiko eto indray. Izany no ahafahako mahazo izay mba hohaniko sy miantoka ireo filàko hafa.