Aiza i Carlos Correa? Lehilahy tsy fantatra no nitondra ilay Venezoelana mpikatroka avy ao afovoan'i Caracas

Carlos Correa, mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza. Sary avy amin'ny Espacio Público tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-SA 2.0

Ahoana no ahafahantsika miaro ny fahalalahana maneho hevitra ao Venezoela? Manana angon-drakitra mafy orina roapolo taona isika hamaliana io fanontaniana io noho ny asan'ny FTMF-ONG Venezoeliana Espacio Público sy ny taleny, Carlos Correa, tsy mahalala vizana . Nanokana 25 taona mahery i Correa, mpanao gazety sady manam-pahaizana ho fiarovana ny zon'olombelona ao Venezoela sy manerana an'i Amerika.

Na izany aza, tsy hita i Correa, tamin'ny fotoana nanoratana. Tsy fantatra mihitsy izay nisy azy nanomboka tamin’ny 5 ora hariva tamin'ny 7 Janoary, ora Venezoelana. “Nosamborin'ireo lehilahy misarontava izay milaza ho manam-pahefana izy tao afovoan-tanànan'i Caracas,” araka ny filazan'ireo vavolombelona voatonona tao amin'ny fanambaràna an-gazety navoakan'ny Espacio Público.

Amin'ny maha-talen'ny Espacio Público an'i Correa, nandray anjara tamin'ny fakàna am-bavany 30 mahery teo anatrehan'ny Vaomieran'ny Iraisan'ny Amerikana Momba ny Zon'olombelona (IACHR) sy ireo fikambanana iraisampirenena hafa izy hiampangana ny fanitsakitsahana ny zo fototra ao Venezoelà. Niatrika fanorisorenana, fandrahonana ary fanafihana ara-batana izy noho ny fisoloam-bava nataony nandritra ny asany.

“Nitety ireo toerana fantatray [fonja ao Caracas] izahay ary tsy nahita azy,” hoy i Mabel Calderín vadiny, izay mpampianatra manankaja ihany koa ao amin'ny Universidad Católica Andrés Bello ao Caracas. “Mila mahafantatra ny misy azy aho. Manana olana ara-pahasalamana manokana i Carlos izay mitaky fitsaboana maharitra (….) ary tsy nanao heloka bevava izy. Nanokana ny fiainany ho amin’ny: fiarovana ny zon’olombelona ho an’ny tsirairay, na inona na inona foto-keviny izy.”

Niresaka tamin'ny gazety fahitalavitra Venezoeliana i Calderín tamin'ny 8 Janoary:

Niampanga ny fanjavonan'i Correa an-terisetra ireo FTMF-ONG ao an-toerana sy iraisampirenena, ary na ny filohan'i Colombia, Gustavo Petro koa aza:

Tahaka ny namantsika Enrique Márquez, Venezoelàna malaza liam-pandrosoana, nosamborina koa i Carlos Correa, mpiaro ny zon'olombelona malaza ao Venezoelà. Manakana ny fanatrehako manokana ny fanokanana an'i Nicolás Maduro izany, sy ireo zava-misy hafa.

Tsy noraharahiana mihitsy ny fangatahan'i Colombia tamin'ny fifidianana farany teo rehefa nangataham-panazavàna tany amin'ireo toeram-pivoriana ara-politika samihafa nanasana anay. Any Eoropa, Venezoelà ary Etazonia.

Tsy nalalaka ny fifidianana farany tany Venezoelà. Tsy misy fifidianana malalaka ao anaty sakana. (…)

Mampiasa ny farangoteny #DóndeEstáCarlosCorrea (Aiza ​​i Carlos Correa?) sy #LiberenaCarlosCorrea (Avotsory i Carlos Correa) ireo mpisera media sosialy. Tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny governemanta momba ity raharaha ity hatramin’izao. Nanatevin-daharana ireo famonjàna ara-politika 18 mahery talohan'ny fitokanana ny filoham-pirenena tamin'ny 10 Janoary ny raharaha Correa.

Hamaky bebe kokoa: Amin'ny 10 Janoary, hitodika any Venezoela ny maso rehetra

Maherifo manokana ho an'ny mpikamban'ny Global Voices

Nanohana ireo mpikambana Global Voices Venezoelàna nandritra ny taona maro i Correa. Miantso an'i Correa ho “maherifony” i Luis Carlos Díaz, mpanao gazety sady mpikatroka nomerika izay nampanjavonin'ny mpitandro ny filaminana Venezoelàna an-katerena [mg] tamin'ny taona 2019.

Anisan'ireo mpikatroky ny zon'olombelona niaro mafy ny famotsorana an'i Díaz i Correa.

Nosamborina i Carlos Correa, maherifo manokana. Mpiaro ny zon'olombelona izy ary efa 20 taona mahery no niompana manokana tamin'ny fahalalahana maneho hevitra. Talen'onjam-peo izy, nandrindra ny Provea ary nanangana ny Espacio Público taty aoriana.
Andrin'ny zon'olombelona ao Venezoelà i Carlos.
Manome hery anay izy.

Mpisolovava manampahaizana manokana momba ny zo nomerika i Marianne Díaz Hernández. Antsoiny ho “tahafina” i Correa noho ny asany nandritra ny 15 taona tao amin'ny zon'olombelona sady namana rahateo.

Ataony manakaiky ny fony ny toroheviny:

Siempre que me dan ganas de tirar la toalla, recuerdo las palabras de Carlos, que siempre me dice: ejercitamos el músculo democrático para que no se atrofie, para el día en que podamos usarlo de nuevo. Y sigo adelante, porque hay que recordar cómo se hace la democracia.

Isaky ny te-hiala aho dia tadidiko ny tenin'i Carlos, hoy izy tamiko: mampiasa ny hozatra demokratika antsika isika mba tsy hifintina izany, mba hahafahantsika mampiasa azy indray rehefa mila izany. Ary manohy aho, satria tsy maintsy tsaroantsika ny fomba nananganana ny demôkrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.