Ny fiantraikan'ny maha-kristianina amin'ny fiainana ara-panahin'ireo indizeny Chepang ao Nepal

Surkhandi and Korak, Chepang villages in Rapti Municipality, in Eastern part of Chitwan district in Bagmati Province of Nepal, where the majority of the population has converted to Christianity. Photo by the author.

Surkhandi sy Korak, vohitra Chepang ao amin'ny faripiadidian'i Rapti any amin'ny faritra atsinanan'ny distrikan'i Chitwan ao amin'ny faritanin'i Bagmati any Nepal, toerana izay ny ankamaroan'ny mponina dia niova hanaraka ny finoana kristianina. Saripika an'ny mpanoratra.

Hatrizay ny vondrom-piarahamonina indizeny Chepang ao Nepal, vondrona ara-poko Tibetàna-Birmana, no nikolokolo fifamatorana lalina tamin'ny ala sy ny natiora. Nandritra ireo taranaka nifandimby, nanefy rafitra samihafa sy fomba fanao lovainjafy ilay vondrom-piarahamonina. Na izany aza, tato anatin'ireo taompolo faramparany, nahitàna fiovàna lehibe manahirana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina tao anatin'ilay vondrom-piarahamonina.

Nisy fiovàna nalaky be hanaraka ny fivavahana kristianina teny anivon'ireo Chepang sy ireo vondrom-piarahamonina hafa natao anjorom-bàla, matetika avy amin'ny ezaka natosik'ireo ONG. Vokatr'izany dia mihena ireo fomba fanao shamanika. Asongadin'ny tatitra iray vao haingana, nitondra lohateny hoe “Fiovàna ara-kolontsaina eny anivon'ireo saranga Chepang ao Chitwan”, ny fomba niatrehan'io vondrona indizeny io ireo fiovàna goavana tamin'ny tontolon'ny kolontsaina sy ny ara-panahiny. Ny fitomboana tsy mitsahatry ny dindon'ny fivavahana kristianina dia mandray anjara amin'ny firodànan'ny ara-panahin'ireo indizeny ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Chepang.

Tamin'ny 28 Novambra 2024, Diana Riboli, profesora iray ao amin'ny Departemantan'ny Antrôpôlôjia Sôsialy ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Panteion momba ny Siansa Sôsialy sy Pôlitika, any Gresy, dia namelabelatra voka-pikarohana iray tena nandresy lahatra tao amin'ny Departemanta Foiben'ny Antrôpôlôjia, Anjerimanontolon'i Tribhuvan, ao Kirtipur, Kathmandu, Nepal, izay natrehan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity. Ny fehezanteny fototry ny famelabelarany, nitondra ny lohateny hoe “Fahafatesana sy Fiainana aorian'ny Fahafatesana ao anatin'ny Vanim-potoanan'ny Krizy: Ny Trangan'ireo Chepang ao atsimo-afovoan'i Nepal,” dia nanome fomba fijery antrôpôlôjika mifampidimpiditra momba ireo fiovàna ara-kolontsaina teny anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Nepaley indizeny.

The keynote presentation by Diana Riboli. Photo by Author.

Ny fehezanteny fototry ny famelabelarana nataon'i Diana Riboli. Saripika an'ny mpanoratra.

Mitoetra mifàka lalina amin'ny ala sy ny natiora ny kolontsaina Chepang, na dia sakanan’ireo ezaka nasiônaly ho fikajiana aza izy ireo, amin'izao fotoana izao, tsy hanao ny maro amin'ireo hetsika ara-pombandrazany any anatin'ireo faritra rakotra hazo. Toy ireo vondrom-piarahamonina hafa, voaràra tsy ho azo hidiran'ireo Chepang ireo ala voafaritra ho Valanjavaboary Nasiônaly sy Tahirin-javaboary Nasiônaly, izay toa natokana monja ho an'ny fikajiana ny fiainan'ny bibidia sy ny zavamaniry, ary ny fizahantany.

Fiovàna ho kristianina

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nisy fitomboana nalaky be ny isan'ireo Chepang sy mpikambana avy amin'ireo vondrom-piarahamonina hafa anjorom-bàla niova hanaraka ny kristianisma. Ahilikilik'ireo vato nasondrotry ny tany eo amin'ny fiarahamonina sady diso fanantenana noho ny tsy fahampian'ny fanohanana avy amin'ny governemanta ireo Chepang, hany ka mora voarain-dry zareo manokana ireo tantaran'i Kristy zarain'ireo olona manome sakafo, akanjo, kojakojan-dakozia, ary hirika hampidirana ny zanak'izy ireo hianatra any amin'ireo kilasimandry lavitra ny toeram-ponenany.

Na mbola voaràra ao anatin'ny lalàna nepaley aza ny fivadihana finoana, matetika ireo vondrona kristianina no mifandray amin'ireny vondrom-piarahamonina ireny amin'ny ONG, mitondra fanampiana noho ny maha-olona, fanabeazana ary fikarakaràna ara-pahasalamàna. Io fironana mitombo io dia tsy nandalo fotsiny ho an'ny media nepaley, izay manohy mamokatra tatitra marobe momba ilay olana.

A village named Hattibang of Chitwan District where the majority of population are from Chepang community. Photo by Author.

Vohitra iray antsoina hoe Hattibang ao amin'ny distrikan'i Chitwan, izay avy amin'ny vondrom-piarahamonina Chepang ny ankamaroan'ny olona ao. Saripika an'ny mpanoratra.

Ny fitokana-monin'ny toeram-ponenan'ireo Chepang any amin'ireo faritra lavitra, anaty fahantràna lalina sy fepetra ara-pahasalamana tsizarizary, ary ny herisetra ara-drafitra, dia nanome hirika ireo misionera kristianina hitaona ilay vondrom-piarahamonina, eny fa na nandritra ny fitondrana Panchayat (1961–1990) aza, fony noraràna ny fampiroboroboana ny finoana kristianina. Marobe ireo Chepang no niova nanaraka ny kristianisma mba hialàny indrindra indrindra amin'ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ataon'ireo saranga hafa.

Navoitran'ny fikarohana nataon'i Diana Riboli fa ry zareo Chepang dia mijery ny finoana kristianina ho toy ny làlana iray handresena ny fanavakavahana, hahazoana fanabeazana, hanatrarana ny rariny ara-tsôsialy, indrindra fa ho an'ireo andian-taranaka tanora. Na izany aza, tany am-piandohan'ny fanelezana ny filazantsara, niteraka fizarazaràna ara-tsôsialy teny anivon'ny vondrom-piarahamonina ihany koa ny kristianisma, mazàna nandrava tokantrano teo amin'ireo kristianina sy tsy kristianina.

Nandritra ny fikarohany tany amin'ny andian-taona 1990, tranga iray tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1980 tany no voarakitr'i Diana Riboli, nandritra ny vanim-potoana Panchayat tao Nepal (1961–1990), fony ireo misiônera nitsidika an-tsokosoko vohitra Chepang iray. Erantany, tetikady iray hampiroboroboana ny kristianisma ny fanendrena ireo indizeny ho pastora, ary marobe ireo Chepang tovolahy lasa pastora, naniry ny hahazo fitarihana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika miaraka amin'ny fahefàny ara-pivavahana.

Nambaran'ireo misiônera tamin'ireo mponina am-bohitra fa ny fiovàna ho kristianina dia afaka hanafoana ny filàna manao fanatitra biby na voankazo mandritra ny puja. Nisy zokiolona Pande iray (shaman amin'ny fiteny Chepang) niova ho kristianina taorian'ny nahazoany toky fa hiakatra any amin'ny Fanjakan'ny Lanitr'ireo Kristianina izy aorian'ny fahafatesana. Namporisihan'ireo pastora protestanta ireo olona niova fo mba hiala amin'ny fombafomban'ny razambeny, tamin'ny filazana fa tsy mitaky fanatitra ny Andriamanitry ny Kristianina. Kanefa, niteraka fihenjanana teny anivon'ny vondrom-piarahamonina io, satria maro ireo Chepang natahotra sao ny fanaovana tsinontsinona ny fanatitra fanaon'ireo razambe no hahatonga ny razamben-dry zareo ho kere sy mety hitera-doza ho an'ny velona.

Fiantraika ara-kolontsaina

Ilay fikambanana miahy ny vondrom-piarahamonina Chepang, ny Nepal Chepang Association, dia tsy manondro ny vahoaka Chepang ho Hindo fa Prakritik Pujak (mpiankohoka amin'ny natiora). Kanefa, noho ny fitomboan'ny fiovàna ho kristianina dia miha-adino tsikelikely ny fetibe fanaon-dry zareo, ireo fomban'ny indizeny, ny fombafombam-pinoana shamanika, ny fahalalàny ny hery manasitrana ananan'ny natiora, ary ny fitenin-dry zareo.

Avoitran'ny voka-pikarohan'i Riboli fa mitontongana ny shamanisma eny anivon'ny vondrom-piarahamonina Chepang ary tandindonim-panjavonana, indrindra fa noho ny fitomboan'ny dindon'ny kristianisma. Antony iray isan'ny goavana ny fahatongavana ho pastora tsy ilàna afa-tsy fiofanana mandritra ny volana vitsy monja, raha ny hahalasa ho shaman iray (Pande) kosa dia tsy safidin'ny tena manokana ary amin'ny ankapobeny dia mitaky dingana iray lava sy henjana.

Nanatsara ny faripiainan'ireo maro niova fo ny nivadihany ho kristianina, izy ireo izay mipetraka amina trano milalotra ankehitriny, mandefa ny zanany hamonjy sekoly tsara kalitao, ary misitraka fanampiana avy any ivelany. Araka izany, ny maha-kristianina dia raisina ho toy ny làlana mankany amin'ny maha-maoderina sy fahitàna hirika tsaratsara kokoa. Ho an'ny fanarenana ireo sekoly sy fanomezana fanampiana ho an'ireo vondrom-piarahamonina tratry ny loza ara-tontolo iainana dia manome famatsiambola lehibe ireo ONG kristianina. Na izany aza, nitondra ho amin'ny fitontongan'ireo fomba fanao naharitra nentindrazana io fiovàna io.

Indraindray, miseho ny fifanenjanana eo amin'ireo Chepang kristianina sy tsy kristianina. Ohatra, mandritra ny fidinana ifotony teny an-kianja, notantarain'i Diana Riboli fa nolavin'ireo Chepang pastora ny hanatrehany ireo lanonam-pivavahana rehefa Sabotsy, na eo aza ilay fotokevitra hoe ny fiangonana dia tokony hisokatra ho an'ny rehetra, tsy ijerena foko na antokom-pinoana.

One of the slides presented by Diana Riboli, depicted a striking contrast between two houses: one belonging to a family that converted to Christianity and another to a family that did not. Image by the author.

Iray tamin'ireo sary nifandimby novelabelarin'i Diana Riboli, mampiseho fifanoherana mibaribary amina trano roa: ny iray an'ny fianakaviana iray niova ho kristianina, ary ny iray hafa an'ny fianakaviana iray tsy niova finoana, izay mifanatrika. Saripika an'ny mpanoratra.

Mipoitra ihany koa ny fifanenjanana eny anatin'ny fianakaviana, satria mety hanohitra ny fivadihana ho kristianina ireo raibe sy renibe na ny ray aman-dreny, raha ny taranany kosa indray mitady izay hanaovana batisa an-dry zareo. Ny filohan'ny Nepal Chepang Association, nandritra ny antsafa iray nifanatrehana, dia nanamarika fa io fizarazaràna io dia manimba ireo soatoavina nentindrazan'ny Chepang, ny fifampizaràna sy ny fifanampiana ao anivon'ny fianakaviana. Araka izany dia mandalo sedra mafy ankehitriny ny endrika maha-vondrom-piarahamonina ny fiarahamonina Chepang, mibaribary indrindra anatin'ireo fombafombam-pandevenana.

Any anatin'ireo vondrom-piarahamonina Chepang, ny manao ny fombafombam-pandevenana dia ireo Shamans (Pande) irery ihany, izay mitarika ny fanahin'ireo nodimandry ho any amin'ny tanin'ny razambeny. Io fombafomba be pitsony io dia Pande iray matanjaka ihany no afaka manatanteraka azy. Misy finoana hoe raha ratsy ny fanatanterahana ireo fombafomba dia mety hiteraka loza sy aretina. Kanefa, mazàna ireo niova ho kristianina no voahilika tsy hanatrika ireo fombafombam-pandevenana nentindrazana, toy ny an'ireo raibe sy renibeny, izay miteraka dona ara-tsaina sy mamelona tahotra hoe ireo fanahy tsy nomena voninahitra araka ny tokony ho izy dia ho tavela anaty tontolon'ny velona, hampidi-doza ny fianakaviany.

Ireo finoana ara-panahy nentindrazan'ny Chepang sy ireo fomba fanao, isan'izany ny fiankohofana amin'ny natiora, ny lovantsofina, sy ireo fomba fiaina lovainjafy, dia mihalevona tsikelikely. Nampatsatso ny maripamantarana ara-kolontsaina an-dry zareo ny kristianisma, miteraka fihenan'ireo mpitahiry ny fahalalàn'ny vondrom-piarahamonina, toy ireo shamans, ka manelingelina ny fampitàna fahalalàna eo amin'ireo andian-taranaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.