
X (Twitter taloha), lasa mariky ny fiviliana ho amin'ny tsy refesimandindin'ireo tambajotra amerikàna. (fanaingoana: @tsarolina, 2025, fampiasàna nahazoana alàlana.)
Ny fandaozan-dry zareo Frantsay hiala amin'ny X no manamarika ny fahatapahan'ny dindo pôlitikan'i Etazonia izay mihamitombo eo amin'ny sehatry ny toekarena sy diplaomatika.
Marobe manerana izao tontolo izao ireo media, pôlitisiàna, olo-malaza, no mandao ny sehatra media sôsialy X (Twitter taloha) mba handeha hialokaloka any amin'ireo sehatra hafa, toy ny Bluesky na Mastodon, raha mbola eo ampandinihana ny safidiny kosa ny hafa. Io fifindràna io dia tsy hoe fotsiny valinkafatra mandritra ny fotoana fohy vokatry ny poizina mitombo ao amin'io tambajotra io, fa koa vavolombelon'ny fiovàna ara-drafitra sy tena ifotony mifandraika amin'ny fitantanana mahery vaika ny sehatra X ataon'ilay lehibeny vaovao, Elon Musk, eo amin'ny toerany nanomboka tamin'ny Oktôbra 2022.
Kanefa isan'ireo pôlitisiàna ao Etazonia i Musk ankehitriny: voafidy indray ho filoham-pirenena fanindroany i Donald Trump, ary raha nandray ny toerany nanomboka ny 20 Janoary 2025 dia nanangana departemanta iray ho an'ny Fahombiazan'ny Governemanta (DOGE), ka nanendry ny lehiben'ny X miaraka amin'ilay mpanapitrisa amin'ny sehatry ny fanamboarana fanafody Vivek Ramaswamy ho tomponandraikitr'io departemanta io. Niteraka fanakianana nivaivay ireny fanendrena olona faran'izay mpanefoefo ireny, indrindra fa momba ny ambana mety hitsabahan'ny pôlitika any amin'ireo raharaha eorôpeàna sy iraisampirenena.
Araka izany, tamin'ny Desambra 2024, ny chancelier alemàna Olaf Scholz dia nandà mafy ireo fanambaràna avy amin'ny mpitantana ny DOGE izay nilaza fa ny antoko avy amin'ny farany havanana irery ihany no afaka « hanavotra an'i Alemaina ». Nandritra ny veladresaka iray ho an'ny mpanao gazety niarahany tamin'ilay Estôniàna mitovy andraikitra aminy, Scholz dia nanome valinteny voarafitra tamin'ny fomba diplaomatika ka tao anatin'izany no nanekeny ny zon'ny tsirairay hanana fahalalahana maneho hevitra – « eny fa na ireo manana miliara maro aza » – tafiditra anatin'izany ny amin'ireo fanambaràna tsy misy dikany.
Tamin'ny fihaonan'ireo masoivoho frantsay, ny 6 Janoary 2025, nambaran'ny filoha Emmanuel Macron ihany koa ny tsy finoany:
Folo taona lasa izay, raha nisy niteny tamintsika hoe ny tompon'ny iray amin'ireo tambajotra sôsialy goavana indrindra eto an-tany no manohana olona iray mora tohina iraisampirenena sy mitsabaka mivantana anatina fifidianana, isan'izany i Alemaina, iza no mety hieritreritra an'izany?
Fialàna rafitra ataon'ireo media sy pôlitisiàna frantsay tsy ho ao amin'ny X nanomboka ny 2022
Tsy nitsahatra ny nihamafy ny fialàn'ireo media frantsay tamin'ny X nanomboka tamin'ny nividianan'i Musk azy io tamin'ny 2022. Ny tena fiovàna nanandanja dia hita tamin'ny fiandohan'ny taona 2023, rehefa injay ireo gazety Le Monde sy Libération nanomboka nampihena ny fahitàna an-dry zareo tao amin'ilay sehatra ary nanambara ny fialàn-dry zareo tanteraka tamin'ny Janoary 2025. Nivadika ho tena fandaozana tokoa io fihemorana io rehefa injay navoakan'ny L'Ouest-France, ilay gazetim-paritra mpiseho isanandro ao Frantsa, raha resaka fanontàna printy araka ny voalazan'ny ACPM (Alliance pour les Chiffres de la Presse et des Médias), fikambanana iray tsy miankina manamarina sy manamafy ireo mari-pandrefesana ny media, ny « bitsika farany avy aminy tamin'izay fotoana izay » tamin'ny Novambra 2024 ary tsy hiverina «Raha tsy hoe lasa habaka voarindra sy manaja ny olona io ».
Tamin'ny Desambra 2024, nahazo vàhana ny hetsika rehefa nambaran’ny Mediapart, gazety mpanadihady, ny fandaozany tanteraka, tamin'ny filazàna fa tsy hiasa ho an’ « ireo fahavalon'ny asa fanaovana gazety sy tombontsoan'ny daholobe » izy. Io fialàna io no manamarika ny fisarahana mibaribarin'ny media nahazatra sy ny fiovàm-pironan'ny X eo ambany fitarihan'ilay mpanefoefo tompony, olona akaiky an'i Trump.
Mitsiry ihany koa ao anivon'ny antenimiera ny fanoherana ny X. Tamin'ny 12 Janoary, Sandrine Rousseau, solombavambahoaka mpiaro tontolo iainana ao anivon'ny antenimieram-pirenena, dia nandefa antso ho an'ireo namany ao amin'ny Nouveau Front Populaire (NFP) : « mitsangana isika dia mivoaka ». Tao anaty taratasy iray nalefa tamin'ny 12 Janoary, nampangainy ny X ho toy ny « milina iray fanelezana vaovao tsy mitombina » ary « kapoaka mikarantsana mampiako ny feon'ny farany havanana ». Tondroin'ilay solombavambahoaka manokana amin'izany ny fitsabahan'ilay tompony amin'ireo fifidianana eorôpeàna, indrindra fa ny fanohànany ankarihary ny farany havanana ao Alemaina.
Marine Tondelier, sekretera nasiônalin-dry zareo Ekôlôzista, dia naka fipetraka mbola henjankenjana kokoa, niantso ny fandraràna ny X manerana an'i Eorôpa manontolo. « Resaka fandrafetana hevitra sy ireo faran'izay mpanefoefo indrindra ilay izy, izay manandrana mividy fahefana vantany vao voahangon-dry zareo ny harena », hoy izy nanamafy tao anaty antsafa iray tao amin'ny onjampeon'ny RTL. Asongadin'io fanambaràna io ireo ahiahy tsy mitsaha-mitombo momba ireo olona mpanankarena mampiasa ny sehatry ny tambajotra sôsialy mba hisarihana ny sain'ny daholobe.
Tonga amina ambaratonga miavaka ankehitriny ny fandaozana faobe ataon'ny vondrom-piarahamonin'ireo nahita fianarana miala ny X: ny 16 Desambra 2024, ny Association pour la LIberté Académique (ALIA) dia nandefa fanambaràna iray nitondra lohateny hoe « Miala amin'ny X amin'ny anaran'ny etika siantifika ». Ilay fikambanana, izay miasa eo amin'ny fihaonan-dàlan'ny siansa sy ny fiarahamonina, dia manindry fa ny fahalalahana akademika sy ny etika maha-matianina dia soatoavina lehibe ho an'ireo oniversite sy andrim-pikarohana:
Hatramin'ny nandraisan'Ing. E. Musk, ny fifehezana, novainy ho milina fitondra miady amin'ireo mifanohitra amin'ny fotokeviny ny twitter, novàna anarana ho « X ».
Na ekeny aza fa ireo tambajotra sôsialy dia tena afaka ny handray anjara amin'ny fanelezana fahalalàna sy fanapariahana ny siansa, hamafisin'ilay fikambanana fa X dia lasa « efitra mampiako ireo feo hafahafa, ireo hosoka ary ireo lainga iniana ahely, ikendrena hamadihana ny adihevitra demaokratikan'ny daholobe ».
Hita manerana ny tontolon'ny anjerimanontolo io fironana io. Am-polony ireo anjerimanontolo frantsay no efa nanapaka sahady ny fifamatorany tamin'ny X, isan'izany ilay Sekoly Pôliteknika manana ny lazany sy ny EHESS (École des Hautes Études en Sciences Sociales):
Manomboka ny 20 Janoary 2025, hatsahatry ny EHESS ny asany ao amin'ny sehatra X. […] Nanomboka tamin'ny nividianan'i Musk azy, nanova tampoka an'ilay tambajotra ny fiafaràn'ny fandrindràna, ny tsy fisian'ny fanamarinana ny zavamisy ary ny fomba fijery iray mampiahiahy, ka nahatonga azy tsy hifanaraka intsony amin'ireo fomba firoso ara-tsiantifika sy demaokratika rehetra.
Fandaozana (X-ode) iray voaara-maso tsara
Manoloana io fandaozana manara-drafitra ny X io, ary mba hanamoràna ny tetezamita mankany amin'ireo sehatra hafa ifandrimbonana, dia manolotra vahaolana ny Frantsay iray mpikaroka. HelloQuitteX dia fitaovana iray an-tambajotra ho an'ny fifindràmonina voarindran'ireo sehatra, izay noforonin'i David Chavalarias, Frantsay matematisianina.
« Ny eritreritra dia ny hitantana ireo mpampiasa ao anatina fifindràmonina iray voarindra ho any amin'ireo sehatra mipariaka toy ny Mastodon na BlueSky », hoy ny fanazavàn'i Chavalarias nandritra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Synth Media. « Manome fahalalahana bebe kokoa ireo tambajotra ireo, toy ny fisafidianana ny algôritma fanosohan-kevitra na ny fahafahana manova ny mpandrindra kanefa tsy very ireo mpanjohy. Ny tanjonay dia ny handrindra io tetezamita io, indrindra fa manodidina daty fototra iray : ny 20 Janoary. Io daty fanamarihana io dia sady manamarika ny fametrahana an'i Trump tamin'ny toerany, ary koa ny fidiran'i Musk ho anaty andraikitra pôlitika bebe kokoa. »
Asongadin'ilay mpikaroka ny lafy azo ampiharina amin'ilay fomba fiasa: « Izahay dia manolotra fitaovana hahafahan'ireo mpampiasa miala miaraka amin'ny vondrom-piarahamoniny, kanefa tsy very ireo mpanaraka azy na ny votoatin-dry zareo. »
Raha nanontaniana momba ny ideôlôjia sy ireo fifandraisany amin'ireo lafiny teknika i Chavalarias dia mametraka ny HelloQuitteX ho toy ny fitaovana iray tsy misy idiran'ny pôlitika ary “transpartisan”, mifantoka amin'ny ady fanoherana ny fitrandrahana ny angondrakitr'ireo mpampiasa ho amin'ny tombontsoa pôlitikan'i Musk sy ny hafa. Aminy, etika sy fahalalahana nomerika eto no resaka.
Ny azo antoka dia miha-mitombo ny filàna mankany amin'ireo sehatra hafa: manerana izao tontolo izao, igagàna ny fitomboan'ny Bluesky : 9 tapitrisa tamin'ny Septambra 2024, efa 14,6 tapitrisa izao tamin'ny fiandohan'ny Novambra, ary lasa avo roa heny, tonga 30 tapitrisa ny Febroary 2025.