Fanambaràn'ny Global Voices manoloana ny fampiatoan'i Etazonia ny fanampiana ivelany

Amin'ny maha vondrom-piarahamonina iraisampirenena ahitana mpanoratra, mpandikateny, ary mpikatroka miaro ny zon'olombelona ​​ny Global Voices dia mijoro izahay ho firaisankina amin'ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina tratran'ilay fampiatoana fanampiana vao haingana nataon'i Etazonia. Efa nandravarava sahady ny fiatoana tampoka amin'ny famatsiam-bola, fa miatrika fahaverezan'asa, fanakatonana fampandehanan-draharaha ary fikorontanana tanteraka amin'ny serivisy tena ilaina ireo FTMF-ONG maneran-tany. Fa na dia ho tafaverina haingana aza ny famatsiam-bola dia hisy vokany mitarazoka ny korontana tamin’ity herinandro ity, nahapotraka ireo olona tena mila fanampiana ary koa nahatafintohina ireo olona miasa amin’ny fizarana izany.

Mino ny herin'ny filazan-tantara izahay ato amin'ny Global Voices, hanome lalana ny fahatakarana sy tamberina andraikitra. Rehefa mitranga ireo toe-javatra ireo, dia hanohy hampiraondraona ny feon'ny vahoaka voakasik'izany fanapahan-kevitra izany izahay, na mivantana izany na ankolaka, mba hahafahan-dry zareo mampita ny fomba fijeriny sy ny tena voka-dratsin'ireo politika ireo amin'ny olombelona.

Asongadin'izao toe-draharaha izao ihany koa ny filana fanampiana izay maharitra kokoa, miorim-paka isan-toerana kokoa, ary tsy miankina loatra amin'ireo goavana mpanome volabe manana dindo mampivily ny fanapahan-kevitra. Na dia tsy afaka ny hitranga eo no ho eo aza ny fanoloana ireo fanohanan'i Etazonia ny sehatra iraisampirenena izay maro dia maro, dia tokony haka sary an-tsaina sy hiasa mankany amin'ny rafi-panolora-tanana iraisampirenena manaraka ny hitsiny sy maharitra kokoa isika rehetra.

Miantso ireo toa anay, mpiara-miombon'antoka, ary olom-pirenena manerantany izahay mba hanohana amin'ny fomba rehetra azo atao ireo fikambanana lasibatra — na izany amin'ny fampiraondraonana ny tantaran-dry zareo, na amin'ny fanatambarana fitaovana sy loharanon-karena ho ampiasaina, na amin'ny fanaovana antso avo ho amin'ny politika manandratra ny firaisankina iraisampirenena.

Hotohizanay ny fanaraha-maso ny zava-misy sy mampahafantatra ny vondro-piarahamoninay. Raha manana tantara hozaraina ianao, na fomba fijery, na fomba (hafa) hanampiana, dia raisinay an-tanandroa ny anjara birikinao.

Isika miaraka no afa-miasa mankany amin'ny tontolo iray izay ny fiaraha-miasa, fa tsy ny fitokana-monina, no mitarika ny fiatrehantsika maneran-tany mamaha ny olana ateraky ny krizy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.