Voampentim-piampangàna ny Federasionan'i Azerbaijan misahana ny Gymnastika

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Nesorina tamin'ny toerany tamin'ny 16 Janoary i Marina Vasilyeva, minisitra lefitra misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena ao Azerbaijan. Misy ifandraisany amin'ny fiampangana fanararaotana ara-batana sy ara-tsaina ao anatin'ny Federasionan'ny Gymnastika ao Azerbaijan (AGF) ny fandroahana an'i Vasilyeva, izay izy no lehiben'ny mpanazatra nanomboka tamin'ny taona 2009 ka hatramin'ny taona 2021. Naboraky ny Federasiona Iraisampirenena Gymnastika (FIG) ny fanararaotana taorian'ny famotorana naharitra efa-taona, ka nanapahan'ny FIG hametraka sazy ho an'ny Federasionan'i Azerbaijan sy ireo mpanazatra maro ao aminy, anisan'izany i Vasilyeva, tamin'ny 6 Janoary. Mehriban Aliyeva, Filoha Lefitra Voalohany sady Vadin'ny Filoham-pirenena Azerbaijanita no mitarika ny Federasiona Gymnastika ao Azerbaijan. Lasa filohan'ny federasiona izy tamin'ny taona 2002. Tsy mbola nisy ny fanambaràna ofisialy natao tamin'ny anaran'ny Federasiona Gymnastika Azerbaijan hatramin'ny nivoahan'ireo boraka ireo.

Ny fiampangàna

Nilaza tamin'ny fomba ofisialy ny Gymnastics Ethics Foundation (GEF), andry mahaleotena naorin'ny FIG ho fiarovana ny fahamendrehan'ny gymnastika manerantany, fa nanomboka nanao famotorana tamin'ny taona 2020. Nanangona ireo porofo avy amin'ny mpandray anjara isan-karazany izy io, anisan'izany ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo Azerbaijani mpanao gymnastika amperinasa sy misotro ronono, ny ray aman-dreniny ary mpanazatra.

Nitady fanampiana tamin'ny federasiona nasionaly aloha ireo atleta Azerbaijani niharan'ny herisetra sy ny fanararaotana, saingy rehefa hitan'izy ireo izay nofaritan'izy ireo ho tsi-firaharahiana mihitsy ny fitarainany, dia nandefa ny olany tany ny amin'ny GEF ry zareo, araka ny antontan-taratasin-draharaha. Voalazan’ity farany ihany koa ny fomba nanerena ireo vavolombelona hanaisotra ny anarany sy ny fitarainany.

Tsipalotra tao amin'ny famotorana naharitra efa-taona ireo endrika fampitahorana ara-tsaina sy fanararaotana ara-batana nataon'ireo mpanazatra.

Tompon'andraikitra ireo mpanazatra tamin'ny fanararaotana ara-batana sy ny famelezana, anisan'izany ny daroka, fikasana hanakenda atleta iray, fanalana baraka amin'ny lanja, ny tsy maintsy ihinanana sakafo mampihena lanja, ny fihoarana am-bava, ny tsi-famelàna ny atleta hiresaka amin'ny fianakaviany, ny fihazonana ireo valisoa ara-bola (tokony) ho an'ny atleta, sy ny maro hafa voasoritra ao amin'ny antontan-taratasin-draharaha. Namaly ny AGF nandritra ny famotorana fa miasa ivelan'ny faritra misy azy ny GEF, fa tsy ampy sy/na tsy araka ny izy ny fitarainana namelezana ireo mpanazatra,

Raha atambatra, mpanazatra efatra no nanaovana fanadihadiana, ka ireto avy izany: Marina Vasilyeva, Siyana Vasilyeva (zanakavavin'i Marina Vasilyeva), Evgeniya Vilyaeva ary Natalia Bulanova (Bulanova no hany olona afaka madiodio amin'ny fiampangana rehetra). Tao amin'ny fanapahan-keviny, notanisain'ny GEF ny lisitra fepetra famaizana hatrehin'ireo mpanazatra noho ny fandikàna ireo fepetra maro ao amin'ny satan'ny FIG, ny fitsipiky ny tandrohasina, ny fitsipi-pitondratena, ary ny politika sy ny fomba fiasa amin'ny fitandroana sy ny fiarovana ny mpandray anjara amin'ny fanaovana gymnastika.

Ankoatra izay, nosazian'ny Fondation ny AGF ary nampandoavina onitra CHF 30.000 (USD 32.800) ny AGF ary nandrara ny federasiona nasionaly tsy handray anjara amin'ny fivorian'ny FIG ho avy amin'ny taona 2025 sy taona 2026. Ho arahi-maso mandritra ny roa taona manaraka ny politikam-piarovan'ny fiderasionam-pirenena.

Gina avy amin'ny federasionam-pirenena

Tsy nametraka ny anaran'ireo mpanazatra voalaza tamin'ny famotorana teo ambany fiahian'ny mpiasan'ny federasiona afa-tsy ny an'i Bulanova ny tranonkala ofisialin'ny federasionam-pirenena. Na ny filohan'ny federasiona Mehriban Aliyeva, na ny federasiona mihitsy dia samy tsy nanao fanambaràna ampahibemaso ho setrin'ny valim-panadihadiana. Na izany aza, hita ao amin'ny antontan-taratasin-draharaha ny fandàvan'izy ireo mavitrika ny fanontanian'ny GEF.

Vao tamin'ny Aogositra 2024, noderain‘i Mehriban Aliyeva ny firindran-gadon'ny ekipa gymnastika ao Azerbaijan izay nahazo ny laharana fahadimy tamin'ny Lalao Olaimpika tany Paris. “Bravo! ireharehako ianareo! Ry havana mpanao gymnastika, noho ny asanareo, ny fikirizanareo ary ny fanirianareo ho tsara indrindra – miharihary ny fivoarana! Misaotra noho ny fahaizanareo, ny fanirianareo handresy ary ny fanatanterahinareo ireo dingana sarotra indrindra! Fandresena vaovao ary zava-bita ho anareo ireo! Tiako ianareo” hoy ny vadin'ny filoham-pirenena.

Siyana Vasilyeva, iray amin'ireo mpanazatra voasazy no manofana ny ekipa ankehitriny. Voafidy ho solontenan'ny gymnastika manara-gadona ao amin'ny Vaomieran'ny Atleta an'i FIG i Siyana Vasilyeva tamin'ny taona 2021. Raha mbola mpikambana izy tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity, dia nilaza tamin'ny AP ny komity mpanatanteraky ny vaomiera fa hisy ny fifanakalozan-kevitra amin'ny volana ambony momba ny satan'i Vasilyeva.

Nahazo ny loka “mpanazatra tsara indrindra” i Siyana Vasilyeva tamin'ny 9 Janoary 2025 nandritra ny lanonana gala nokarakarain'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Mandritra izany fotoana izany, mbola manonona ny rantiny ho minisitra lefitra i Mariana Vasilyeva ao amin'ny pejy Instagram.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.