
Arnon Nampa nikabary nandritra ny hetsika amin'ny lohahevitra Harry Potter tamin'ny 3 aogositra 2020, mitaky ny hanavaozana ny fitondram-panjaka. Sary sy soratra avy amin'i Prachatai. Nahazoana alalana.
Ny mpisolovava Thailandey Arnon Nampa dia nahazo ny fanamelohana fahenina mifandraika amin'ny kabary nataony tamin'ny fihetsiketsehana prô-demôkrasia tamin'ny Aogositra 2020, izay nandika ny lalàna lèse-majesté [fanimbazimbàna ny mpanjaka], lalàna iray mametraka ny faniratsirana ny fianakavian'ny mpanjaka Thai ho tsy ara-dalàna.
Niatrika fiampangana fanimbazimbam-panjaka miisa 12 i Arnona noho ny fitenenana filàna fanavaozana ao amin'ny fitondram-panjaka. Nigadra 337 andro izy mandra-pivoakany tamin'ny 28 Febroary 2022. Nosamborina indray izy ny 26 Septambra 2023, ary mbola migadra mandraka androany. 18 taona sy 10 volana ary 20 andro ankehitriny ny saziny an-tranomaizina, ary mbola misy raharaha lèse-majesté valo hafa mbola miandry azy.
Nandromba-pahefana ny tafika Thailandey tamin'ny taona 2014, izay nitarika tamin'ny fametrahana ny sivana amin'ny haino aman-jery sy ny fanakonana ny fahalalahana sivily. Tamin'ny taona 2020, nomen'ny tanora mpikatroka tanjaka ny hetsika mpomba ny demôkrasia tamin'ny fikarakarana hetsi-panoherana goavana sy hetsika vaovao tsy fankatoavam-bahoaka. Ny governemanta tohanan'ny miaramila dia nitanisa ny areti-mifindra nandritra izany fotoana izany mba handrara ny fivoriam-bahoaka. Nampiasainy tamim-pahasiahana ihany koa ny andininy faha-112 amin’ny fehezan-dalàna famaizana (lalàna lèse-majesté) hanasazy ireo mpitsikera sy ny herim-panoherana.
Araka ny fanaraha-mason'ireo Thailandey Mpahay lalàna miròna amin'ny Zon'Olombelona, farafahakeliny olona 1.959 no notsaraina noho ny fanehoan-kevitra ara-politika nanomboka tamin'ny Jolay 2020 ka hatramin'ny Septambra 2024. Manodidina ny 307 ireo tranga miompana amin'ny fanimbazimbàna ny mpanjaka [lèse-majesté].
Nanan-danja ny kabary nataon'i Arnon tamin'ny Aogositra 2020 noho ny niarovany ny adihevitra ampahibemaso momba ny anjara asan'ny fitondra-mpanjaka eo amin'ny fiarahamonina. Indro misy tsonga amin'ny lahateniny navoakan'ny PEN International, vondrona mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra miorina any Etazonia, ao anaty bokikely mitondra ny lohateny hoe “Ny Fitondra-mpanjaka sy ny Fiarahamonina Thailandey.”
Today, we are a democracy with the king as head of state. But the monarchy exercises royal prerogative in excess of that permitted in a democracy. With respect for the monarchy, there is no way to solve this problem without talking about it.
This kind of discussion is not the toppling of the monarchy. But it is talking about it so that the monarchy will exist in Thai society in a manner that is correct and legitimate for a democracy with the king as head of state.
Ankehitriny isika demôkrasia manana mpanjaka ho lohan'ny fanjakana. Fa mampiasa ny fahefany mihoatra noho izay avelan'ny demokrasia ny fitondra-mpanjaka. Ho fanajana ny fitondra-mpanjaka dia tsy misy fomba hamahàna ity olana ity afa-tsy amin'ny firesahana momba izany.
Tsy fandrodanana ny fitondram-panjaka akory ny karazam-pifanakalozan-kevitra tahaka izany. Fa resahana izany mba hisy eo amin'ny fiarahamonina Thailandey amin'ny fomba mety sy ara-dalàna ho an'ny demokrasia manana mpanjaka ho filoham-panjakana ny fitondram-panjaka.
Cartoon by Stephff: 4-year sentence for Anon Nampa pic.twitter.com/WFF5vcQoM6
— Prachatai English (@prachatai_en) October 2, 2023
Sariitatra nataon'i Stephff: sazy 4 taona ho an'i Anon Nampa
Asongadin'ny sioka etsy ambony i Arnon nitafy Harry Potter nandritra ny hetsika demôkratika tamin'ny taona taona 2020.
Ny mpanohitra, izay nanohana ny antson'ireo tanora mpikatroka ho amin'ny fanavaozana demôkratika, ka nahazo ny vatom-bahoaka tamin'ny taona 2023 saingy tsy nahatsangana governemanta noho ny fanoheran'ireo antoko tohanan'ny miaramila. Tsy namerina indray ny fampiasana ny andininy faha-112 ny governemanta vaovao mba hampanginana ny tsy fitovian-kevitra. Ny fisamborana [mg] an'i Arnon tamin'ny taona 2023 sy ny fanamelohan'ny fitsarana azy no naneho ny fitohizan'ny famoretana izay feo mitsikera.
Tamin'ny Aogositra 2024, ny Vondrona Miasa ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny Fanagadrana An-tondromolotra dia niantso ny hamotsorana an'i Arnona maika ary “hanome azy ireo zo azo ampiharina amin'ny fanonerana sy fananerana hafa, araka ny lalàna iraisam-pirenena”.
Taorian'ny didim-pitsarana fahenina an'i Arnona tamin'ny Desambra 2024, dia nanondro ireo tsy-fanarahan-dalàna tamin'ny raharahany ny PEN America, toy ny fandavan'ny fitsarana ny fampiantsoana porofo manan-danja mahakasika ny asan'ny fitondra-mpanjaka, ny didy hanaovana fitsarana miafina tsy misy fototra mazava, ary ny fangatahan'ny voampanga hanova ny mpitsara noho ny filazana fitongilanana. Ny PEN America koa dia nanasongadina ny fiantraikany ara-politikan'ny fitohizan'ny fanagadrana an'i Arnona.
Nampa’s speeches, letters, and poems have inspired countless other Thai citizens to envision a more just and equitable society, making his imprisonment a broader assault on the right to free expression for all people in Thailand.
Nanainga fanahy olom-pirenena Thai tsy tambo isaina hihevitra fiaraha-monina ara-drariny sy mirindra kokoa ireo lahateny, taratasy ary tononkalon'i Nampa, ka nahatonga ny fanagadrana azy ho endri-panafihana ankapobeny ny zon'ny olona rehetra ao Thailandy haneho hevitra malalaka.
Na dia nogadraina azy i Arnon, dia mbola mihaika hatrany raha jerena amin'ireo taratasy nalefany ho an’ny fianakaviany sy ny namany. Tao amin'ny taratasy iray ho an'ny zanany tamin'ny Novambra 2023 i Arnon no nanoratra ny tsy maintsy hifaharana.
Daddy wants you both to know that it is not only our family that has been impacted by the political struggle. We are simply little people, a little family, in the big picture of the struggle this time. Everyone is doing their duty in this era.
Tian'i Dada ho fantatry ny roa tonta fa tsy ny fianakavianay ihany no ianjadian'ny tolona politika. Vahoaka madinika fotsiny izahay, ankohonana kely, ao anatin'ilay sarin'ny tolona amin'ity indray mitoraka ity. Samy manao ny adidiny ny tsirairay amin’izao vanim-potoana izao.
Tao amin'ny taratasy iray hafa, nandrisika ny namany sy ny mpanohana azy izy hanohy ny tolona.
The fire of struggle has not yet been extinguished. The seeds of freedom have been sown in people’s hearts already. We now wait for them to grow.
Tsy mbola maty ny afon’ny tolona. Efa nafafy tao am-pon’ny olona ny voan’ny fahafahana. Miandry azy ireo hitombo isika izao.